< 2 Samuel 16 >

1 When David was a little past the top, behold, Ziba the servant of Mephibosheth met him with a couple of donkeys saddled, and on them two hundred loaves of bread, and one hundred clusters of raisins, and one hundred summer fruits, and a container of wine.
Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon’ ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon’ i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
2 The king said to Ziba, “What do you mean by these?” Ziba said, “The donkeys are for the king’s household to ride on; and the bread and summer fruit for the young men to eat; and the wine, that those who are faint in the wilderness may drink.”
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin’ ny zatovo; ary ny divay hosotroin’ izay reraka any an-efitra.
3 The king said, “Where is your master’s son?” Ziba said to the king, “Behold, he is staying in Jerusalem; for he said, ‘Today the house of Israel will restore me the kingdom of my father.’”
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ ny taranak’ Isiraely ny fanjakan’ ikaky ho ahy.
4 Then the king said to Ziba, “Behold, all that belongs to Mephibosheth is yours.” Ziba said, “I bow down. Let me find favour in your sight, my lord, O king.”
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Ziba: Indro, anao izay rehetra an’ i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko.
5 When King David came to Bahurim, behold, a man of the family of Saul’s house came out, whose name was Shimei, the son of Gera. He came out and cursed as he came.
Ary nony nanakaiky an’ i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan’ i Saoly ny anarany dia Simey, zanak’ i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny am-pandehanana.
6 He cast stones at David and at all the servants of King David, and all the people and all the mighty men were on his right hand and on his left.
Ary nitora-bato an’ i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin’ ny ankavanan’ ny mpanjaka sy teo amin’ ny ankaviany.
7 Shimei said when he cursed, “Be gone, be gone, you man of blood, and wicked fellow!
Ary hoy ny fanozon’ i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!
8 The LORD has returned on you all the blood of Saul’s house, in whose place you have reigned! The LORD has delivered the kingdom into the hand of Absalom your son! Behold, you are caught by your own mischief, because you are a man of blood!”
Nataon’ i Jehovah manody anao izao ny ran’ ny tamingan’ i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan’ i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
9 Then Abishai the son of Zeruiah said to the king, “Why should this dead dog curse my lord the king? Please let me go over and take off his head.”
Ary hoy Abisay, zanak’ i Zeroia, tamin’ ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany.
10 The king said, “What have I to do with you, you sons of Zeruiah? Because he curses, and because the LORD has said to him, ‘Curse David,’ who then shall say, ‘Why have you done so?’”
Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany?
11 David said to Abishai and to all his servants, “Behold, my son, who came out of my bowels, seeks my life. How much more this Benjamite, now? Leave him alone, and let him curse; for the LORD has invited him.
Ary hoy koa Davida tamin’ i Abisay sy tamin’ ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany.
12 It may be that the LORD will look on the wrong done to me, and that the LORD will repay me good for the cursing of me today.”
Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin’ ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.
13 So David and his men went by the way; and Shimei went along on the hillside opposite him and cursed as he went, threw stones at him, and threw dust.
Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin’ ny ilan’ ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
14 The king and all the people who were with him arrived weary; and he refreshed himself there.
Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.
15 Absalom and all the people, the men of Israel, came to Jerusalem, and Ahithophel with him.
Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin’ ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy.
16 When Hushai the Archite, David’s friend, had come to Absalom, Hushai said to Absalom, “Long live the king! Long live the king!”
Ary Hosay Arkita, sakaizan’ i Davida, dia tonga tao amin’ i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka!
17 Absalom said to Hushai, “Is this your kindness to your friend? Why didn’t you go with your friend?”
Fa hoy Absaloma tamin’ i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin’ ny sakaizanao?
18 Hushai said to Absalom, “No; but whomever the LORD and this people and all the men of Israel have chosen, I will be his, and I will stay with him.
Ary hoy Hosay tamin’ i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’ i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
19 Again, whom should I serve? Shouldn’t I serve in the presence of his son? As I have served in your father’s presence, so I will be in your presence.”
Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan’ ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan’ ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa.
20 Then Absalom said to Ahithophel, “Give your counsel what we shall do.”
Ary hoy Absaloma tamin’ i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
21 Ahithophel said to Absalom, “Go in to your father’s concubines that he has left to keep the house. Then all Israel will hear that you are abhorred by your father. Then the hands of all who are with you will be strong.”
Dia hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Midìra ao amin’ ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan’ izay rehetra momba anao.
22 So they spread a tent for Absalom on the top of the house, and Absalom went in to his father’s concubines in the sight of all Israel.
Ary dia nanorin-day ho an’ i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin’ ny vaditsindranon-drainy teo imason’ ny Isiraely rehetra.
23 The counsel of Ahithophel, which he gave in those days, was as if a man enquired at the inner sanctuary of God. All the counsel of Ahithophel was like this both with David and with Absalom.
Ary ny hevitr’ i Ahitofela izay nataony tamin’ izany dia hoatra ny manontany amin’ Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon’ i Ahitofela, na tamin’ i Davida, na tamin’ i Absaloma.

< 2 Samuel 16 >