< Revelation 15 >

1 I saw another great and marvelous sign in the sky: seven angels having the seven last plagues, for in them God's wrath is finished.
Ary hitako fa, indro, nisy famantarana iray koa tany an-danitra, sady lehibe mahagaga, dia anjely fito izay nanana ny Ioza fito farany, Satria ireny no enti-mahatanteraka ny fahatezeran’ Andriamanitra.
2 I saw something like a sea of glass mixed with fire, and those who overcame the beast, his image, and the number of his name, standing on the sea of glass, having harps of God.
Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra.
3 They sang the song of Moses, the servant of God, and the song of the Lamb, saying, "Great and marvelous are your works, Lord God Almighty. Righteous and true are your ways, King of the nations.
Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
4 Who would not fear you, Lord, and glorify your name? For you only are holy. For all the nations will come and worship before you. For your righteous acts have been revealed."
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masìna, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
5 After these things I looked, and the temple of the tabernacle of the testimony in heaven was opened.
Ary rehefa afaka izany, dia nahita aho fa, indro, novohana ny tempoly, dia ny tabernakelin’ ny vavolombelona tany an-danitra;
6 The seven angels came out of the temple who had the seven plagues, clothed with pure, bright linen, and wearing golden sashes around their chests.
ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
7 One of the four living creatures gave to the seven angels seven golden bowls full of the wrath of God, who lives forever and ever. (aiōn g165)
Ary ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra nanome ny anjely fito lovia volamena fito, feno ny fahatezeran’ Andriamanitra, Izay velona mandrakizay mandrakizay. (aiōn g165)
8 The temple was filled with smoke from the glory of God, and from his power. No one was able to enter into the temple, until the seven plagues of the seven angels would be finished.
Ary ny tempoly dia feno setroka avy tamin’ ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny, ka tsy nisy nahazo niditra tao amin’ ny tempoly mandra-pahatanteraky ny loza fito nentin’ ny anjely fito.

< Revelation 15 >