< Joshua 4 >

1 Now when all the nation had come to the other side of Jordan, the Lord said to Joshua,
Ary rehefa tafita an’ i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin’ i Josoa hoe:
2 Take twelve men from the people, a man for every tribe,
Mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
3 And say to them, Take up from the middle of Jordan, from the place where the feet of the priests were resting, twelve stones, and take them over with you and put them down in the place where you take your rest tonight.
ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin’ ny folo eo afovoan’ i Jordana eo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin’ izay handrianareo anio alina.
4 So Joshua sent for the twelve men, whom he had ready, one man out of every tribe of the children of Israel,
Dia nantsoin’ i Josoa ny lehilahy roa ambin’ ny folo, izay nofidiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
5 And he said to them, Go over before the ark of the Lord your God into the middle of Jordan, and let every one of you take up a stone on his back, one for every tribe of the children of Israel:
ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’ i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely,
6 So that this may be a sign among you; when your children say to you in time to come, What is the reason for these stones?
mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ ireo vato ireo?
7 Then you will say to them, Because the waters of Jordan were cut off before the ark of the Lord's agreement; when it went over Jordan the waters of Jordan were cut off: and these stones will be a sign for the children of Israel, keeping it in their memory for ever.
dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
8 So the children of Israel did as Joshua gave them orders, and took twelve stones from the middle of Jordan, as the Lord had said to Joshua, one for every tribe of the children of Israel; these they took across with them to their night's resting-place and put them down there.
Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely araka izay nandidian’ i Josoa ka naka vato roa ambin’ ny folo teo afovoan’ i Jordana, araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Josoa, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’ izay nitobiany ka napetrany teo.
9 And Joshua put up twelve stones in the middle of Jordan, where the feet of the priests who took up the ark of the agreement had been placed: and there they are to this day.
Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
10 For the priests who took up the ark kept there in the middle of Jordan till all the orders given to Joshua by Moses from the Lord had been done: then the people went over quickly.
Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan’ i Jordana mandra-pahavitan’ ny zavatra rehetra izay nandidian’ i Jehovah an’ i Josoa holazaina amin’ ny olona, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; dia nita faingana ny olona.
11 And when all the people had come to the other side, the ark of the Lord went over, and the priests, before the eyes of the people.
Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’ i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona.
12 And the children of Reuben and the children of Gad and the half-tribe of Manasseh went over armed before the children of Israel as Moses had said to them:
Ary ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ ny Zanak’ Isiraely koa, araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy.
13 About forty thousand armed for war went over before the Lord to the fight, to the lowlands of Jericho.
Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’ i Jehovah hanafika, ho eo amin’ ny tani-hay any Jeriko.
14 That day the Lord made Joshua great in the eyes of all Israel; and all the days of his life they went in fear of him, as they had gone in fear of Moses.
Tamin’ izany andro izany no nanandratan’ i Jehovah an’ i Josoa teo imason’ ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’ i Mosesy, tamin’ ny andro rehetra niainany.
15 Then the Lord said to Joshua,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe:
16 Give orders to the priests who take up the ark of witness, to come up out of Jordan.
Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
17 So Joshua gave orders to the priests, saying, Come up now out of Jordan.
Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18 And when the priests who took up the ark of the Lord's agreement came up out of Jordan and their feet came out on to dry land, the waters of Jordan went back to their place, overflowing its edges as before.
Ary rehefa niakatra niala teo afovoan’ i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin’ ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
19 So on the tenth day of the first month the people came up out of Jordan, and put up their tents in Gilgal, on the east side of Jericho.
Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin’ ny sisin-tany atsinanan’ i Jeriko.
20 And the twelve stones which they took out of Jordan, Joshua put up in Gilgal.
Ary ireny vato roa ambin’ ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan’ i Josoa tany Gilgala.
21 And he said to the children of Israel, When your children say to their fathers in time to come, What is the reason for these stones?
Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
22 Then give your children the story, and say, Israel came over this river Jordan on dry land.
dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ ny tany maina no nitan’ ny Isiraely ity Jordana ity.
23 For the Lord your God made the waters of Jordan dry before you till you had gone across, as he did to the Red Sea, drying it up before us till we had gone across:
Fa nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan’ ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,
24 So that all the peoples of the earth may see that the hand of the Lord is strong; and that they may go in fear of the Lord your God for ever.
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa mahery ny tànan’ i Jehovah, ary mba hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.

< Joshua 4 >