< Hosea 1 >

1 The word of the Lord which came to Hosea, the son of Beeri, in the days of Uzziah, Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah, and in the days of Jeroboam, the son of Joash, king of Israel.
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
2 The start of the word of the Lord by Hosea: And the Lord said to Hosea, Go, take for yourself a wife of loose ways, and children of the same, for the land has been untrue to the Lord.
Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
3 So he took as his wife Gomer, the daughter of Diblaim, and she gave birth to a son.
Dia lasa izy naka an’ i Gomera, zanakavavin’ i Diblaima; ary dia nanan’ anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4 And the Lord said to him, Give him the name of Jezreel, for after a little time I will send punishment for the blood of Jezreel on the line of Jehu, and put an end to the kingdom of Israel.
Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.
5 And in that day I will let the bow of Israel be broken in the valley of Jezreel.
Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.
6 And after that she gave birth to a daughter. And the Lord said, Give her the name Lo-ruhamah; for I will not again have mercy on Israel, to give them forgiveness.
Ary nanan’ anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin’ ny taranak’ Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony.
7 But I will have mercy on Judah and will give them salvation by the Lord their God, but not by the bow or the sword or by fighting or by horses or horsemen.
Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.
8 Now when Lo-ruhamah had been taken from the breast, the woman gave birth to a son.
Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9 And the Lord said, Give him the name Lo-ammi; for you are not my people, and I will not be your God.
Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo.
10 But still the number of the children of Israel will be like the sand of the sea, which may not be measured or numbered; and in place of its being said to them, You are not my people, it will be said to them, You are the sons of the living God
Kanefa, na dia izany aza, ny isan’ ny Zanak’ Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin’ ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak’ Andriamanitra velona ianareo.
11 And the children of Israel and the children of Judah will come together and take for themselves one head, and will go up from the land, for great will be the day of Jezreel.
Dia hiara-mivory ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin’ ny tany, fa ho lehibe ny andron’ i Jezirda.

< Hosea 1 >