< 2 Samuel 12 >

1 The LORD sent Nathan to David. He came to him, and said to him, "There were two men in one city; the one rich, and the other poor.
Ary Jehovah naniraka an’ i Natana hankao amin’ i Davida. Ary dia tonga tao aminy izy ka nanao taminy hoe: Nisy olona roa lahy tao an-tanàna anankiray, ny iray manan-karena, ary ny iray malahelo.
2 The rich man had very many flocks and herds,
Ilay manan-karena nanana ondry aman’ osy sy omby betsaka;
3 but the poor man had nothing, except one little ewe lamb, which he had bought and raised. It grew up together with him, and with his children. It ate of his own food, drank of his own cup, and lay in his bosom, and was to him like a daughter.
fa ilay malahelo kosa tsy nanana na inona na inona afa-tsy zanak’ ondry vavy kely iray monja izay novidiny; ary nokolokoloiny tsara io ka nitombo teo aminy sy ny zanany; fa tamin’ ny hanin-kelin-dralehilahy no nihinanany, ary tamin’ ny kapoakany no nisotroany, sady notrotroiny teo an-tratrany izy ka nataony toy ny zananivavy.
4 A traveler came to the rich man, and he spared to take of his own flock and of his own herd, to dress for the wayfaring man who had come to him, but took the poor man's lamb, and dressed it for the man who had come to him."
Ary nisy vahiny tonga tao amin’ ilay manan-karena, nefa ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny notsitsiny ka tsy nangalany hatao nahandro ho an’ ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny zanak’ ondry vavin’ ilay malahelo kosa no nalainy, ka dia nataony nahandro ho an’ ilay olona tonga tao aminy.
5 David's anger was greatly kindled against the man, and he said to Nathan, "As the LORD lives, the man who has done this is worthy to die.
Dia nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Davida tamin’ izany olona izany, ka hoy izy tamin’ i Natana: Raha velona koa Jehovah, tsy maintsy hatao maty izay olona nanao izany;
6 He shall restore the lamb fourfold, because he did this thing, and because he had no pity."
ary ilay zanak’ ondry vavy tsy maintsy honerany efatra heny noho ny nanaovany izany zavatra izany sy noho ny tsy namindrany fo.
7 Nathan said to David, "You are the man. This is what the LORD, the God of Israel, says: 'I anointed you king over Israel, and I delivered you out of the hand of Saul.
Dia hoy Natana tamin’ i Davida: Hianao no izy. Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nanosotra anao ho mpanjakan’ ny Isiraely ka namonjy anao ho afaka tamin’ ny tànan’ i Saoly;
8 I gave you your master's house, and your master's wives into your bosom, and gave you the house of Israel and of Judah; and if that would have been too little, I would have added to you many more such things.
ary nomeko anao ny tranon’ ny tomponao sy ny vadin’ ny tomponao ho andefimandrinao, ary nomeko anao koa ny firenen’ Isiraely sy Joda; ary raha mbola tsy ampy ho anao izany, dia ho nomeko bebe kokoa ianao;
9 Why have you despised the LORD, to do that which is evil in his sight? You have struck Uriah the Hethite with the sword, and have taken his wife to be your wife, and have slain him with the sword of the people of Ammon.
koa nahoana ianao no nanamavo ny tenin’ i Jehovah ka nanao izay ratsy eo imasony? Oria Hetita nasianao ny sabatra, ary ny vadiny nalainao ho vadinao. Eny, efa novonoinao tamin’ ny sabatry ny taranak’ i Amona izy.
10 Now therefore the sword will never depart from your house, because you have despised me, and have taken the wife of Uriah the Hethite to be your wife.'
Koa noho izany dia tsy hiala amin’ ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra, satria nanamavo Ahy ianao ka naka ny vadin’ i Oria Hetita ho vadinao.
11 "This is what the LORD says: 'Look, I will raise up evil against you out of your own house; and I will take your wives before your eyes, and give them to your neighbor, and he will lie with your wives in the sight of this sun.
Izao koa no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ ny vadinao amin’ izao antoandrobenanahary izao.
12 For you did it secretly, but I will do this thing before all Israel, and before the sun.'"
Fa ianao nanao izany tao amin’ ny mangingina, ary Izaho kosa haneho izany zavatra izany eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra sy amin’ izao antoandrobenanahary izao.
13 David said to Nathan, "I have sinned against the LORD." Nathan said to David, "The LORD also has put away your sin. You will not die.
Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
14 However, because by this deed you have shown utter contempt for the LORD, the child also who is born to you shall surely die."
Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’ i Jehovah amin’ izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
15 Then Nathan went to his home. And God struck the child that Uriah's wife bore to David, and it was very sick.
Ary Natana nody tany an-tranony. Ary Jehovah namely ny zaza izay nateraky ny vadin’ i Oria tamin’ i Davida, ka dia narary be ny zaza.
16 Then David sought from God on behalf of the child. And David fasted, and went in and lay all night on the ground.
Ary nifona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin’ ny tany mandritra ny alina.
17 And the elders of his house approached him to lift him up from the ground, but he was unwilling, and he would not eat food with them.
Ary ny loholona tao an-tranony nitsangana nankao aminy hampiarina azy amin’ ny tany; nefa tsy nety izy sady tsy nety niara-nihinan-kanina taminy.
18 It happened on the seventh day, that the child died. The servants of David feared to tell him that the child was dead; for they said, "Look, while the child was yet alive, we spoke to him, and he did not listen to our voice. How will he then harm himself, if we tell him that the child is dead?"
Ary nony nandray hafitoana, dia maty ny zaza; ary ny mpanompon’ i Davida natahotra hilaza ny nahafatesan’ ny zaza aminy, fa hoy ireo: Indro, fony mbola velona aza ny zaza, raha niteny taminy isika, dia tsy nohenoiny ny feontsika, koa hataontsika ahoana no filaza aminy ny fahafatesan’ ny zaza? fandrao hanimba tena izy.
19 But when David noticed that his servants were whispering together, David perceived that the child was dead; and David said to his servants, "Is the child dead?" They said, "He is dead."
Ary nony hitan’ i Davida fa nitakoritsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ny zaza; ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Maty va ny zaza? Ary hoy ireo: Maty.
20 Then David arose from the ground, and washed, and anointed himself, and changed his clothing; and he came into the house of the LORD, and worshiped. Then he went to his own house, and he asked for bread to eat. And they set bread before him, and he ate.
Dia niarina tsy nandry tamin’ ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin’ ny tranon’ i Jehovah ka niankohoka; ary dia nody tany an-tranony izy ka niantso mba hisy handroso hanina eo anoloany, dia nihinana izy.
21 Then his servants said to him, "What is this that you have done? You fasted and wept and kept vigil for the child while he was alive; but when the child was dead, you rose up and ate bread."
Ary hoy ny mpanompony taminy: Ahoana izao zavatra nataonao izao? Fa fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany ianao, fa rehefa maty ny zaza, dia niarina sy nihinan-kanina kosa.
22 He said, "While the child was yet alive, I fasted and wept; for I said, 'Who knows whether the LORD will not be gracious to me, that the child may live?'
Ary hoy izy: Fony mbola velona ny zaza, dia nifady hanina sy nitomany tokoa aho: fa hoy izaho: Iza moa no mahalala na mba hamindra fo amiko Jehovah ka hahavelona ny zaza, na tsia?
23 But now he is dead, why should I fast? Can I bring him back? I shall go to him, but he will not return to me."
Kanjo maty izy izao, ka nahoana aho no hifady hanina intsony? Mahay mampiverina azy va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina etỳ amiko intsony.
24 David comforted Bathsheba his wife, and went in to her, and lay with her. She bore a son, and he called his name Solomon. The LORD loved him;
Ary Davida nampionona an’ i Batseba vadiny, dia niditra tao aminy ka nandry taminy; ary niteraka zazalahy izy, ka ny anarany nataony hoe Solomona. Ary Jehovah tia azy,
25 and he sent by the hand of Nathan the prophet; and he named him Jedidiah, for the LORD's sake.
dia naniraka an’ i Natana mpaminany ka nanao ny anaran’ ny zaza hoe Jedidia noho ny amin’ i Jehovah.
26 Now Joab fought against Rabbah of the people of Ammon, and took the royal city.
Ary Joaba namely an’ i Raban’ ny taranak’ i Amona ka nahafaka ny tanànan’ ny mpanjaka.
27 Joab sent messengers to David, and said, "I have fought against Rabbah, and have also taken the water supply of the city.
Ary Joaba naniraka olona tany amin’ i Davida nanao hoe: Namely an’ i Raba aho ka nahafaka ny tanàna misy rano.
28 Now therefore gather the rest of the people together, and besiege the city and capture it yourself, or I will capture the city, and it will be named after me."
Koa vorio ny olona sisa izao, ka mitobia hamely ny tanàna, ary aoka ho afakao izy; fandrao izaho no hahafaka ny tanàna, ka dia hotononina araka ny anarako izy.
29 David gathered all the people together, and went to Rabbah, and fought against it, and took it.
Ary Davida namory ny vahoaka rehetra, dia nankany Raba ka namely azy ary nahafaka azy.
30 He took the crown of their king from off his head; and its weight was a talent of gold, and in it were precious stones; and it was set on David's head. He brought out the spoil of the city, a very great amount.
Dia nesoriny ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teny an-dohany talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany tao an-tanàna ny babo azo, ka be dia be ireny.
31 He brought out the people who were in it, and put them to work with saws, and iron picks, and iron axes, and to labor at the brick kiln. And he did the same to all the cities of the people of Ammon. David and all the people returned to Jerusalem.
Ary dia navoakany koa ny olona teo ka nataony teo amin’ ny tsofa sy ny fangao-by lehibe ary ny famaky vy, ary nataony tao anatin’ ny fandoroam-biriky; toy izany no nataony tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.

< 2 Samuel 12 >