< Genesis 31 >

1 Jacob heard Laban’s sons’ words, saying, “Jacob has taken away all that was our father’s. He has obtained all this wealth from that which was our father’s.”
Ary Jakoba nandre ny tenin’ ny zanakalahin’ i Labana nanao hoe: Efa lasan’ i Jakoba avokoa izay rehetra nananan’ ny raintsika; ary avy tamin’ ny fananan’ ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2 Jacob saw the expression on Laban’s face, and, behold, it was not towards him as before.
Ary hitan’ i Jakoba ny tarehin’ i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 The LORD said to Jacob, “Return to the land of your fathers, and to your relatives, and I will be with you.”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Jakoba: Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao; ary homba anao Aho.
4 Jacob sent and called Rachel and Leah to the field to his flock,
Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin’ ny ondry aman’ osiny
5 and said to them, “I see the expression on your father’s face, that it is not towards me as before; but the God of my father has been with me.
ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin’ ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
6 You know that I have served your father with all of my strength.
Ary fantatrareo fa tamin’ ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
7 Your father has deceived me, and changed my wages ten times, but God didn’t allow him to hurt me.
Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan’ Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
8 If he said, ‘The speckled will be your wages,’ then all the flock bore speckled. If he said, ‘The streaked will be your wages,’ then all the flock bore streaked.
Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’ osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’ osy rehetra.
9 Thus God has taken away your father’s livestock, and given them to me.
Dia nalain’ Andriamanitra ny fananan’ ny rainareo ka nomeny ahy.
10 During mating season, I lifted up my eyes, and saw in a dream, and behold, the male goats which leapt on the flock were streaked, speckled, and grizzled.
Ary rehefa mby amin’ ny andro izay nikambanan’ ny ondry aman’ osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin’ ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ ny ondrivavy sy ny osivavy.
11 The angel of God said to me in the dream, ‘Jacob,’ and I said, ‘Here I am.’
Ary hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra tamiko tamin’ ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
12 He said, ‘Now lift up your eyes, and behold, all the male goats which leap on the flock are streaked, speckled, and grizzled, for I have seen all that Laban does to you.
Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon’ i Labana taminao.
13 I am the God of Bethel, where you anointed a pillar, where you vowed a vow to me. Now arise, get out from this land, and return to the land of your birth.’”
Izaho no Andriamanitr’ i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin’ ity tany ity, ka modia any amin’ ny tany nahaterahanao.
14 Rachel and Leah answered him, “Is there yet any portion or inheritance for us in our father’s house?
Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon’ ny rainay?
15 Aren’t we considered as foreigners by him? For he has sold us, and has also used up our money.
Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
16 For all the riches which God has taken away from our father are ours and our children’s. Now then, whatever God has said to you, do.”
Fa ny harena rehetra izay nalain’ Andriamanitra tamin’ ny rainay, dia anay sy an’ ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain’ Andriamanitra taminao dia ataovy.
17 Then Jacob rose up, and set his sons and his wives on the camels,
Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
18 and he took away all his livestock, and all his possessions which he had gathered, including the livestock which he had gained in Paddan Aram, to go to Isaac his father, to the land of Canaan.
dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman’ osiny rehetra izy, mbamin’ ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman’ ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin’ Isaka rainy any amin’ ny tany Kanana.
19 Now Laban had gone to shear his sheep; and Rachel stole the teraphim that were her father’s.
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman’ osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
20 Jacob deceived Laban the Syrian, in that he didn’t tell him that he was running away.
Ary Jakoba dia nangala-dia tamin’ i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin’ ny handosirany.
21 So he fled with all that he had. He rose up, passed over the River, and set his face towards the mountain of Gilead.
Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
22 Laban was told on the third day that Jacob had fled.
Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin’ i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 He took his relatives with him, and pursued him seven days’ journey. He overtook him in the mountain of Gilead.
Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
24 God came to Laban the Syrian in a dream of the night, and said to him, “Be careful that you don’t speak to Jacob either good or bad.”
Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Labana Syriana tamin’ ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Laban caught up with Jacob. Now Jacob had pitched his tent in the mountain, and Laban with his relatives encamped in the mountain of Gilead.
Ary Labana dia nahatratra an’ i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr’ i Gileada.
26 Laban said to Jacob, “What have you done, that you have deceived me, and carried away my daughters like captives of the sword?
Ary hoy Labana tamin’ i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin’ ny sabatra?
27 Why did you flee secretly, and deceive me, and didn’t tell me, that I might have sent you away with mirth and with songs, with tambourine and with harp;
Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin’ ny fifaliana sy ny hira, amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga,
28 and didn’t allow me to kiss my sons and my daughters? Now have you done foolishly.
sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
29 It is in the power of my hand to hurt you, but the God of your father spoke to me last night, saying, ‘Be careful that you don’t speak to Jacob either good or bad.’
Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30 Now, you want to be gone, because you greatly longed for your father’s house, but why have you stolen my gods?”
Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?
31 Jacob answered Laban, “Because I was afraid, for I said, ‘Lest you should take your daughters from me by force.’
Dia namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32 Anyone you find your gods with shall not live. Before our relatives, discern what is yours with me, and take it.” For Jacob didn’t know that Rachel had stolen them.
Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan’ ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr’ i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
33 Laban went into Jacob’s tent, into Leah’s tent, and into the tent of the two female servants; but he didn’t find them. He went out of Leah’s tent, and entered into Rachel’s tent.
Ary Labana niditra tao an-dain’ i Jakoba sy tao an-dain’ i Lea ary tao an-dain’ ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain’ i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34 Now Rachel had taken the teraphim, put them in the camel’s saddle, and sat on them. Laban felt around all the tent, but didn’t find them.
Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin’ ny laselin’ ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran’ ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35 She said to her father, “Don’t let my lord be angry that I can’t rise up before you; for I’m having my period.” He searched, but didn’t find the teraphim.
Ary hoy Rahely tamin’ ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
36 Jacob was angry, and argued with Laban. Jacob answered Laban, “What is my trespass? What is my sin, that you have hotly pursued me?
Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’ i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Now that you have felt around in all my stuff, what have you found of all your household stuff? Set it here before my relatives and your relatives, that they may judge between us two.
Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan’ ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
38 “These twenty years I have been with you. Your ewes and your female goats have not cast their young, and I haven’t eaten the rams of your flocks.
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho.
39 That which was torn of animals, I didn’t bring to you. I bore its loss. Of my hand you required it, whether stolen by day or stolen by night.
Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
40 This was my situation: in the day the drought consumed me, and the frost by night; and my sleep fled from my eyes.
Nony antoandro matin’ ny hain’ andro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
41 These twenty years I have been in your house. I served you fourteen years for your two daughters, and six years for your flock, and you have changed my wages ten times.
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin’ ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’ osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
42 Unless the God of my father, the God of Abraham, and the fear of Isaac, had been with me, surely now you would have sent me away empty. God has seen my affliction and the labour of my hands, and rebuked you last night.”
Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
43 Laban answered Jacob, “The daughters are my daughters, the children are my children, the flocks are my flocks, and all that you see is mine! What can I do today to these my daughters, or to their children whom they have borne?
Dia namaly Labana ka nanao tamin’ i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman’ osy ireo dia ondry aman’ osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin’ ireto zanako-vavy, na amin’ ny zanany naterany?
44 Now come, let’s make a covenant, you and I. Let it be for a witness between me and you.”
Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
45 Jacob took a stone, and set it up for a pillar.
Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
46 Jacob said to his relatives, “Gather stones.” They took stones, and made a heap. They ate there by the heap.
Ary hoy Jakoba tamin’ ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan’ ny antontam-bato izy rehetra.
47 Laban called it Jegar Sahadutha, but Jacob called it Galeed.
Ary ny anaran’ ny antontam-bato dia nataon’ i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
48 Laban said, “This heap is witness between me and you today.” Therefore it was named Galeed
Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
49 and Mizpah, for he said, “The LORD watch between me and you, when we are absent one from another.
Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
50 If you afflict my daughters, or if you take wives in addition to my daughters, no man is with us; behold, God is witness between me and you.”
Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
51 Laban said to Jacob, “See this heap, and see the pillar, which I have set between me and you.
Ary hoy indray Labana tamin’ i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
52 May this heap be a witness, and the pillar be a witness, that I will not pass over this heap to you, and that you will not pass over this heap and this pillar to me, for harm.
dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
53 The God of Abraham, and the God of Nahor, the God of their father, judge between us.” Then Jacob swore by the fear of his father, Isaac.
Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.
54 Jacob offered a sacrifice in the mountain, and called his relatives to eat bread. They ate bread, and stayed all night in the mountain.
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
55 Early in the morning, Laban rose up, and kissed his sons and his daughters, and blessed them. Laban departed and returned to his place.
Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ ny fonenany.

< Genesis 31 >