< Daniel 2 >

1 In the second year of the rule of Nebuchadnezzar, Nebuchadnezzar had dreams; and his spirit was troubled and his sleep went from him.
Ary tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
2 Then the king gave orders that the wonder-workers, and the users of secret arts, and those who made use of evil powers, and the Chaldaeans, were to be sent for to make clear to the king his dreams. So they came and took their places before the king.
Dia nasain’ ny mpanjaka nantsoina ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny mpanana ody ary ny Kaldeana hilaza amin’ ny mpanjaka ny nofiny. Dia tonga ireny ka nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka.
3 And the king said to them, I have had a dream, and my spirit is troubled by the desire to have the dream made clear to me.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nanonofy aho, ka mitebiteby ta-hahalala ny nofy ny fanahiko.
4 Then the Chaldaeans said to the king in the Aramaean language, O King, have life for ever: give your servants an account of your dream, and we will make clear to you the sense of it.
Dia niteny tamin’ ny mpanjaka amin’ ny teny Aramiana ireny Kaldeana ireny ka nanao hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao, ambarao aminay mpanomponao ny nofy, dia holazainay ny heviny.
5 The king made answer and said to the Chaldaeans, This is my decision: if you do not make clear to me the dream and the sense of it, you will be cut in bits and your houses made waste.
Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin’ ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.
6 But if you make clear the dream and the sense of it, you will have from me offerings and rewards and great honour: so make clear to me the dream and the sense of it.
Fa raha milaza ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valim-pitia ary voninahitra be; koa ambarao ahy ny nofy mbamin’ ny heviny.
7 A second time they said in answer, Let the king give his servants an account of his dream, and we will make clear the sense.
Dia namaly indray ireo ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka hilaza ny nofy aminay mpanompony, dia hambaranay ny heviny.
8 The king made answer and said, I am certain that you are attempting to get more time, because you see that my decision is fixed;
Fa ny mpanjaka namaly ka nanao hoe: Fantatro marimarina fa mandany andro foana ianareo, satria hitanareo fa efa niloa-bava aho.
9 That if you do not make my dream clear to me there is only one fate for you: for you have made ready false and evil words to say before me till the times are changed: so give me an account of the dream, and I will be certain that you are able to make the sense of it clear.
Fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy, dia lalàna iray monja no hitondrana anareo; fa ianareo miray tetika hilaza teny lainga sy arirarira foana eto anatrehako mandra-pahatongan’ izay andro mahamety; koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko koa ianareo.
10 Then the Chaldaeans said to the king in answer, There is not a man on earth able to make clear the king's business; for no king, however great his power, has ever made such a request to any wonder-worker or user of secret arts or Chaldaean.
Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ ny tany mahay milaza izany nofin’ ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.
11 The king's request is a very hard one, and there is no other who is able to make it clear to the king, but the gods, whose living-place is not with flesh.
Ary sarotra ny zavatra anontanian’ ny mpanjaka, ka tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan’ ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin’ ny nofo.
12 Because of this the king was angry and full of wrath, and gave orders for the destruction of all the wise men of Babylon.
Dia vinitra sady tezitra indrindra ny mpanjaka noho izany, ka nasainy naringana ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
13 So the order went out that the wise men were to be put to death; and they were looking for Daniel and his friends to put them to death.
Ary navoaka ny didy nampamono ny olon-kendry; ary Daniela sy ny namany koa mba notadiaviny hovonoina.
14 Then Daniel gave an answer with wisdom and good sense to Arioch, the captain of the king's armed men, who had gone out to put to death the wise men of Babylon;
Dia novalian’ i Daniela tamin’ ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben’ ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin’ i Babylona;
15 He made answer and said to Arioch, O captain of the king, why is the king's order so cruel? Then Arioch gave Daniel an account of the business.
eny, namaly izy ka nanao tamin’ i Arioka, lehibe voatendrin’ ny mpanjaka, hoe: Nahoana no dia mafy toy izany ny teny avy amin’ ny mpanjaka? Dia nambaran’ i Arioka tamin’ i Daniela ilay teny.
16 And Daniel went in and made a request to the king to give him time and he would make clear the sense of his dream to the king.
Dia niditra Daniela ka nangataka tamin’ ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
17 And Daniel went to his house and gave his friends Hananiah, Mishael, and Azariah the news:
Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin’ i Hanania sy Misaela ary Azaria namany,
18 So that they might make a request for the mercy of the God of heaven in the question of this secret; so that Daniel and his friends might not come to destruction with the rest of the wise men of Babylon.
mba hangatahan’ ireo famindram-po amin’ Andriamanitry ny lanitra ny amin’ izany zava-miafina izany, mba tsy haringana Daniela sy ny namany mbamin’ ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
19 Then the secret was made clear to Daniel in a vision of the night. And Daniel gave blessing to the God of heaven.
Dia naseho an’ i Daniela tamin’ ny fahitana amin’ ny alina izany zava-miafina izany, ka dia nisaotra an’ Andriamanitry ny lanitra Daniela.
20 And Daniel said in answer, May the name of God be praised for ever and ever: for wisdom and strength are his:
Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’ Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery.
21 By him times and years are changed: by him kings are taken away and kings are lifted up: he gives wisdom to the wise, and knowledge to those whose minds are awake:
Ary Izy no mandahatra ny andro sy ny fotoana; Izy no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka; Izy no manome fahendrena ho an’ ny hendry sy fahalalana ho an’ izay mazava saina.
22 He is the unveiler of deep and secret things: he has knowledge of what is in the dark, and the light has its living-place with him.
Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina; Izy no mahalala izay ao amin’ ny maizina, ary ny mazava mitoetra ao aminy.
23 I give you praise and worship, O God of my fathers, who have given me wisdom and strength, and have now made clear to me what we were requesting from you: for you have given us knowledge of the king's business.
Hianao, ry Andriamanitry ny razako ô, no deraiko sy isaorako, satria nomenao fahendrena sy hery aho, ary ankehitriny efa nampahafantarinao ahy izay nangatahinay taminao; fa nampahafantarinao anay ilay nofin’ i ny mpanjaka.
24 For this reason Daniel went to Arioch, to whom the king had given orders for the destruction of the wise men of Babylon, and said to him, Do not put to death the wise men of Babylon: take me in before the king and I will make clear to him the sense of the dream.
Ary noho izany Daniela dia niditra nankao amin’ i Arioka, izay notendren’ ny mpanjaka handringana ny olon-kendrin’ i Babylona, eny, nandeha izy ka nanao taminy hoe: Aza mandringana ny olon-kendrin’ i Babylona; fa ento ho eo anatrehan’ ny mpanjaka aho, dia hambarako aminy ny hevitry ny nofiny.
25 Then Arioch quickly took Daniel in before the king, and said to him, Here is a man from among the prisoners of Judah, who will make clear to the king the sense of the dream.
Dia nentin’ i Arioka faingana ho eo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela, ka hoy izy taminy: Nahita lehilahy isan’ ny babo avy any Joda aho, izay hilaza amin’ ny mpanjaka ny hevitry ny nofy.
26 The king made answer and said to Daniel, whose name was Belteshazzar, Are you able to make clear to me the dream which I saw and its sense?
Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin’ i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ ny heviny va ianao?
27 Then Daniel said in answer to the king, No wise men, or users of secret arts, or wonder-workers, or readers of signs, are able to make clear to the king the secret he is searching for;
Dia namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka Daniela nanao hoe: Ilay zava-miafina nanontanian’ ny mpanjaka dia tsy hain’ ny olon-kendry, na ny mpisikidy, na ny ombiasy, na ny mpanandro, nolazaina tamin’ ny mpanjaka;
28 But there is a God in heaven, the unveiler of secrets, and he has given to King Nebuchadnezzar knowledge of what will take place in the last days. Your dreams and the visions of your head on your bed are these:
kanefa misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina ka mampahafantatra an’ i Nebokadnezara mpanjaka izay ho tonga any am-parany. Ny nofinao sy ny fahitan’ ny lohanao teo amin’ ny farafaranao dia izao:
29 As for you, O King, the thoughts which came to you on your bed were of what will come about after this: and the unveiler of secrets has made clear to you what is to come.
Ny aminao, ry mpanjaka ô, raha nandry ianao, dia tonga ny eritreritrao ny amin’ izay ho avy rahatrizay; ary Izay mampiseho zava-miafina dia mampahafantatra anao izay ho avy.
30 As for me, this secret is not made clear to me because of any wisdom which I have more than any living man, but in order that the sense of the dream may be made clear to the king, and that you may have knowledge of the thoughts of your heart.
Ary izaho aza, dia tsy noho ny fahendrena ananako mihoatra noho ny olombelona rehetra tsy akory no nampisehoana tamiko ny zava-miafina, fa ny mba hampahafantarana ny mpanjaka ilay hevitra, ka hahafantaranao ny eritreritry ny fonao.
31 You, O King, were looking, and a great image was there. This image, which was very great, and whose glory was very bright, was placed before you: its form sent fear into the heart.
Hianao, ry mpanjaka ô, nahita fa, indro, nisy sariolona lehibe anankiray. Izany sary izany dia lehibe sady namirapiratra tsara, nijoro teo anatrehanao izy, ary ny tarehiny dia nahatahotra.
32 As for this image, its head was made of the best gold, its breast and its arms were of silver, its middle and its sides were of brass,
Ny lohan’ izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina,
33 Its legs of iron, its feet were in part of iron and in part of potter's earth.
ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga.
34 While you were looking at it, a stone was cut out, but not by hands, and it gave the image a blow on its feet, which were of iron and earth, and they were broken in bits.
Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
35 Then the iron and the earth, the brass and the silver and the gold, were smashed together, and became like the dust on the floors where grain is crushed in summer; and the wind took them away so that no sign of them was to be seen: and the stone which gave the image a blow became a great mountain, covering all the earth.
Dia niara-torotoro ny vy sy ny tanimanga sy ny varahina sy ny volafotsy ary ny volamena ka tonga toy ny akofa eo am-pamoloana fahavaratra; ary nopaohin’ ny rivotra izy, ka tsy nisy hitoerany, ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra.
36 This is the dream; and we will make clear to the king the sense of it.
Izany no nofy, ary holazainay eto anatrehan’ ny mpanjaka koa ny heviny.
37 You, O King, king of kings, to whom the God of heaven has given the kingdom, the power, and the strength, and the glory,
Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
38 Wherever the children of men are living; into whose hands he has given the beasts of the field and the birds of heaven, and has made you ruler over them all, you are the head of gold.
ka ny zanak’ olombelona sy ny bibi-dia ary ny voro-manidina, na aiza na aiza itoerany, dia nomeny ho eo an-tananao, ary nataony ho mpanjakan’ izy rehetra ianao, dia ianao izany loha volamena izany.
39 And after you another kingdom, lower than you, will come to power; and a third kingdom, of brass, ruling over all the earth.
Ary manarakaraka anao dia hisy fanjakana hafa hitsangana ambany noho ny anao, ary hisy fanjakana fahatelo koa izay varahina sady hanam-pahefana amin’ ny tany rehetra.
40 And the fourth kingdom will be strong as iron: because, as all things are broken and overcome by iron, so it will have the power of crushing and smashing down all the earth.
Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy toy ny vy; fa toy ny vy manorotoro sy mahamongomongo ny zavatra rehetra, ary toy ny famakivakin’ ny vy ireo rehetra ireo, dia toy izany no amakivakiany sy anorotoroany azy.
41 And as you saw the feet and toes, part of potter's work and part of iron, there will be a division in the kingdom; but there will be some of the strength of iron in it, because you saw the iron mixed with the potter's earth.
Ary satria hitanao ny tongotra sy ny rantsan-tongotra, fa ny tapany tanimangan’ ny mpanefy tanimanga, ary ny tapany vy dia ho fanjakana mizarazara izy; nefa hisy herim-by ao aminy, satria nahita vy miharo tanimanga mbola fotaka ianao.
42 And as the toes of the feet were in part of iron and in part of earth, so part of the kingdom will be strong and part of it will readily be broken.
Ary toy ny rantsan-tongotra, ny tapany vy, ny tapany tanimanga, dia ho toy izany ny fanjakana, ny tapany ho mafy, ary ny tapany ho malemy.
43 And as you saw the iron mixed with earth, they will give their daughters to one another as wives: but they will not be united one with another, even as iron is not mixed with earth.
Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ ny taranak’ olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ ny vy miharo amin’ ny tanimanga.
44 And in the days of those kings, the God of heaven will put up a kingdom which will never come to destruction, and its power will never be given into the hands of another people, and all these kingdoms will be broken and overcome by it, but it will keep its place for ever.
Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
45 Because you saw that a stone was cut out of the mountain without hands, and that by it the iron and the brass and the earth and the silver and the gold were broken to bits, a great God has given the king knowledge of what is to take place in the future: the dream is fixed, and its sense is certain.
Fa toy ilay nahitanao ny vato nendahana tamin’ ny tendrombohitra, nefa tsy nendahan-tanana, sy ny nanorotoroany ny vy sy ny varahina sy ny tanimanga sy ny volafotsy ary ny volamena, dia ampahafantarin’ Andriamanitra lehibe ny mpanjaka ny amin’ ny zavatra ho avy rahatrizay: marina ny nofy, ary tsy maintsy ho tò ny heviny.
46 Then King Nebuchadnezzar, falling down on his face, gave worship to Daniel, and gave orders for an offering and spices to be given to him;
Dia niankohoka Nebokadnezara mpanjaka ka nivavaka tamin’ i Daniela ary nampanatitra fanatitra sy hanitra ankasitrahana ho azy.
47 And the king made answer to Daniel and said, Truly, your God is a God of gods and a Lord of kings, and an unveiler of secrets, for you have been able to make this secret clear.
Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
48 Then the king made Daniel great, and gave him offerings in great number, and made him ruler over all the land of Babylon, and chief over all the wise men of Babylon.
Ary tamin’ izany ny mpanjaka dia nanandratra an’ i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ ny mpanapaka ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.
49 And at Daniel's request, the king gave Shadrach, Meshach, and Abed-nego authority over the business of the land of Babylon: but Daniel was kept near the king's person.
Ary Daniela nangataka tamin’ ny mpanjaka, ary izy nanendry an’ i Sadraka sy Mesaka ary Abednego ho tonian’ ny raharahan’ i Babylona sy ny fehiny; ary Daniela dia teo am-bavahadin’ ny mpanjaka.

< Daniel 2 >