< Leviticus 24 >

1 And the Lord said to Moses,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Give orders to the children of Israel to give you clean olive oil for the light, so that a light may be burning at all times,
Mandidia ny Zanak’ Isiraely hitondra aminao diloilon’ oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.
3 Outside the veil of the ark in the Tent of meeting; let Aaron see that it is burning from evening till morning at all times before the Lord: it is a rule for ever through all your generations.
Eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin’ ny trano-lay fihaonana, no handaharan’ i Arona azy, hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina, eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany.
4 Let Aaron put the lights in order on the support before the Lord at all times.
Eo amin’ ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
5 And take the best meal and make twelve cakes of it, a fifth part of an ephah in every cake.
Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin’ ny folo; roa ampahafolon’ ny efaha no hatao mofo iray.
6 And put them in two lines, six in a line, on the holy table before the Lord.
Ary mandahara ireo eo ambonin’ ny latabatra tsara eo anatrehan’ i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana.
7 And on the lines of cakes put clean sweet-smelling spices, for a sign on the bread, an offering made by fire to the Lord.
Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin’ ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
8 Every Sabbath day regularly, the priest is to put it in order before the Lord: it is offered for the children of Israel, an agreement made for ever.
Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah; ho avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay.
9 And it will be for Aaron and his sons; they are to take it for food in a holy place: it is the most holy of all the offerings made by fire to the Lord, a rule for ever.
Ary ho an’ i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin’ izay fitoerana masìna; fa masìna dia masìna ho an’ ny mpisorona izany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo: lalàna mandrakizay izany.
10 And a son of an Israelite woman, whose father was an Egyptian, went out among the children of Israel and had a fight with a man of Israel by the tents;
Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin’ ny Zanak’ Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray.
11 And the son of the Israelite woman said evil against the holy Name, with curses; and they took him to Moses. His mother's name was Shelomith, the daughter of Dibri, of the tribe of Dan.
Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin’ i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin’ i Dibry avy tamin’ ny firenen’ i Dana izy);
12 And they kept him shut up, till a decision might be given by the mouth of the Lord.
ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin’ i Jehovah.
13 And the Lord said to Moses,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
14 Take the curser outside the tent-circle; and let all in whose hearing the words were said put their hands on his head, and let him be stoned by all the people.
Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
15 And say to the children of Israel, As for any man cursing God, his sin will be on his head.
Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an’ Andriamaniny dia ho meloka,
16 And he who says evil against the name of the Lord will certainly be put to death; he will be stoned by all the people; the man who is not of your nation and one who is an Israelite by birth, whoever says evil against the holy Name is to be put to death.
Fa izay miteny ratsy ny anaran’ i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy.
17 And anyone who takes another's life is certainly to be put to death.
Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa.
18 And anyone wounding a beast and causing its death, will have to make payment for it: a life for a life.
Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon’ ny biby.
19 And if a man does damage to his neighbour, as he has done, so let it be done to him;
Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa:
20 Wound for wound, eye for eye, tooth for tooth; whatever damage he has done, so let it be done to him.
tapaka solon’ ny tapaka, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin’ ny olona no hatao aminy kosa.
21 He who puts a beast to death will have to make payment for it; he who puts a man to death will himself be put to death.
Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty.
22 You are to have the same law for a man of another nation living among you as for an Israelite; for I am the Lord your God.
Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
23 And Moses said these words to the children of Israel, and they took the man who had been cursing outside the tent-circle and had him stoned. The children of Israel did as the Lord gave orders to Moses.
Ary Mosesy niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely, dia navoakany teny ivelan’ ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.

< Leviticus 24 >