< 2 Corinthians 2 >

1 For my own sake, as well, I decided not to pay you another painful visit.
Fa ninia toy izao tato am-poko aho, dia ny tsy hankatỳ aminareo indray amin’ alahelo.
2 If it is I who cause you pain, why, who is there to cheer me, except the person whom I am paining?
Fa raha mampalahelo anareo aho, iza moa no mampifaly ahy, afa-tsy ilay nampalaheloviko ihany?
3 So I wrote as I did because I was afraid that if I had come, I should have been pained by those who ought to have made me glad; for I felt sure that it was true of you all that my joy was in every case yours also.
Ary nanoratra izany indrindra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahazo alahelo amin’ izay tokony hifaliako, satria matoky anareo rehetra aho, fa ny fifaliako dia anareo rehetra koa.
4 I wrote to you in sore trouble and distress of heart and with many tears, not to give you pain, but to let you see how intense a love I have for you.
Fa tamin’ ny haben’ ny fahoriana sy ny alahelon’ ny foko no nanoratako taminareo tamin’ ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra.
5 Now whoever has caused the pain has not so much pained me, as he has, to some extent – not to be too severe – pained every one of you.
Fa raha nisy efa nampalahelo, dia tsy nampalahelo ahy ihany izy (nefa tsy ta-hanao teny mafy loatra aho), fa mba nampalahelo anareo rehetra koa.
6 The man to whom I refer has been sufficiently punished by the penalty inflicted by the majority of you;
Ampy ho amin’ izany olona izany ny fampijaliana nataon’ ny maro,
7 so that now you must take the opposite course, and forgive and encourage him, or else he may be overwhelmed by the intensity of his pain.
ka dia aleo mamela heloka sy mampifaly azy kosa ianareo, fandrao dia resin’ ny fitomboan’ alahelo izany olona izany.
8 So I entreat you to assure him of your love.
Koa mananatra anareo aho mba hekenareo horaisina tsara amin’ ny fitiavana izy.
9 I had this further object, also, in what I wrote – to find out whether you might be relied on to be obedient in everything.
Fa izany koa no nanoratako, mba ho fantatro izay toetrareo, na manaiky amin’ ny zavatra rehetra ianareo, na tsia.
10 Anyone you forgive, I forgive them, too. Indeed, for my part, whatever I have forgiven (if I have had to forgive anything), I have forgiven for your sakes, in the presence of Christ,
Fa izay avelanareo heloka dia mba avelako heloka koa; ary izaho anefa, raha nisy heloka navelako, dia noho ny aminareo no namelako azy teo imason’ i Kristy,
11 so as to prevent Satan from taking advantage of us; for we are not ignorant of his devices.
fandrao ho resin’ ny fitak’ i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny.
12 When I went to the district round Troas to tell the good news of the Christ, even though there was an opening for serving the Master,
Ary rehefa tonga tany Troasy hitory ny filazantsaran’ i Kristy aho, ka novohana varavarana ao amin’ ny Tompo,
13 I could get no peace of mind because I failed to find Titus, my friend; so I took leave of the people there, and went on to Macedonia.
dia tsy tafandry ny fanahiko, satria tsy nahita an’ i Titosy rahalahiko aho; fa nanao veloma ny olona aho, dia niala teo nankany Makedonia.
14 All thanks to God, who, through our union with the Christ, leads us in one continual triumph, and uses us to spread the sweet perfume of the knowledge of him in every place.
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay mitondra anay mandrakariva ao amin’ i Kristy toy ny fanaon’ izay avy nandresy, ka dia ampisehoany ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny izahay.
15 For we are the fragrance of Christ ascending to God – both among those who are in the path of salvation and among those who are in the path to ruin.
Fa hanitr’ i Kristy ho an’ Andriamanitra izahay amin’ izay hovonjena sy izay ho very:
16 To the latter we are a stench which arises from death and tells of death; to the former a fragrance which arises from life and tells of life. But who is equal to such a task?
amin’ ny sasany dia hanitra avy amin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana; fa amin’ ny sasany kosa dia hanitra avy amin’ ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Koa iza moa no antonona ho amin’ izany zavatra izany?
17 Unlike many people, we are not in the habit of making profit out of God’s message; but in all sincerity, and bearing God’s commission, we speak before him in union with Christ.
Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.

< 2 Corinthians 2 >