< Genesis 32 >

1 Likewise, Jacob continued on the journey that he had begun. And the Angels of God met him.
Ary Jakoba nizotra tamin’ ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin’ Andriamanitra nitsena azy.
2 When he had seen them, he said, “These are the Encampments of God.” And he called the name of that place Mahanaim, that is, ‘Encampments.’
Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin’ Andriamanitra ity; ary ny anaran’ izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
3 Then he also sent messengers before him to his brother Esau, in the land of Seir, in the region of Edom.
Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin’ i Esao rahalahiny, ho any Seïra, tanin’ i Edoma.
4 And he instructed them, saying: “You shall speak in this way to my lord Esau: ‘Your brother Jacob says these things: “I have sojourned with Laban, and I have been with him until the present day.
Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Esao tompoko: Izao no tenin’ i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin’ i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
5 I have oxen, and donkeys, and sheep, and men servants, and women servants. And now I send an ambassador to my lord, so that I may find favor in your sight.”’”
ary manana omby sy boriky sy ondry aman’ osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
6 And the messengers returned to Jacob, saying, “We went to your brother Esau, and behold, he rushes to meet you with four hundred men.”
Dia niverina tany amin’ i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’ i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
7 Jacob was very afraid. And in his terror, he divided the people who were with him, likewise the flocks, and the sheep, and the oxen, and the camels, into two companies,
Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ ny ondry aman’ osy sy ny omby ary ny rameva;
8 saying: “If Esau goes to one company, and strikes it, the other company, which is left behind, will be saved.”
fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
9 And Jacob said: “God of my father Abraham, and God of my father Isaac, O Lord who said to me: ‘Return to your land, and to the place of your nativity, and I will do well for you.’
Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’ i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’ Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ ny taninao sy any amin’ ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
10 I am less than any of your compassions and your truth, which you have fulfilled to your servant. With my staff I crossed over this Jordan. And now I go back with two companies.
tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin’ ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
11 Rescue me from the hand of my brother Esau, for I am very afraid of him, lest perhaps he may come and strike down the mother with the sons.
O vonjeo aho amin’ ny tanan’ ny rahalahiko, dia amin’ ny tànan’ i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin’ ny vadiko aman-janako izy.
12 You did say that you would do well by me, and that you would expand my offspring like the sand of the sea, which, because of its multitude, cannot be numbered.”
Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
13 And when he had slept there that night, he separated, from the things that he had, gifts for his brother Esau:
Dia nitoetra teo izy tamin’ iny alina iny; ary naka tamin’ izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an’ i Esao rahalahiny,
14 two hundred she-goats, twenty he-goats, two hundred ewes, and twenty rams,
dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
15 thirty milking camels with their young, forty cows, and twenty bulls, twenty she-donkeys, and ten of their young.
ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr’ ombivavy efa-polo sy vantotr’ ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
16 And he sent them by the hands of his servants, each flock separately, and he said to his servants: “Pass before me, and let there be a space between flock and flock.”
Dia natolony teo an-tànan’ ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin’ ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin’ ny isan-toko.
17 And he instructed the first, saying: “If you happen to meet my brother Esau, and he questions you: “Whose are you?” or, “Where are you going?” or, “Whose are these which follow you?”
Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’ iza ianao? ary hankaiza moa? ary an’ iza ireo alohanao?
18 you shall respond: “Your servant Jacob’s. He has sent them as a gift to my lord Esau. And he is also coming after us.”
dia lazaonao hoe: An’ i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an’ itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
19 Similarly, he gave orders to the second, and the third, and to all who followed the flocks, saying: “Speak these same words to Esau, when you find him.
Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin’ i Esao, raha hitanareo izy.
20 And you will add: ‘Your servant Jacob himself also follows after us, for he said: “I will appease him with the gifts that go ahead, and after this, I will see him; perhaps he will be gracious to me.”’”
Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin’ ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
21 And so the gifts went before him, but he himself lodged that night in the camp.
Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ ny toby ihany tamin’ iny alina iny.
22 And when he had arisen early, he took his two wives, and the same number of handmaids, with his eleven sons, and he crossed over the ford of Jabbok.
Dia nitsangana tamin’ iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin’ ny folo, dia nita tamin’ ny fitàna tao Jaboka izy.
23 And having delivered over all the things that belonged to him,
Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
24 he remained alone. And behold, a man wrestled with him until morning.
Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ ny andro.
25 And when he saw that he would not be able to overcome him, he touched the nerve of his thigh, and immediately it withered.
Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen’ i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
26 And he said to him, “Release me, for now the dawn ascends.” He responded, “I will not release you, unless you bless me.”
Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
27 Therefore he said, “What is your name?” He answered, “Jacob.”
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
28 But he said, “Your name will not be called Jacob, but Israel; for if you have been strong against God, how much more will you prevail against men?”
Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
29 Jacob questioned him, “Tell me, by what name are you called?” He responded, “Why do you ask my name?” And he blessed him in the same place.
Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
30 And Jacob called the name of the place Peniel, saying, “I have seen God face to face, and my soul has been saved.”
Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an’ Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
31 And immediately the sun rose upon him, after he had crossed beyond Peniel. Yet in truth, he limped on his foot.
Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.
32 For this reason, the sons of Israel, even to the present day, do not eat the nerve that withered in Jacob’s thigh, because he touched the nerve of his thigh and it was obstructed.
Izany no tsy ihinanan’ ny Zanak’ Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen’ i Jakoba teo amin’ ny ozatry ny atodiakanga Izy.

< Genesis 32 >