< Jeremiah 4 >

1 If you will come back, O Israel, says the Lord, you will come back to me: and if you will put away your disgusting ways, you will not be sent away from before me.
Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,
2 And you will take your oath, By the living Lord, in good faith and wisdom and righteousness; and the nations will make use of you as a blessing, and in you will they take a pride.
Fa hianiana amin’ ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain’ ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.
3 For this is what the Lord says to the men of Judah and to Jerusalem: Get your unworked land ploughed up, do not put in your seeds among thorns.
Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo, fa aza mamafy amin’ ny tsilo.
4 Undergo a circumcision of the heart, you men of Judah and people of Jerusalem: or my wrath may come out like fire, burning so that no one is able to put it out, because of the evil of your doings.
Miforà ho an’ i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.
5 Say openly in Judah, give it out in Jerusalem, and say, Let the horn be sounded in the land: crying out in a loud voice, Come together, and let us go into the walled towns.
Ambaraonareo ao amin’ ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin’ ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin’ ny tanàna mimanda.
6 Put up a flag for a sign to Zion: go in flight so that you may be safe, waiting no longer: for I will send evil from the north, and a great destruction.
Manangàna faneva manandrify an’ i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.
7 A lion has gone up from his secret place in the woods, and one who makes waste the nations is on his way; he has gone out from his place, to make your land unpeopled, so that your towns will be made waste, with no man living in them.
Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin’ ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.
8 For this put on haircloth, with weeping and loud crying: for the burning wrath of the Lord is not turned back from us.
Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy afaka amintsika.
9 And it will come about in that day, says the Lord, that the heart of the king will be dead in him, and the hearts of the rulers; and the priests will be overcome with fear, and the prophets with wonder.
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.
10 Then said I, Ah, Lord God! your words were not true when you said to this people and to Jerusalem, You will have peace; when the sword has come even to the soul.
Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin’ ny aina ny sabatra.
11 At that time it will be said to this people and to Jerusalem, A burning wind from the open hilltops in the waste land is blowing on the daughter of my people, not for separating or cleaning the grain;
Amin’ izany andro izany dia holazaina amin’ ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin’ ny oloko zanakavavy, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.
12 A full wind will come for me: and now I will give my decision against them.
Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.
13 See, he will come up like the clouds, and his war-carriages like the storm-wind: his horses are quicker than eagles. Sorrow is ours, for destruction has come on us.
Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.
14 O Jerusalem, make your heart clean from evil, so that you may have salvation. How long are evil purposes to have a resting-place in you?
Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?
15 For a voice is sounding from Dan, giving out evil from the hills of Ephraim:
Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima,
16 Make this come to the minds of the nations, make a statement openly against Jerusalem, that attackers are coming from a far country and their voices will be loud against the towns of Judah.
Lazaonareo amin’ ny firenena, torio amin’ i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan’ ny Joda.
17 Like keepers of a field they are against her on every side; because she has been fighting against me, says the Lord.
Manodidina azy ireo toy ny fanaon’ ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.
18 Your ways and your doings have made these things come on you; this is your sin; truly it is bitter, going deep into your heart.
Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin’ ny ainao.
19 My soul, my soul! I am pained to my inmost heart; my heart is troubled in me; I am not able to be quiet, because the sound of the horn, the note of war, has come to my ears.
Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
20 News is given of destruction on destruction; all the land is made waste: suddenly my tents, straight away my curtains, are made waste.
Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.
21 How long will I go on seeing the flag and hearing the sound of the war-horn?
Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon’ anjomara?
22 For my people are foolish, they have no knowledge of me; they are evil-minded children, without sense, all of them: they are wise in evil-doing, but have no knowledge of doing good.
Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.
23 Looking at the earth, I saw that it was waste and without form; and to the heavens, that they had no light.
Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;
24 Looking at the mountains, I saw them shaking, and all the hills were moved about.
Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;
25 Looking, I saw that there was no man, and all the birds of heaven had gone in flight.
Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;
26 Looking, I saw that the fertile field was a waste, and all its towns were broken down before the Lord and before his burning wrath.
Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan’ i Jehovah, dia teo anoloan’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
27 For this is what the Lord has said: All the land will become a waste; I will make destruction complete.
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
28 The earth will be weeping for this, and the heavens on high will be black: because I have said it, and I will not go back from it; it is my purpose, and it will not be changed.
Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.
29 All the land is in flight because of the noise of the horsemen and the bowmen; they have taken cover in the woodland and up on the rocks: every town has been given up, not a man is living in them.
Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin’ ny kirihitrala sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.
30 And you, when you are made waste, what will you do? Though you are clothed in red, though you make yourself beautiful with ornaments of gold, though you make your eyes wide with paint, it is for nothing that you make yourself fair; your lovers have no more desire for you, they have designs on your life.
Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.
31 A voice has come to my ears like the voice of a woman in birth-pains, the pain of one giving birth to her first child, the voice of the daughter of Zion, fighting for breath, stretching out her hands, saying, Now sorrow is mine! for my strength is gone from me before the takers of life.
Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon’ i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon’ ireo mpamono olona.

< Jeremiah 4 >