< Numbers 32 >

1 Now the children of Reuben and the children of Gad had a great number of cattle: and when they saw that the land of Jazer and the land of Gilead was a good place for cattle;
Ary nanana omby aman’ ondry be indrindra ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry io,
2 The children of Gad and the children of Reuben came and said to Moses and to Eleazar the priest and to the chiefs of the meeting,
dia avy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka niteny tamin’ i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin’ ny lohan’ ny fiangonana ka nanao hoe:
3 Ataroth, and Dibon, and Jazer, and Nimrah, and Heshbon, and Elealeh, and Sebam, and Nebo, and Beon,
Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
4 The land which the Lord gave into the hands of the children of Israel, is a land for cattle, and your servants have cattle.
ireo tany noresen’ i Jehovah teo anoloan’ ny fiangonan’ ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman’ ondry;
5 And they said, With your approval, let this land be given to your servants as their heritage: do not take us over Jordan.
dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an’ i Jordana izahay.
6 And Moses said to the children of Gad and the children of Reuben, Are your brothers to go to the war, while you take your rest here?
Dia hoy Mosesy tamin’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
7 Why would you take from the children of Israel the desire to go over into the land which the Lord has given them?
Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay nomen’ i Jehovah azy?
8 So did your fathers, when I sent them from Kadesh-barnea to see the land.
Izany no nataon’ ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
9 For when they went up to the valley of Eshcol, and saw the land, they took from the children of Israel the desire to go into the land which the Lord had given them.
fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon’ ny Zanak’ Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin’ ny tany izay efa nomen’ i Jehovah azy.
10 And at that time the Lord was moved to wrath, and made an oath, saying,
Ary nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
11 Truly, not one of the men of twenty years old and over who came out of Egypt will see the land which I gave by oath to Abraham, Isaac, and Jacob; because they have not been true to me with all their heart;
Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin’ ny fanarahana Ahy izy;
12 But only Caleb, the son of Jephunneh the Kenizzite, and Joshua, the son of Nun: because they have been true to the Lord.
afa-tsy Kaleba, zanak’ i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak’ i Nona, izay tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah.
13 Then the Lord was angry with Israel, and he made them wanderers in the waste land for forty years? till all that generation who had done evil in the eyes of the Lord was dead.
Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
14 And now you have come to take the place of your fathers, another generation of sinners, increasing the wrath of the Lord against Israel.
Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
15 For if you are turned away from him, he will send them wandering again in the waste land; and you will be the cause of the destruction of all this people.
Fa raha miala amin’ ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
16 Then they came to him, and said, We will make safe places for our cattle here, and towns for our little ones;
Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an’ ny omby aman’ ondrinay sy tanàna koa ho an’ ny zanakay madinika;
17 But we ourselves will be ready armed to go before the children of Israel till we have taken them to their place: but our little ones will be safe in the walled towns against the people of the land.
fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ ny tany.
18 We will not come back to our houses till every one of the children of Israel has come into his heritage.
Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon’ ny Zanak’ Isiraely ny zara-taniny avy.
19 For we will not have our heritage with them on the other side of Jordan and forward; because our heritage has come to us on this side of Jordan to the east.
Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin’ i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana atỳ ny zara-taninay.
20 Then Moses said to them, If you will do this, arming yourselves to go before the Lord to the war,
Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan’ i Jehovah ho any an-tafika,
21 Every armed man of you going across Jordan before the Lord till he has overcome and sent in flight all who are against him,
ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin’ i Jordana eo anatrehan’ i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
22 And the land is under the rule of the Lord: then after that you may come back, having done no wrong to the Lord and to Israel; and this land will be yours for your heritage before the Lord.
ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah.
23 But if you do not do this, then you are sinners against the Lord; and you may be certain that your sin will have its reward.
Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin’ i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
24 So get to work building your towns for your little ones, and safe places for your sheep; and do as you have said.
Manaova tanàna ho an’ ny zanakareo madinika sy vala ho an’ ny ondry aman’ osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
25 And the children of Gad and the children of Reuben said to Moses, Your servants will do as my lord says.
Dia niteny tamin’ i Mosesy ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
26 Our little ones, our wives, and our flocks, and all our cattle, will be there in the towns of Gilead;
ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman’ osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin’ ny tanànan’ i Gileada;
27 But your servants will go over, every man armed for war, before the Lord to the fight, as my lord says.
fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
28 So Moses gave orders about them to Eleazar the priest and to Joshua, the son of Nun, and to the heads of families of the tribes of the children of Israel.
Ary Mosesy dia nandidy an’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ny amin’ ireo
29 And Moses said to them, If the children of Gad and the children of Reuben go with you over Jordan, every man armed for the fight before the Lord, and all the land is given into your hands, then let them have the land of Gilead for a heritage:
ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an’ i Jordana hiaraka aminareo ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan’ i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
30 But if they do not go over with you armed, they will have to take their heritage with you in the land of Canaan.
fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin’ ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
31 Then the children of Gad and the children of Reuben said, As the Lord has said to your servants, so will we do.
Dia namaly ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny mpanomponao no hataonay:
32 We will go over armed before the Lord into the land of Canaan, and you will give us our heritage on this side of Jordan.
Izabay handeha hita eo anatrehan’ i Jehovah ho any amin’ ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
33 So Moses gave to them, even to the children of Gad and the children of Reuben and to the half-tribe of Manasseh, the son of Joseph, the kingdom of Sihon, king of the Amorites and Og, king of Bashan, all the land with its towns and the country round them.
Dia nomen’ i Mosesy ho an’ ny taranak’ i Gada sy ny taranak’ i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen’ i Manase, zanak’ i Josefa, ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorka, sy ny fanjakan’ i Oga, mpanjakan’ i Basana dia ny tany mbamin’ ny tanànany ao amin’ ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin’ ny tany manodidina.
34 And the children of Gad were the builders of Dibon and Ataroth and Aroer;
Ary ny taranak’ i Gada nanao an’ i Dibona sy Atarota sy Aroera
35 And Atroth-shophan and Jazer and Jogbehah;
sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
36 And Beth-nimrah and Beth-haran: walled towns and shut-in places for sheep.
sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an’ ny ondry.
37 And the children of Reuben were the builders of Heshbon and Elealeh and Kiriathaim;
Ary ny taranak’ i Robena nanao an’ i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
38 And Nebo and Baal-meon, (their names being changed, ) and Sibmah: and they gave other names to the towns they made.
sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran’ ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
39 And the children of Machir, the son of Manasseh, went to Gilead and took it, driving out the Amorites who were living there.
Ary ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
40 And Moses gave Gilead to Machir, the son of Manasseh; and he made it his living-place.
Ary Gileada dia nomen’ i Mosesy an’ i Makira, zanak’ i Manase, ka nonina tao izy.
41 And Jair, the son of Manasseh, went and took the towns of Gilead, naming them Havvoth-Jair.
Ary Jaïra, zanak’ i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaïra.
42 And Nobah went and took Kenath and its small towns, naming it Nobah, after himself.
Ary Noba nandeha ka nahafaka an’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.

< Numbers 32 >