< Numbers 6 >

1 The LORD spoke to Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Speak to the children of Israel, and tell them: ‘When either man or woman shall make a special vow, the vow of a Nazirite, to separate himself to the LORD,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’ i Jehovah,
3 he shall separate himself from wine and strong drink. He shall drink no vinegar of wine, or vinegar of fermented drink, neither shall he drink any juice of grapes, nor eat fresh grapes or dried.
dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na ny lena, na ny maina.
4 All the days of his separation he shall eat nothing that is made of the grapevine, from the seeds even to the skins.
Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay atao amin’ ny voaloboka hatramin’ ny voany ka hatramin’ ny hodiny izy.
5 “‘All the days of his vow of separation no razor shall come on his head, until the days are fulfilled in which he separates himself to the LORD. He shall be holy. He shall let the locks of the hair of his head grow long.
Amin’ ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’ i Jehovah dia ho masìna izy, ka havelany haniry ny volondohany.
6 “‘All the days that he separates himself to the LORD he shall not go near a dead body.
Amin’ ny andro rehetra izay itokanany ho an’ i Jehovah dia tsy hiditra am-paty izy;
7 He shall not make himself unclean for his father, or for his mother, for his brother, or for his sister, when they die, because his separation to God is on his head.
aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin’ ny lohany ny fitokanana ho an’ Andriamaniny.
8 All the days of his separation he is holy to the LORD.
Amin’ ny andro fitokanany rehetra dia ho masìna ho an’ i Jehovah izy.
9 “‘If any man dies very suddenly beside him, and he defiles the head of his separation, then he shall shave his head in the day of his cleansing. On the seventh day he shall shave it.
Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ ny andro fahafito no hanaratany azy;
10 On the eighth day he shall bring two turtledoves or two young pigeons to the priest, to the door of the Tent of Meeting.
ary amin’ ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho eo amin’ ny mpisorona, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy.
11 The priest shall offer one for a sin offering, and the other for a burnt offering, and make atonement for him, because he sinned by reason of the dead, and shall make his head holy that same day.
Ary ny mpisorona dia hanatitra ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota ny amin’ ny faty izy; ary hanamasina ny lohany amin’ izany andro izany izy.
12 He shall separate to the LORD the days of his separation, and shall bring a male lamb a year old for a trespass offering; but the former days shall be void, because his separation was defiled.
Dia hanokana ho an’ i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
13 “‘This is the law of the Nazirite: when the days of his separation are fulfilled, he shall be brought to the door of the Tent of Meeting,
Ary izao no lalàna ny amin’ ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany, dia ho entina ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy;
14 and he shall offer his offering to the LORD: one male lamb a year old without defect for a burnt offering, one ewe lamb a year old without defect for a sin offering, one ram without defect for peace offerings,
ary hanatitra ny fanatiny ho an’ i Jehovah izy, dia ondrilahy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra dorana, ary ondrivavy iray izay iray taona tsy misy kilema ho fanatitra noho ny ota, ary ondrilahy iray tsy misy kilema ho fanati-pihavanana,
15 a basket of unleavened bread, cakes of fine flour mixed with oil, and unleavened wafers anointed with oil with their meal offering and their drink offerings.
ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin’ ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
16 The priest shall present them before the LORD, and shall offer his sin offering and his burnt offering.
Dia haterin’ ny mpisorona eo anatrehan’ i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany;
17 He shall offer the ram for a sacrifice of peace offerings to the LORD, with the basket of unleavened bread. The priest shall offer also its meal offering and its drink offering.
dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah mbamin’ ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
18 The Nazirite shall shave the head of his separation at the door of the Tent of Meeting, take the hair of the head of his separation, and put it on the fire which is under the sacrifice of peace offerings.
Ary ny Nazirita hanaratra, ny lohany izay fitokanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany fitokanany ka hataony eo amin’ ny afo izay eo ambanin’ ny fanati-pihavanana.
19 The priest shall take the boiled shoulder of the ram, one unleavened cake out of the basket, and one unleavened wafer, and shall put them on the hands of the Nazirite after he has shaved the head of his separation;
Dia halain’ ny mpisorona ny sorok’ ondrilahy izay efa masaka sy mofo iray tsy misy masirasira avy amin’ ny harona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hataony eo amin’ ny tanan’ ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay fitokanany.
20 and the priest shall wave them for a wave offering before the LORD. They are holy for the priest, together with the breast that is waved and the thigh that is offered. After that the Nazirite may drink wine.
Dia hahevahevan’ ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna izany ho an’ ny mpisorona ho fanampin’ ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
21 “‘This is the law of the Nazirite who vows and of his offering to the LORD for his separation, in addition to that which he is able to afford. According to his vow which he vows, so he must do after the law of his separation.’”
Izany no lalàna ny amin’ ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ ny fitokanany.
22 The LORD spoke to Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
23 “Speak to Aaron and to his sons, saying, ‘This is how you shall bless the children of Israel.’ You shall tell them,
Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany hoe: Izao no teny ho entinareo mitso-drano ny Zanak’ Isiraely:
24 ‘The LORD bless you, and keep you.
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
25 The LORD make his face to shine on you, and be gracious to you.
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
26 The LORD lift up his face towards you, and give you peace.’
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
27 “So they shall put my name on the children of Israel; and I will bless them.”
Dia hametraka ny anarako amin’ ny Zanak’ Isiraely izy; ary Izaho hitahy azy.

< Numbers 6 >