< Proverbs 31 >

1 These are the words of King Lemuel, an oracle, taught to him by his mother.
Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
2 What shall I tell you, my son?—the son I gave birth to, the son given in response to my vows.
Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3 Don't waste your strength sleeping with women, those that bring down kings.
Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
4 Lemuel, kings shouldn't be drinking wine, rulers shouldn't be drinking alcohol.
Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;
5 For if they drink, they'll forget what the law says, and pervert the rights of those who are suffering.
Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.
6 Give alcohol to those who are dying, and wine to those who are in terrible distress.
Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;
7 Let them drink so they can forget their poverty, and not remember their troubles any longer.
Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8 Speak up for those who have no voice, for the rights of those marginalized by society.
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
9 Speak up and judge fairly; defend the poor and destitute.
Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
10 Who can find a strong, capable wife? She's worth more than jewels!
Iza no mahita vehivavy tsara? Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
11 Her husband has complete confidence in her, and with her he'll never be poor.
Matoky azy ny fon’ ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
12 She brings him good, not evil, all her life.
Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin’ ny andro rehetra iainany.
13 She gets wool and flax, and with her eager hands turns them into clothes.
Mizaha volon’ ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin’ ny tànany.
14 Like a merchant's ship, she brings food from far away.
Toy ny sambon’ ny mpandranto izy, Ka avy any amin’ ny lavitra no itondrany ny haniny.
15 She gets up while it's still dark to make breakfast for her family, and to plan what her servant girls need to do.
Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an’ ny ankohonany Sy anjara ho an’ ny ankizivaviny.
16 She looks at a field, and decides to buy it; from the money she's earned she buys a vineyard.
Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanim-boaloboka.
17 She's keen to get ready, and works hard with her strong arms.
Misikìna hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny.
18 She knows that the things she makes are valuable. She keeps busy—her lamp burns late into the night.
Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
19 She spins the thread and weaves the cloth.
Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela.
20 She's generous to the poor, and gives help to the needy.
Manatsotra ny tànany amin’ ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin’ ny mahantra.
21 She doesn't worry if it snows, because her whole family has warm clothing.
Tsy manahy ny oram-panala ho amin’ ny ankohonany izy, Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon’ ondry mena avokoa.
22 She makes herself bedspreads; she dresses in fine linen and purple clothes.
Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
23 Her husband is well-respected in the council at the town gates, where he sits with the town elders.
Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin’ ny loholona.
24 She makes linen clothes for sale, and supplies merchants with belts.
Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin’ ny mpandranto.
25 She's clothed with strength and dignity, and she is happy about the future.
Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
26 She speaks wise words, and she's kind when she gives instructions.
Manokatra ny vavany amin’ ny fahendrena izy; Ary ny lalàn’ ny famindram-po no eo amin’ ny lelany.
27 She looks after the needs of her whole household, and she's never idle.
Mitandrina tsara ny ataon’ ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon’ ny fahalainana.
28 Her children are quick to bless her. Her husband praises her too, saying,
Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
29 “Many women do great things, but you are better than all of them!”
Maro no zazavavy nanao soa, Fa ianao manoatra noho izy rehetra.
30 Charm can deceive, and beauty fades, but a woman who honors the Lord should be praised.
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’ i Jehovah ihany no hoderaina.
31 Give her the recognition she deserves; praise her publicly for what she's done.
Omeo azy ny avy amin’ ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady.

< Proverbs 31 >