< Judges 18 >

1 In those days there was no king in Israel: and in those days the tribe of the Danites sought for themselves an inheritance to dwell in; for to that day all their inheritance had not fallen to them among the tribes of Israel.
Ary tamin’ izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely; ary tamin’ izany andro izany kosa ny firenen’ i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin’ izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin’ ny firenen’ Isiraely izy.
2 And the children of Dan sent of their family five men from their land, men of valour, from Zorah, and from Eshtaol, to spy out the land, and to search it; and they said to them, Go, search the land: who when they came to mount Ephraim, to the house of Micah, they lodged there.
Ary ny taranak’ i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin’ ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima tao an-tranon’ i Mika izy, dia nandry tao.
3 When they were by the house of Micah, they knew the voice of the young man the Levite: and they turned in there, and said to him, Who brought thee here? and what makest thou in this place? and what hast thou here?
Rehefa mby teo akaikin’ ny tranon’ i Mika izy, dia fantany ny feon’ ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
4 And he said to them, Thus and thus dealeth Micah with me, and hath hired me, and I am his priest.
Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon’ i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
5 And they said to him, Ask counsel, we pray thee, of God, that we may know whether our way which we go shall be prosperous.
Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin’ Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin’ ny lalana alehanay izahay, na tsia.
6 And the priest said to them, Go in peace: before the LORD is your way in which ye go.
Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan’ i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
7 Then the five men departed, and came to Laish, and saw the people that were in it, how they dwelt careless, after the manner of the Zidonians, quiet and secure; and there was no magistrate in the land, that might put them to shame in any thing; and they were far from the Zidonians, and had no business with any man.
Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
8 And they came to their brethren to Zorah and Eshtaol: and their brethren said to them, What say ye?
Dia nandeha ho any amin’ ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
9 And they said, Arise, that we may go up against them: for we have seen the land, and, behold, it is very good: and are ye still? be not slothful to go, and to enter to possess the land.
Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
10 When ye go, ye shall come to a people secure, and to a large land: for God hath given it into your hands; a place where there is no want of any thing that is on the earth.
Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin’ ny olona tsy manana ahiahy sy any amin’ ny tany malalaka; fa efa natolotr’ Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin’ ny tany.
11 And there went from there of the family of the Danites, out of Zorah and out of Eshtaol, six hundred men appointed with weapons of war.
Dia nisy niainga avy tamin’ ny fokon’ i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany.
12 And they went up, and encamped in Kirjathjearim, in Judah: therefore they called that place Mahanehdan to this day: behold, it is behind Kirjathjearim.
Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran’ izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan’ i Kiriata-jearima izany).
13 And they passed from there to mount Ephraim, and came to the house of Micah.
Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia tonga tao an-tranon’ i Mika.
14 Then answered the five men that went to spy out the country of Laish, and said to their brethren, Do ye know that there is in these houses an ephod, and teraphim, and a graven image, and a molten image? now therefore consider what ye have to do.
Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin’ ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin’ ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina? koa hevero izay hataonareo.
15 And they turned aside there, and came to the house of the young man the Levite, even to the house of Micah, and greeted him.
Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon’ ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon’ i Mika, ka niarahaba azy.
16 And the six hundred men appointed with their weapons of war, who were of the children of Dan, stood by the entrance of the gate.
Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany, izay avy tamin’ ny taranak’ i Dana, dia nijanona teo anoloan’ ny vavahady.
17 And the five men that went to spy out the land went up, and came in there, and took the graven image, and the ephod, and the teraphim, and the molten image: and the priest stood in the entrance of the gate with the six hundred men that were appointed with weapons of war.
Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin’ ny enin-jato lahy efa voaomana tamin’ ny fiadiany nijanona teo anoloan’ ny vavahady.
18 And these went into Micah’s house, and brought the carved image, the ephod, and the teraphim, and the molten image. Then said the priest to them, What do ye?
Dia niditra tao an-tranon’ i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
19 And they said to him, Hold thy peace, lay thy hand upon thy mouth, and go with us, and be to us a father and a priest: is it better for thee to be a priest to the house of one man, or that thou shouldest be a priest to a tribe and a family in Israel?
Dia hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin’ ny firenena iray sy ny foko iray amin’ ny Isiraely?
20 And the priest’s heart was glad, and he took the ephod, and the teraphim, and the graven image, and went in the midst of the people.
Dia faly ny fon’ ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin’ ny olona izy.
21 So they turned and departed, and put the little ones and the cattle and the possessions before them.
Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman’ ondry mbamin’ ny entany tsara dia nataony teo alohany.
22 And when they were a good way from the house of Micah, the men that were in the houses near to Micah’s house were gathered together, and overtook the children of Dan.
Ary rehefa lasa lavitra ny tranon’ i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin’ i Mika ka nahatratra ny taranak’ i Dana.
23 And they cried to the children of Dan. And they turned their faces, and said to Micah, What aileth thee, that thou comest with such a company?
Dia niantso ny taranak’ i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin’ i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?
24 And he said, Ye have taken away my gods which I made, and the priest, and ye have gone away: and what have I more? and what is this that ye say to me, What aileth thee?
Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
25 And the children of Dan said to him, Let not thy voice be heard among us, lest angry fellows rush upon thee, and thou lose thy life, with the lives of thy household.
Dia hoy ny taranak’ i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
26 And the children of Dan departed: and when Micah saw that they were too strong for him, he turned and went back to his house.
Dia nandeha tamin’ ny nalehany ny taranak’ i Dana; ary rehefa hitan’ i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27 And they took the things which Micah had made, and the priest which he had, and came to Laish, to a people that were at quiet and secure: and they smote them with the edge of the sword, and burnt the city with fire.
Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon’ i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin’ ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin’ ny afo.
28 And there was no deliverer, because it was far from Zidon, and they had no business with any man; and it was in the valley that lieth by Bethrehob. And they built a city, and dwelt in it.
Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an’ i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory izy, sady teo amin’ ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29 And they called the name of the city Dan, after the name of Dan their father, who was born to Israel: but the name of the city was Laish at the first.
Ary ny anaran’ ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran’ i Dana rainy, izay naterak’ Isiraely; kanefa Laisy no anaran’ ny tanàna taloha.
30 And the children of Dan set up the graven image: and Jonathan, the son of Gershom, the son of Manasseh, he and his sons were priests to the tribe of Dan until the day of the captivity of the land.
Dia natsangan’ ny taranak’ i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak’ i Gersoma, zanak’ i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an’ ny firenen’ i Dana hatramin’ ny andro namaboana ny tany.
31 And they set up for themselves Micah’s graven image, which he made, all the time that the house of God was in Shiloh.
Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon’ i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan’ ny tranon’ Andriamanitra tao Silo.

< Judges 18 >