< 1 Yochanan 2 >

1 My little children, I write these things to you so that you may not sin. If anyone sins, we have a Counsellor with the Father, Yeshua the Messiah, the righteous.
Anaka, izany zavatra izany no soratako ny aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina;
2 And he is the atoning sacrifice for our sins, and not for ours only, but also for the whole world.
ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’ izao tontolo izao koa.
3 This is how we know that we know him: if we keep his commandments.
Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny.
4 One who says, “I know him,” and doesn’t keep his commandments, is a liar, and the truth isn’t in him.
Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.
5 But God’s love has most certainly been perfected in whoever keeps his word. This is how we know that we are in him:
Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’ Andriamanitra izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika.
6 he who says he remains in him ought himself also to walk just like he walked.
Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.
7 Brothers, I write no new commandment to you, but an old commandment which you had from the beginning. The old commandment is the word which you heard from the beginning.
Ry malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ ny voalohany. Ny didy ela dia izay teny efa renareo.
8 Again, I write a new commandment to you, which is true in him and in you, because the darkness is passing away and the true light already shines.
Ary koa, didy vaovao no soratako aminareo, dia zavatra marina eo aminy sy eo aminareo, satria miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny.
9 He who says he is in the light and hates his brother is in the darkness even until now.
Izay milaza fa ao amin’ ny mazava izy, kanefa mankahala ny rahalahiny, dia mbola ao amin’ ny maizina ihany.
10 He who loves his brother remains in the light, and there is no occasion for stumbling in him.
Izay tia ny rahalahiny no mitoetra ao amin’ ny mazava, ka tsy misy fahatafintohinana ao aminy.
11 But he who hates his brother is in the darkness, and walks in the darkness, and doesn’t know where he is going, because the darkness has blinded his eyes.
Fa izay mankahala ny rahalahiny dia ao amin’ ny maizina ary mandeha ao amin’ ny maizina ka tsy mahalala izay alehany, satria ny maizina no efa nahajamba ny masony.
12 I write to you, little children, because your sins are forgiven you for his name’s sake.
Manoratra aminareo zanaka aho, satria voavela ny helokareo noho ny anarany.
13 I write to you, fathers, because you know him who is from the beginning. I write to you, young men, because you have overcome the evil one. I write to you, little children, because you know the Father.
Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.
14 I have written to you, fathers, because you know him who is from the beginning. I have written to you, young men, because you are strong, and the word of God remains in you, and you have overcome the evil one.
Nanoratra taminareo ray aho, satria efa nahalala Ilay hatramin’ ny voalohany ianareo. Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’ Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo.
15 Don’t love the world or the things that are in the world. If anyone loves the world, the Father’s love isn’t in him.
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’ izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
16 For all that is in the world—the lust of the flesh, the lust of the eyes, and the pride of life—isn’t the Father’s, but is the world’s.
Fa ny zavatra rehetra eo amin’ izao tontolo izao, dia ny filan’ ny nofo sy ny filan’ ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ ny Ray, fa avy amin’ izao tontolo izao ihany.
17 The world is passing away with its lusts, but he who does God’s will remains forever. (aiōn g165)
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay. (aiōn g165)
18 Little children, these are the end times, and as you heard that the Anti-messiah is coming, even now many anti-messiahs have arisen. By this we know that it is the final hour.
Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
19 They went out from us, but they didn’t belong to us; for if they had belonged to us, they would have continued with us. But they left, that they might be revealed that none of them belong to us.
Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
20 You have an anointing from the Holy One, and you all have knowledge.
Fa ianareo kosa manana hosotra avy amin’ ilay Masìna ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 I have not written to you because you don’t know the truth, but because you know it, and because no lie is of the truth.
Tsy noho ny tsy ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin’ ny marina.
22 Who is the liar but he who denies that Yeshua is the Messiah? This is the Anti-messiah, he who denies the Father and the Son.
Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’ i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
23 Whoever denies the Son doesn’t have the Father. He who confesses the Son has the Father also.
Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
24 Therefore, as for you, let that remain in you which you heard from the beginning. If that which you heard from the beginning remains in you, you also will remain in the Son, and in the Father.
Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ ny voalohany, dia hitoetra ao amin’ ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
25 This is the promise which he promised us, the eternal life. (aiōnios g166)
Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
26 These things I have written to you concerning those who would lead you astray.
Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ ny mamitaka anareo.
27 As for you, the anointing which you received from him remains in you, and you don’t need for anyone to teach you. But as his anointing teaches you concerning all things, and is true, and is no lie, and even as it taught you, you will remain in him.
Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’ olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
28 Now, little children, remain in him, that when he appears, we may have boldness and not be ashamed before him at his coming.
Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin’ ny fihaviany.
29 If you know that he is righteous, you know that everyone who practices righteousness has been born of him.
Raha fantatrareo fa marina Izy, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina no zanany naterany.

< 1 Yochanan 2 >