< Habakkuk 1 >

1 The revelation which Habakkuk the prophet saw.
Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’ i Habakoka mpaminany.
2 LORD, how long will I cry, and you will not hear? I cry out to you “Violence!” and will you not save?
Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
3 Why do you show me iniquity, and look at perversity? For destruction and violence are before me. There is strife, and contention rises up.
Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
4 Therefore the law is paralyzed, and justice never prevails; for the wicked surround the righteous; therefore justice comes out perverted.
Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ ny fitsarana miangatra.
5 “Look among the nations, watch, and wonder marvelously; for I am working a work in your days which you will not believe though it is told you.
Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
6 For, behold, I am raising up the Kasdim, that bitter and hasty nation who march through the width of the earth, to possess dwelling places that are not theirs.
Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran’ ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
7 They are feared and dreaded. Their judgment and their dignity proceed from themselves.
Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8 Their horses also are swifter than leopards, and are more fierce than the evening wolves. Their horsemen press proudly on. Yes, their horsemen come from afar. They fly as an eagle that hurries to devour.
Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
9 All of them come for violence. Their hordes face forward. They gather prisoners like sand.
Hampidi-doza no ihavian’ izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.
10 Yes, they scoff at kings, and princes are a derision to them. They laugh at every stronghold, for they build up an earthen ramp and take it.
Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.
11 Then they sweep by like the wind and go on. They are indeed guilty, whose strength is their god.”
Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
12 Aren’t you from everlasting, LORD my God, my Holy One? We will not die. LORD, you have appointed them for judgment. You, Rock, have established him to punish.
Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
13 You who have purer eyes than to see evil, and who cannot look on perversity, why do you tolerate those who deal treacherously and keep silent when the wicked swallows up the man who is more righteous than he,
Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangìna, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
14 and make men like the fish of the sea, like the creeping things that have no ruler over them?
Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
15 He takes up all of them with the hook. He catches them in his net and gathers them in his dragnet. Therefore he rejoices and is glad.
Aingainy amin’ ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ ny haratony Ary sarihany amin’ ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
16 Therefore he sacrifices to his net and burns incense to his dragnet, because by them his life is luxurious and his food is good.
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
17 Will he therefore continually empty his net, and kill the nations without mercy?
Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?

< Habakkuk 1 >