< Revelation 1 >

1 This is the Revelation of Jesus Christ, which God gave him to show to his servants the things which must happen soon, which he sent and made known by his angel to his servant, John,
Ny Fanambaran’ i Jesosy Kristy, izay nomen’ Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’ i Jaona mpanompony,
2 who testified to God's word, and of the testimony of Jesus Christ, about everything that he saw.
Izay nanambara ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
3 Blessed is he who reads and those who hear the words of the prophecy, and keep the things that are written in it, for the time is near.
Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin’ ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
4 John, to the seven churches that are in Asia: Grace to you and peace, from him who is and who was and who is to come; and from the seven Spirits who are before his throne;
Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin’ ny Fanahy fito izay eo anoloan’ ny seza fiandrianany;
5 and from Jesus Christ, the faithful witness, the firstborn of the dead, and the ruler of the kings of the earth. To him who loves us, and freed us from our sins by his blood;
ary avy amin’ i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ ny maty ary Lehiben’ ny mpanjaka amin’ ny tany. Ho an’ izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin’ ny fahotantsika tamin’ ny ràny,
6 and he made us to be a Kingdom, priests to his God and Father; to him be the glory and the dominion forever and ever. Amen. (aiōn g165)
sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’ Andriamanitra Ray, ― ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
7 Look, he is coming with the clouds, and every eye will see him, including those who pierced him. And all the tribes of the earth will mourn over him. Even so, Amen.
Indro Izy avy amin’ ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ ny tany. Eny, Amena.
8 "I am the Alpha and the Omega," says the Lord God, "who is and who was and who is to come, the Almighty."
Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
9 I John, your brother and fellow-partner with you in persecution, Kingdom, and patient endurance in Jesus, was on the island that is called Patmos because of the word of God and the testimony of Jesus.
Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.
10 I was in the Spirit on the Lord's day, and I heard behind me a loud voice, like a trumpet
Voatsindrin’ ny Fanahy tamin’ ny Andron’ ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon’ ny trompetra,
11 saying, "What you see, write on a scroll and send to the seven churches: to Ephesus, Smyrna, Pergamum, Thyatira, Sardis, Philadelphia, and to Laodicea."
nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ ny boky, ka ampitondray ho any amin’ ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.
12 I turned to see the voice that spoke with me. Having turned, I saw seven golden lampstands.
Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
13 And among the lampstands was one like a son of man, clothed with a robe reaching down to his feet, and with a golden sash around his chest.
ary teo afovoan’ ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’ olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
14 His head and his hair were white as white wool, like snow. His eyes were like a flame of fire.
Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon’ ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
15 His feet were like burnished bronze, as if it had been refined in a furnace. His voice was like the voice of many waters.
ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin’ ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon’ ny rano be.
16 He had seven stars in his right hand. Out of his mouth proceeded a sharp two-edged sword. His face was like the sun shining at its brightest.
Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny.
17 When I saw him, I fell at his feet like a dead man. He laid his right hand on me, saying, "Do not be afraid. I am the first and the last,
Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan’ ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin’ ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
18 and the Living one. I was dead, but look, I am alive forevermore. I have the keys of Death and of hell. (aiōn g165, Hadēs g86)
dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. (aiōn g165, Hadēs g86)
19 Write therefore the things which you have seen, and the things which are, and the things which will happen hereafter;
Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay,
20 the mystery of the seven stars which you saw in my right hand, and the seven golden lampstands. The seven stars are the angels of the seven churches. The seven lampstands are seven churches.
dia ny zava-miafina ny amin’ ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin’ ny fiangonana fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana fito.

< Revelation 1 >