< Numbers 35 >

1 And the Lord said to Moses in the lowlands of Moab by Jordan at Jericho,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
2 Give orders to the children of Israel to give to the Levites, from the heritage which is theirs, towns for themselves, with land on the outskirts of the towns.
Mandidia ny Zanak’ Isiraely mba hanome tanàna ao amin’ ny zara-taniny avy honenan’ ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3 These towns are to be their living-places, with land round them for their cattle and their food and all their beasts,
Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an’ ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ ny bibiny rehetra.
4 Stretching from the wall of the towns a distance of a thousand cubits all round.
Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin’ ny màndan’ ny tanàna ka hatramin’ ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin’ ny lafiny efatra avy.
5 The measure of this space of land is to be two thousand cubits outside the town on the east, and two thousand cubits on the south and on the west and on the north, the town being in the middle. This space will be the outskirts of their towns.
Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ ny tanàna ianareo amin’ ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6 And the towns which you give the Levites are to be the six safe places to which the taker of life may go in flight; and in addition you are to give them forty-two towns.
Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran’ izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
7 Forty-eight towns are to be given to the Levites, all with land round them.
Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin’ ny tany manodidina azy.
8 And these towns are to be given out of the heritage of the children of Israel, taking the greater number from those who have much, and a smaller number from those who have little: everyone, in the measure of his heritage, is to give of his property to the Levites.
Ary ny amin’ ny tanàna izay homenareo avy amin’ ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an’ ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9 And the Lord said to Moses,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
10 Say to the children of Israel, when you have gone over Jordan into the land of Canaan;
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka tonga any amin’ ny tany Kanana,
11 Then let certain towns be marked out as safe places to which anyone who takes the life of another in error may go in flight.
dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy.
12 In these towns you may be safe from him who has the right of punishment; so that death may not overtake the taker of life till he has been judged by the meeting of the people.
Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon’ ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ ny fiangonana.
13 Six of the towns which you give will be such safe places;
Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
14 Three on the other side of Jordan and three in the land of Canaan, to be safe places for flight.
Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin’ ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
15 For the children of Israel and for the man from another country who is living among them, these six towns are to be safe places, where anyone causing the death of another through error may go in flight.
Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16 But if a man gives another man a blow with an iron instrument, causing his death, he is a taker of life and is certainly to be put to death.
Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
17 Or if he gives him a blow with a stone in his hand, causing his death, he is a taker of life and is certainly to be put to death.
Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
18 Or if he gave him blows with a wood instrument in his hands, causing his death, he is a taker of life and is certainly to be put to death.
Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
19 He whose right it is to give punishment for blood, may himself put to death the taker of life when he comes face to face with him.
Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20 If in his hate he put a sword through him, or waiting secretly for him sent a spear or stone at him, causing his death;
Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin’ ny fanotrehana, ka mahafaty,
21 Or in hate gave him blows with his hand, causing death; he who gave the death-blow is to be put to death; he is a taker of life: he whose right it is to give punishment for blood may put to death the taker of life when he comes face to face with him.
na mamely amin’ ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22 But if a man has given a wound to another suddenly and not in hate, or without design has sent something against him,
Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin’ inona na amin’ inona, nefa tsy amin’ ny fanotrehana,
23 Or has given him a blow with a stone, without seeing him, so causing his death, though he had nothing against him and no desire to do him evil:
na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
24 Then let the meeting of the people be judge between the man responsible for the death and him who has the right of punishment for blood, acting by these rules:
dia hotsarain’ ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
25 And let the people keep the man responsible for the death safe from the hands of him who has the right of punishment for blood, and send him back to his safe town where he had gone in flight: there let him be till the death of the high priest who was marked with the holy oil.
Ary hovonjen’ ny fiangonana ho afaka amin’ ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ ny diloilo masìna.
26 But if ever he goes outside the walls of the safe town where he had gone in flight,
Fa raha mivoaka ho eo ivelan’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra ilay nahafaty olona
27 And the giver of punishment, meeting him outside the walls of the town, puts him to death, he will not be responsible for his blood:
ka hitan’ ny mpamaly rà eo ivelan’ ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin’ izany,
28 Because he had been ordered to keep inside the safe town till the death of the high priest: but after the death of the high priest the taker of life may come back to the place of his heritage.
satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin’ ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
29 These rules are to be your guide in judging through all your generations wherever you may be living.
Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby eny amin’ izay rehetra onenanareo.
30 Anyone causing the death of another is himself to be put to death on the word of witnesses: but the word of one witness is not enough.
Ny amin’ izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin’ ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
31 Further, no price may be given for the life of one who has taken life and whose right reward is death: he is certainly to be put to death.
Ary ianareo tsy handray avotry ny ain’ ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
32 And no price may be offered for one who has gone in flight to a safe town, for the purpose of letting him come back to his place before the death of the high priest.
Ary ianareo tsy handray avotra ho an’ izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin’ ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33 So do not make the land where you are living unholy: for blood makes the land unholy: and there is no way of making the land free from the blood which has come on it, but only by the death of him who was the cause of it.
Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
34 Do not make unclean the land where you are living and in which is my House: for I the Lord am present among the children of Israel.
Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.

< Numbers 35 >