< 1 Samuel 1 >

1 Now there was a certain man of Ramathaim, a Zuphite of the hill-country of Ephraim, named Elkanah; he was the son of Jeroham, the son of Elihu, the son of Tohu, the son of Zuph, an Ephraimite:
Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Elkana no anarany zanak’ i Jerohama, zanak’ i Eliho, zanak’ i Toho, zanak’ i Zofa.
2 And he had two wives, one named Hannah and the other Peninnah: and Peninnah was the mother of children, but Hannah had no children.
Ary namporafy izy, Hana no anaran’ ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran’ ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
3 Now this man went up from his town every year to give worship and to make offerings to the Lord of armies in Shiloh. And the two sons of Eli, Hophni and Phinehas, the priests of the Lord, were there.
Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin’ ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak’ i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron’ i Jehovah.
4 And when the day came for Elkanah to make his offering, he gave to Peninnah his wife, and to all her sons and daughters, their part of the feast:
Ary tamin’ ny andro namonoan’ i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
5 But to Hannah he gave one part, though Hannah was very dear to him, but the Lord had not let her have children.
Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon’ i Jehovah momba.
6 And the other wife did everything possible to make her unhappy, because the Lord had not let her have children;
Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan’ i Jehovah azy momba.
7 And year by year, whenever she went up to the house of the Lord, she kept on attacking her, so that Hannah gave herself up to weeping and would take no food.
Ary izany no fanaon’ i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon’ i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren’ ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
8 Then her husband Elkanah said to her, Hannah, why are you weeping? and why are you taking no food? why is your heart troubled? am I not more to you than ten sons?
Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9 So after they had taken food and wine in the guest room, Hannah got up. Now Eli the priest was seated by the pillars of the doorway of the Temple of the Lord.
Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ ny sezany teo anilan’ ny tolam-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah.
10 And with grief in her soul, weeping bitterly, she made her prayer to the Lord.
Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’ i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
11 And she made an oath, and said, O Lord of armies, if you will truly take note of the sorrow of your servant, not turning away from me but keeping me in mind, and will give me a man-child, then I will give him to the Lord all the days of his life, and his hair will never be cut.
Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’ i Jehovah kosa izy amin’ ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12 Now while she was a long time in prayer before the Lord, Eli was watching her mouth.
Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia nodinihin’ i Ely ny vavany.
13 For Hannah's prayer came from her heart, and though her lips were moving she made no sound: so it seemed to Eli that she was overcome with wine.
Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon’ i Ely fa mamo izy.
14 And Eli said to her, How long are you going to be the worse for drink? Put away the effects of your wine from you.
Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15 And Hannah, answering him, said, No, my lord, I am a woman whose spirit is broken with sorrow: I have not taken wine or strong drink, but I have been opening my heart before the Lord.
Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’ i Jehovah aho.
16 Do not take your servant to be a good-for-nothing woman: for my words have come from my stored-up sorrow and pain.
Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17 Then Eli said to her, Go in peace: and may the God of Israel give you an answer to the prayer you have made to him.
Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’ Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
18 And she said, May your servant have grace in your eyes. So the woman went away, and took part in the feast, and her face was no longer sad.
Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19 And early in the morning they got up, and after worshipping before the Lord they went back to Ramah, to their house: and Elkanah had connection with his wife; and the Lord kept her in mind.
Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’ i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
20 Now the time came when Hannah, being with child, gave birth to a son; and she gave him the name Samuel, Because, she said, I made a prayer to the Lord for him.
Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
21 And the man Elkanah with all his family went up to make the year's offering to the Lord, and to give effect to his oath.
Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an’ i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
22 But Hannah did not go, for she said to her husband, I will not go till the child has been taken from the breast, and then I will take him with me and put him before the Lord, where he may be for ever.
Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin’ ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin’ izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
23 And her husband Elkanah said to her, Do whatever seems right to you, but not till you have taken him from the breast; only may the Lord do as he has said. So the woman, waiting there, gave her son milk till he was old enough to be taken from the breast.
Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain’ i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
24 Then when she had done so, she took him with her, with a three-year old ox and an ephah of meal and a skin full of wine, and took him to the house of the Lord at Shiloh: now the child was still very young.
Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin’ ny vantotr’ ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon’ i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.
25 And when they had made an offering of the ox, they took the child to Eli.
Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin’ i Ely ny zaza.
26 And she said, O my lord, as your soul is living, my lord, I am that woman who was making a prayer to the Lord here by your side:
Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin’ i Jehovah.
27 My prayer was for this child; and the Lord has given him to me in answer to my request:
Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen’ i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.
28 So I have given him to the Lord; for all his life he is the Lord's. Then he gave the Lord worship there.
Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.

< 1 Samuel 1 >