< Deuteronomy 8 >

1 You shall observe to do all the commandments which I command you today, that you may live, and multiply, and go in and possess the land which the LORD swore to your fathers.
Ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio dia tandremo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hihamaro ary hiditra sady handova ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy.
2 You shall remember all the way which the LORD your God has led you these forty years in the wilderness, that he might humble you, to test you, to know what was in your heart, whether you would keep his commandments or not.
Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
3 He humbled you, allowed you to be hungry, and fed you with manna, which you didn’t know, neither did your fathers know, that he might teach you that man does not live by bread only, but man lives by every word that proceeds out of the LORD’s mouth.
Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman’ ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’ i Jehovah no iveloman’ ny olona.
4 Your clothing didn’t grow old on you, neither did your foot swell, these forty years.
Ny fitafianao teny aminao tsy rovitra, ary ny tongotrao tsy nivonto izao efa-polo taona izao.
5 You shall consider in your heart that as a man disciplines his son, so the LORD your God disciplines you.
Koa aoka ho fantatrao amin’ ny fonao, fa tahaka ny fananaran’ ny olona ny zanany no fananaran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
6 You shall keep the commandments of the LORD your God, to walk in his ways, and to fear him.
Ary tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin’ ny lalany sy hatahoranao Azy.
7 For the LORD your God brings you into a good land, a land of brooks of water, of springs, and underground water flowing into valleys and hills;
Fa Jehovah Andriamanitrao efa hampiditra anao any amin’ ny tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra,
8 a land of wheat, barley, vines, fig trees, and pomegranates; a land of olive trees and honey;
tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary ampongabendanitra, tany misy hazo oliva sy tantely,
9 a land in which you shall eat bread without scarcity, you shall not lack anything in it; a land whose stones are iron, and out of whose hills you may dig copper.
tany izay hihinananao hanina amin’ ny fanaranam-po, sady tsy hanan-java-mahory akory eo ianao, tany misy vy ny vato ao aminy, ary ao amin’ ny tendrombohiny no hihadianao varahina.
10 You shall eat and be full, and you shall bless the LORD your God for the good land which he has given you.
Ary rehefa nihinana ianao ka voky ary misaotra an’ i Jehovah Andriamanitrao noho ny tany soa izay nomeny anao,
11 Beware lest you forget the LORD your God, in not keeping his commandments, his ordinances, and his statutes, which I command you today;
dia mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio;
12 lest, when you have eaten and are full, and have built fine houses and lived in them;
fandrao, rehefa nihinana ianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao,
13 and when your herds and your flocks multiply, and your silver and your gold is multiplied, and all that you have is multiplied;
ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra,
14 then your heart might be lifted up, and you forget the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt, out of the house of bondage;
dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana,
15 who led you through the great and terrible wilderness, with venomous snakes and scorpions, and thirsty ground where there was no water; who poured water for you out of the rock of flint;
Izay nitondra anao tany amin’ ny efitra lehibe sady mahatahotra, izay misy menaran’ afo sy maingoka, dia ny tany mangentana tsy misy rano, ary nampivoaka rano ho anao avy tamin’ ny vatolampy afovato,
16 who fed you in the wilderness with manna, which your fathers didn’t know, that he might humble you, and that he might prove you, to do you good at your latter end;
Izay nanome anao mana hohanina tany an-efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hanisy soa anao any am-parany;
17 and lest you say in your heart, “My power and the might of my hand has gotten me this wealth.”
ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
18 But you shall remember the LORD your God, for it is he who gives you power to get wealth, that he may establish his covenant which he swore to your fathers, as it is today.
fa tsarovy Jehovah Andriamanitrao, fa Izy no manome anao hery hahavory harena, mba haoriny ny fanekeny, izay nianianany tamin’ ny razanao, tahaka ny amin’ izao anio izao.
19 It shall be, if you shall forget the LORD your God, and walk after other gods, and serve them and worship them, I testify against you today that you shall surely perish.
Fa raha manadino an’ i Jehovah Andriamanitrao mihitsy ianao ka manaraka izay andriamani-kafa sady manompo azy sy miankohoka eo anatrehany, dia milaza aminareo marimarina aho fa haringana tokoa ianareo:
20 As the nations that the LORD makes to perish before you, so you shall perish, because you wouldn’t listen to the LORD your God’s voice.
tahaka ny andringanana ny firenen-tsamy hafa, izay aringan’ i Jehovah eo anoloanareo, no handringanana anareo, satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.

< Deuteronomy 8 >