< Exodus 9 >

1 Then the Lord said vnto Moses, Go to Pharaoh, and tell him, Thus saith the Lord God of the Ebrewes, Let my people go, that they may serue me.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
2 But if thou refuse to let them goe, and wilt yet holde them still,
Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, fa mbola mihazona azy ihany,
3 Beholde, the hande of the Lord is vpon thy flocke which is in the fielde: for vpon the horses, vpon the asses, vpon the camels, vpon the cattell, and vpon the sheepe shalbe a mightie great moraine.
dia, indro, ny tànan’ i Jehovah ho amin’ ny bibinao izay any an-tsaha, dia amin’ ny soavaly sy amin’ ny boriky sy amin’ ny rameva sy amin’ ny omby ary amin’ ny ondry aman’ osy, ka hisy areti-mandringana mafy indrindra.
4 And the Lord shall doe wonderfully betweene the beastes of Israel, and the beastes of Egypt: so that there shall nothing dye of all, that pertaineth to the children of Israel.
Ary Jehovah dia hanavaka ny bibin’ ny Isiraely amin’ ny bibin’ ny Egyptiana, ka tsy hisy maty izay rehetra an’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray aza.
5 And the Lord appointed a time, saying, To morowe the Lord shall finish this thing in this lande.
Dia nanendry fotoan’ andro Jehovah ka nanao hoe: Rahampitso no hanaovan’ i Jehovah izany zavatra izany eto amin’ ny tany.
6 So the Lord did this thing on the morow, and all the cattel of Egypt dyed: but of the cattell of the children of Israel dyed not one.
Ary nony ampitso dia nataon’ i Jehovah izany zavatra izany; ka maty avokoa ny bibin’ ny Egyptiana rehetra; fa ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely kosa tsy mba nisy maty na dia iray akory aza.
7 Then Pharaoh sent, and beholde, there was not one of the cattell of the Israelites dead: and the heart of Pharaoh was obstinate, and hee did not let the people goe.
Dia naniraka Farao, ka, indro, tsy mba nisy maty ny bibin’ ny Zanak’ Isiraely na dia iray akory aza, nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny olona izy.
8 And the Lord said to Moses and to Aaron, Take your handfull of ashes of the fornace, and Moses shall sprinkle them towarde the heauen in the sight of Pharaoh,
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin’ ny tananao ao amin’ ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin’ i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason’ i Farao izany.
9 And they shall be turned to dust in all the land of Egypt: and it shalbe as a scab breaking out into blisters vpon man, and vpon beast, thorow out all the land of Egypt.
Dia hitora-jofo eran’ ny tany Egypta rehetra izany ka ho tonga vay mipoipoitra amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy eran’ ny tany Egypta rehetra.
10 Then they tooke ashes of the fornace, and stoode before Pharaoh: and Moses sprinkled them towarde the heauen, and there came a scab breaking out into blisters vpon man, and vpon beast.
Dia naka lavenona tamin’ ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Farao; dia natopin’ i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin’ ny olona sy tamin’ ny biby fiompy.
11 And the sorcerers could not stande before Moses, because of the scab: for the scab was vpon the enchanters, and vpon all the Egyptians.
Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan’ i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin’ ny Egyptiana rehetra.
12 And the Lord hardened the heart of Pharaoh, and he hearkened not vnto them, as the Lord had said vnto Moses.
Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy.
13 Also the Lord said vnto Moses, Rise vp early in the morning, and stand before Pharaoh, and tell him, Thus saith the Lord God of the Ebrewes, Let my people goe, that they may serue me.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy
14 For I will at this time send all my plagues vpon thine heart, and vpon thy seruants, and vpon thy people, that thou mayest knowe that there is none like me in all the earth.
Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.
15 For nowe I will stretch out mine hande, that I may smite thee and thy people with the pestilence: and thou shalt perish from the earth.
Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ ny tany ianao.
16 And in deede, for this cause haue I appointed thee, to shewe my power in thee, and to declare my Name throughout all the world.
Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
17 Yet thou exaltest thy selfe against my people, and lettest them not goe.
Mbola mirehareha amin’ ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?
18 Beholde, to morowe this time I will cause to raine a mightie great haile, such as was not in Egypt since the foundation thereof was laid vnto this time.
Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.
19 Send therefore nowe, and gather the cattell, and all that thou hast in the fielde: for vpon all the men, and the beastes, which are found in the field, and not brought home, the haile shall fall vpon them, and they shall die.
Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan’ ny havandra ka ho faty avokoa.
20 Such then as feared the word of the Lord among the seruants of Pharaoh, made his seruants and his cattell flee into the houses:
Ary izay natahotra ny tenin’ i Jehovah teo amin’ ny mpanompon’ i Farao dia nampody ny mpanompony sy ny bibiny ho any an-trano;
21 But such as regarded not the worde of the Lord, left his seruants, and his cattell in the fielde.
fa izay tsy nandatsaka am-po ny tenin’ i Jehovah kosa dia namela ny mpanompony sy ny bibiny tany an-tsaha ihany.
22 And the Lord saide to Moses, Stretche foorth thine hande towarde heauen, that there may be haile in all the land of Egypt, vpon man, and vpon beast, and vpon all the herbes of the fielde in the lande of Egypt.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin’ ny tany Egypta rehetra, dia amin’ ny olona sy amin’ ny biby fiompy ary amin’ ny anana rehetra any an-tsaha eran’ ny tany Egypta.
23 Then Moses stretched out his rod towarde heauen, and the Lord sent thunder and haile, and lightening vpon the ground: and the Lord caused haile to raine vpon the land of Egypt.
Dia nahinjitr’ i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin’ ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin’ ny tany Egypta.
24 So there was haile, and fire mingled with the haile, so grieuous, as there was none throughout all the lande of Egypt, since it was a nation.
Dia nisy havandra sy afo nifandrambondrambona tanelanelan’ ny havandra; dia mafy indrindra izany, ka tsy mbola nisy toy izany tany amin’ ny tany Egypta rehetra hatrizay naha-firenena azy.
25 And the haile smote throughout al ye land of Egypt all that was in the fielde, both man and beast: also ye haile smote all the herbes of ye field, and brake to pieces all the trees of the fielde.
Ary ny havandra namely izay rehetra tany an-tsaha, na olona na biby fiompy, eran’ ny tany Egypta rehetra; ny anana rehetra tany an-tsaha dia nasian’ ny havandra koa, ary ny hazo rehetra tany an-tsaha notapatapahiny.
26 Onely in the lande of Goshen (where the children of Israel were) was no haile.
Fa tao amin’ ny tany Gosena izay nitoeran’ ny Zanak’ Isiraely ihany no tsy mba nisy havandra.
27 Then Pharaoh sent and called for Moses and Aaron, and said vnto them, I haue now sinned: the Lord is righteous, but I and my people are wicked.
Dia naniraka Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’ izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
28 Pray ye vnto the Lord (for it is ynough) that there be no more mightie thunders and haile, and I will let you goe, and yee shall tarie no longer.
Mangataha amin’ i Jehovah, fa aoka izay ny kotrokorana sy ny havandra, dia halefako tsy hitoetra eto intsony ianareo.
29 Then Moses saide vnto him, Assoone as I am out of the citie, I will spreade mine hands vnto the Lord, and the thunder shall cease, neither shall there be any more haile, that thou mayest knowe that the earth is the Lordes.
Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin’ ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin’ i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an’ i Jehovah ny tany.
30 As for thee and thy seruants, I knowe afore I pray ye will feare before the face of the Lord God.
Kanefa fantatro fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitra ihany.
31 (And the flaxe, and the barley were smitten: for the barley was eared, and the flaxe was bolled.
Ary efa naripaka ny rongony sy ny vary hordea; fa efa niteraka ny vary hordea, ary efa namony ny rongony.
32 But the wheat and the rye were not smitten, for they were hid in the grounde)
Fa ny vary tritika sy ny ampemby no tsy mba naripaka, satria mbola fohy ireny.
33 Then Moses went out of the citie from Pharaoh, and spred his hands to the Lord, and the thunder and the haile ceased, neither rained it vpon the earth.
Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nankeo ivelan’ ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony.
34 And when Pharaoh sawe that the raine and the haile and the thunder were ceased, hee sinned againe, and hardened his heart, both he, and his seruants.
Ary nony hitan’ i Farao fa nitsahatra ny ranonorana sy ny havandra ary ny kotrokorana, dia mbola nanota ihany indray izy; ary samy nanamafy ny fony izy sy ny mpanompony.
35 So the heart of Pharaoh was hardened: neither would he let the children of Israel goe, as the Lord had said by Moses.
Dia nihamafy ny fon’ i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak’ Isiraely izy, araka izay efa nampilazain’ i Jehovah an’ i Mosesy.

< Exodus 9 >