< Psalms 143 >

1 A Psalm of David, when his son pursued him. O Lord, attend to my prayer: listen to my supplication in your truth; hear me in your righteousness.
Salamo nataon’ i Davida.
2 And enter not into judgement with your servant, for in your sight shall no [man] living be justified.
Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
3 For the enemy has persecuted my soul; he has brought my life down to the ground; he has made me to dwell in a dark [place], as those that have been long dead.
Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin’ ny tany izy: Nampitoeriny tao amin’ ny maizina aho, toy izay efa maty ela.
4 Therefore my spirit was grieved in me; my heart was troubled within me.
Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.
5 I remembered the days of old; and I meditated on all your doings: [yes], I meditated on the works of your hands.
Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan’ ny tananao no eritreretiko.
6 I spread forth my hands to you; my soul [thirsts] for you, as a dry land. (Pause)
Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao. (Sela)
7 Hear me speedily, O Lord; my spirit has failed; turn not away your face from me, else I shall be like to them that go down to the pit.
Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midìna any am-pasana aho.
8 Cause me to hear your mercy in the morning; for I have hoped in you; make known to me, O Lord, the way wherein I should walk; for I have lifted up my soul to you.
Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
9 Deliver me from mine enemies, O Lord; for I have fled to you for refuge.
Jehovah ô, vonjeo amin’ ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.
10 Teach me to do your will; for you are my God; your good Spirit shall guide me in the straight [way].
Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’ izay tany marina.
11 You shall quicken me, O Lord, for your name's sake; in your righteousness you shall bring my soul out of affliction.
Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin’ ny fahoriana.
12 And in your mercy you will destroy mine enemies, and will destroy all those that afflict my soul; for I am your servant.
Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.

< Psalms 143 >