< Esther 1 >

1 In the dayes of Ahashuerosh (this is Ahashuerosh that reigned, from India euen vnto Ethiopia, ouer an hundreth, and seuen and twentie prouinces)
Ary tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2 In those dayes when the King Ahashuerosh sate on his throne, which was in the palace of Shushan,
dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3 In the third yeere of his reigne, he made a feast vnto all his princes and his seruants, euen the power of Persia and Media, and to the captaines and gouernours of the prouinces which were before him,
tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
4 That he might shewe the riches and glorie of his kingdome, and the honour of his great maiestie many dayes, euen an hundreth and foure score dayes.
ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
5 And when these dayes were expired, the King made a feast to all the people that were founde in the palace of Shushan, both vnto great and small, seuen dayes, in the court of the garden of the Kings palace,
Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ ny kianjan’ ny tanimbolin’ ny tranon’ ny mpanjaka;
6 Vnder an hanging of white, greene, and blue clothes, fastened with cordes of fine linen and purple, in siluer rings, and pillars of marble: the beds were of golde, and of siluer vpon a pauement of porphyre, and marble and alabaster, and blue colour.
ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin’ ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin’ ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
7 And they gaue them drinke in vessels of golde, and changed vessel after vessel, and royall wine in abundance according to the power of the King.
Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka, ) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
8 And the drinking was by an order, none might compel: for so the King had appoynted vnto all the officers of his house, that they should do according to euery mans pleasure.
Ary ny nisotroan’ ny olona dia araka ny tenin’ andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian’ ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan’ ny olona araka izay sitrapony avy.
9 The Queene Vashti made a feast also for the women in the royall house of King Ahashuerosh.
Ary Vasty, vadin’ ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an’ ny vehivavy koa tao amin’ ny tranom-panjakana, izay an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
10 Vpon the seuenth daye when the King was merie with wine, he commanded Mehuman, Biztha, Harbona, Bigtha, and Abagtha, Zethar, and Carcas, the seuen eunuches, (that serued in the presence of King Ahashuerosh)
Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
11 To bring Queene Vashti before the King with the crowne royall, that he might shewe the people and the princes her beautie: for shee was fayre to looke vpon.
ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
12 But the Queene Vashti refused to come at the Kings worde, which he had giuen in charge to the eunuches: therefore the King was very angry, and his wrath kindled in him.
Fa Vasty, vadin’ ny mpanjaka, nandà ny tenin’ ny mpanjaka nentin’ ny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.
13 Then the King said to the wise men, that knew the times (for so was the Kings maner towards all that knew the law and the iudgement:
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan’ ny mpanjaka teo anatrehan’ izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14 And the next vnto him was Carshena, Shethar, Admatha, Tarshish, Meres, Marsena, and Memucan the seuen princes of Persia and Media, which sawe the Kings face, and sate the first in the kingdome)
ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin’ i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin’ ny mpanjaka ka nipetraka tamin’ ny fitoerana aloha teo amin’ ny fanjakana):
15 What shall we do vnto the Queene Vashti according to the law, because she did not according to the worde of the King Ahashuerosh by the commission of the eunuches?
Ahoana no hanaovana an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin’ ny tsindranolahy izy?
16 Then Memucan answered before the King and the Princes, The Queene Vashti hath not only done euill against the King, but against all the princes, and against all the people that are in all the prouinces of King Ahashuerosh.
Dia namaly Memokana teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin’ ny mpanjaka ihany no nanaovan’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin’ ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka;
17 For the acte of the Queene shall come abroade vnto all women, so that they shall despise their husbands in their owne eyes, and shall say, The King Ahashuerosh comanded Vashti the Queene to be brought in before him, but she came not.
fa hiely any amin’ ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an’ i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18 So shall the princesses of Persia and Media this day say vnto all the Kings Princes, when they heare of the acte of the Queene: thus shall there be much despitefulnesse and wrath.
Ary na dia amin’ izao andro izao aza ny andriambavin’ i Persia sy Media, izay mandre ny nataon’ ny vadin’ ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin’ ny mpanapaka rehetra voatendrin’ ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19 If it please the King, let a royal decree proceede from him, and let it be written among the statutes of Persia, and Media, (and let it not be transgressed) that Vashti come no more before King Ahashuerosh: and let the King giue her royal estate vnto her companion that is better then she.
Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ ny lalàn’ i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’ i Vasty dia aoka homen’ ny mpanjaka ho an’ izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20 And when the decree of the King which shalbe made, shalbe published throughout all his kingdome (though it be great) all the women shall giue their husbands honour, both great and small.
Ary raha torina eran’ ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn’ ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21 And this saying pleased the King and the princes, and the King did according to the worde of Memucan.
Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin’ i Memokana ny mpanjaka,
22 For he sent letters into all the prouinces of the King, into euery prouince according to the writing thereof, and to euery people after their language, that euery man should beare rule in his owne house, and that he should publish it in the language of that same people.
ka nampitondra taratasy izy ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.

< Esther 1 >