< Isaiah 56 >

1 Thus saith the LORD, Keep ye judgment, and do justice: for my salvation is near to come, and my righteousness to be revealed.
Izao no lazain’ i Jehovah: Tandremo ny rariny, ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
2 Blessed is the man that doeth this, and the son of man that layeth hold on it; that keepeth the sabbath from profaning it, and keepeth his hand from doing any evil.
Sambatra ny zanak’ olombelona izay manao izany, ary ny zanak’ olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
3 Neither let the son of the foreigner, that hath joined himself to the LORD, speak, saying, The LORD hath utterly separated me from his people: neither let the eunuch say, Behold, I am a dry tree.
Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin’ i Jehovah tsy ho isan’ ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
4 For thus saith the LORD to the eunuchs that keep my sabbaths, and choose the things that please me, and take hold of my covenant;
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ny amin’ ny ionoka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
5 Even to them will I give in my house and within my walls a place and a name better than of sons and of daughters: I will give them an everlasting name, that shall not be cut off.
Dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ ny zanakalahy sy ny zanakavavy; dia anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
6 Also the sons of the foreigner, that join themselves to the LORD, to serve him, and to love the name of the LORD, to be his servants, every one that keepeth the sabbath from profaning it, and taketh hold of my covenant;
Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’ i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’ i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masìna sady mitana ny fanekeko
7 Even them will I bring to my holy mountain, and make them joyful in my house of prayer: their burnt offerings and their sacrifices shall be accepted upon my altar; for my house shall be called an house of prayer for all people.
Dia ho entiko ho any an-tendrombohitro masìna, ka hampifaliko ao an-tranoko fivavahana; ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hafa alatsa-drà dia hankasitrahana eo ambonin’ ny alitarako, fa ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra.
8 The Lord GOD who gathereth the outcasts of Israel, Yet will I gather others to him, besides those that are gathered to him.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
9 All ye beasts of the field, come to devour, yea, all ye beasts in the forest.
He, ianareo bibi-dia rehetra! Avia hihinana, ianareo biby rehetra any an’ ala.
10 His watchmen are blind: they are all ignorant, they are all dumb dogs, they cannot bark; sleeping, lying down, loving to slumber.
Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
11 Yea, they are greedy dogs which can never have enough, and they are shepherds that cannot understand: they all look to their own way, every one for his gain, from his quarter.
Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin’ ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin’ ny filàny harena avokoa izy rehetra.
12 Come ye, say they, I will bring wine, and we will fill ourselves with strong drink; and to morrow shall be as this day, and much more abundant.
Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza

< Isaiah 56 >