< 1 Chronicles 7 >

1 And of the sons of Issachar: Tola and Puah, Jashub and Shimron, four.
Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
2 And the sons of Tola: Uzzi and Rephaiah and Jeriel and Jahmai and Ibsam and Shemuel, heads of their families; they were men of war; in the record of their generations their number in the time of David was twenty-two thousand, six hundred.
Ary ny zanakalahin’ i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia zanak’ i Tola sady samy lehilahy mahery tamin’ ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin’ ny andron’ i Davida.
3 And the sons of Uzzi; Izrahiah; and the sons of Izrahiah: Michael and Obadiah and Joel and Isshiah, five; all of them chiefs.
Ary ny zanakalahin’ i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin’ i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
4 And with them, recorded in generations by their families, were bands of fighting-men, thirty-six thousand of them, for they had a great number of wives and sons.
Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak’ ireo.
5 And there were recorded among all the families of Issachar, great men of war, eighty-seven thousand.
Ary ny rahalahiny ao amin’ ny fokon’ ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’ izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
6 The sons of Benjamin: Bela and Becher and Jediael, three.
Ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
7 And the sons of Bela: Ezbon and Uzzi and Uzziel and Jerimoth and Iri, five; heads of their families, great men of war; there were twenty-two thousand and thirty-four of them recorded by their families.
Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
8 And the sons of Becher: Zemirah and Joash and Eliezer and Elioenai and Omri and Jerimoth and Abijah and Anathoth and Alemeth. All these were the sons of Becher.
Ary ny zanakalahin’ i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Bakera.
9 And they were recorded by their generations, heads of their families, great men of war, twenty thousand, two hundred.
Ary ny isany araka ny firazanany amin’ ny fireneny, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
10 And the sons of Jediael: Bilhan; and the sons of Bilhan: Jeush and Benjamin and Ehud and Chenaanah and Zethan and Tarshish and Ahishahar.
Ny zanakalahin’ i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin’ i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
11 All these were the sons of Jediael, by the heads of their families, seventeen thousand, two hundred men of war, able to go out with the army for war.
Ireo zanakalahin’ i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan’ ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan’ ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
12 And Shuppim and Huppim. The sons of Dan, Hushim his son, one.
Sopima koa sy Hopima, zanakalahin’ Iry, ary Hosima, zanakalahin’ i Ahera.
13 The sons of Naphtali: Jahziel and Guni and Jezer and Shallum, the sons of Bilhah.
Ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin’ i Bila ireo.
14 The sons of Manasseh by his servant-wife, the Aramaean woman: she gave birth to Machir, the father of Gilead;
Ny zanakalahin’ i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’ i Matira, rain’ i Gileada.
15 (And Gilead took a wife, whose name was Maacah, and his sister's name was Hammoleketh; ) and the name of his brother was Zelophehad, who was the father of daughters.
Ary Makira naka vady ho an’ i Hopima sy Sopima; ny anaran’ ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran’ ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
16 And Maacah, the wife of Gilead, gave birth to a son to whom she gave the name Peresh; and his brother was named Sheresh; and his sons were Ulam and Rakem.
Ary Imaka, vadin’ i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran’ ny rahalahiny; ary ny anaran’ ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
17 And the son of Ulam: Bedan. These were the sons of Gilead, the son of Machir the son of Manasseh.
Ary ny zanakalahin’ i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin’ i Gileada, zanakalahin’ i Makira, zanakalahin’ i Manase.
18 And his sister Hammoleketh was the mother of Ishhod and Abiezer and Mahlah.
Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an’ Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
19 And the sons of Shemida were Ahian and Shechem and Likhi and Aniam.
Ary ny zanakalahin’ i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
20 And the sons of Ephraim: Shuthelah and Bered his son, and Tahath his son, and Eleadah his son, and Tahath his son,
Ary ny zanakalahin’ i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin’ i Sotela, Tahata no zanakalahin’ i Bareda, Elada no zanakalahin’ i Tahata, Tahata no zanakalahin’ i Elada,
21 And Zabad his son, and Shuthelah his son, and Ezer and Elead, whom the men of Gath, who had been living in the land from their birth, put to death, because they came down to take away their cattle.
Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
22 And for a long time Ephraim their father went on weeping for them, and his brothers came to give him comfort.
Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
23 After that, he had connection with his wife, and she became with child and gave birth to a son, to whom his father gave the name of Beriah, because trouble had come on his family.
Ary nony niray tamin’ ny vadiny izy, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’ izany.
24 And his daughter was Sheerah, the builder of Beth-horon the lower and the higher, and Uzzen-sheerah.
(Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an’ i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
25 And Rephah was his son, and Resheph; his son was Telah, and his son was Tahan;
Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin’ i Beria, Tela no zanakalahin’ i Rasefa, Tahana no zanakalahin’ i Tela,
26 Ladan was his son, Ammihud his son, Elishama his son,
Ladana no zanakalahin’ i Tahana, Amihoda no zanakalahin’ i Ladana, Elisama no zanakalahin’ i Amihoda.
27 Nun his son, Joshua his son.
Nona no zanakalahin’ i Elisama, Josoa no zanakalahin’ i Nona.
28 Their heritage and their living-places were Beth-el and its daughter-towns, and Naaran to the east, and Gezer to the west, with its daughter-towns, as well as Shechem and its daughter-towns as far as Azzah and its daughter-towns;
Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
29 And by the limits of the children of Manasseh, Beth-shean and its daughter-towns, Taanach, Megiddo, and Dor, with their daughter-towns. In these the children of Joseph, the son of Israel, were living.
ary teo amin’ ny sisin-tanin’ ny taranak’ i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin’ ireo no nonenan’ ny taranak’ i Josefa, zanak’ Isiraely.
30 The sons of Asher: Imnah and Ishvah and Ishvi and Beriah and Serah, their sister.
Ny zanakalahin’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin’ ireo.
31 And the sons of Beriah: Heber and Malchiel, who was the father of Birzaith.
Ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain’ i Birzavita.
32 And Heber was the father of Japhlet and Shomer and Hotham and Shua, their sister.
Ary Hebera niteraka an’ i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin’ ireo.
33 And the sons of Japhlet: Pasach and Bimhal and Ashvath. These are the sons of Japhlet.
Ary ny zanakalahin’ i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin’ i Jafleta.
34 And the sons of Shomer: Ahi and Rohgah, Jehubbah and Aram.
Ary ny zanakalahin’ i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
35 And the sons of Hotham, his brother: Zophah and Imna and Shelesh and Amal.
Ary ny zanakalahin’ i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
36 The sons of Zophah: Suah and Harnepher and Shual and Beri and Imrah,
Ny zanakalahin’ i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
37 Bezer and Hod and Shamma and Shilshah and Ithran and Beera.
sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
38 And the sons of Jether: Jephunneh and Pispah and Ara.
Ary ny zanakalahin’ i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
39 And the sons of Ulla: Arah and Hanniel and Rizia.
Ary ny zanakalahin’ i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
40 All these were the children of Asher, heads of their families, specially strong men of war, chiefs of the rulers. They were recorded in the army for war, twenty-six thousand men in number.
Ireo zanakalahin’ i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.

< 1 Chronicles 7 >