< Luke 21 >

1 Then Jesus looked up and saw the rich putting their gifts into the treasury,
Ary Jesosy nanopy ny masony nahita ny mpanankarena mandatsa-drakitra tao amin’ ny fandatsahan-drakitra;
2 and He saw a poor widow put in two small copper coins.
ary nahita mpitondratena malahelo anankiray koa mandatsaka farantsakely roa teo Izy.
3 “Truly I tell you,” He said, “this poor widow has put in more than all the others.
Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
4 For they all contributed out of their surplus, but she out of her poverty has put in all she had to live on.”
Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ ny haben’ ny fananany no nandatsahany tao amin’ ny rakitra; fa izy kosa tamin’ ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany.
5 As some of the disciples were remarking how the temple was adorned with beautiful stones and consecrated gifts, Jesus said,
Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
6 “As for what you see here, the time will come when not one stone will be left on another; every one will be thrown down.”
Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
7 “Teacher,” they asked, “when will these things happen? And what will be the sign that they are about to take place?”
Ary izy ireo nanontany Azy hoe: Mpampianatra ô, rahoviana no ho avy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany?
8 Jesus answered, “See to it that you are not deceived. For many will come in My name, claiming, ‘I am He,’ and, ‘The time is near.’ Do not follow them.
Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin’ ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy.
9 When you hear of wars and rebellions, do not be alarmed. These things must happen first, but the end is not imminent.”
Ary raha handre ady sy tabataba ianareo, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy dia miaraka amin’ izay ny farany.
10 Then He told them, “Nation will rise against nation, and kingdom against kingdom.
Ary hoy Izy taminy: Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.
11 There will be great earthquakes, famines, and pestilences in various places, along with fearful sights and great signs from heaven.
Ary hisy horohorontany lehibe ary mosary sy areti-mandringana any amin’ ny tany samy hafa, ary hisy zava-mahatahotra sy famantarana lehibe avy any an-danitra.
12 But before all this, they will seize you and persecute you. On account of My name they will deliver you to the synagogues and prisons, and they will bring you before kings and governors.
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
13 This will be your opportunity to serve as witnesses.
Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
14 So make up your mind not to worry beforehand how to defend yourselves.
Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo;
15 For I will give you speech and wisdom that none of your adversaries will be able to resist or contradict.
fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
16 You will be betrayed even by parents and brothers and relatives and friends, and some of you will be put to death.
Ary hatolotry ny ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, koa ny sasany aminareo dia hovonoiny.
17 And you will be hated by everyone because of My name.
Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.
18 Yet not even a hair of your head will perish.
Nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin’ ny lohanareo aza.
19 By your patient endurance you will gain your souls.
Amin’ ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
20 But when you see Jerusalem surrounded by armies, you will know that her desolation is near.
Ary raha mahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.
21 Then let those who are in Judea flee to the mountains, let those in the city get out, and let those in the country stay out of the city.
Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.
22 For these are the days of vengeance, to fulfill all that is written.
Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra.
23 How miserable those days will be for pregnant and nursing mothers! For there will be great distress upon the land and wrath against this people.
Fa lozan’ ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’ izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin’ ny tany ary fahatezerana amin’ ity firenena ity.
24 They will fall by the edge of the sword and be led captive into all the nations. And Jerusalem will be trodden down by the Gentiles, until the times of the Gentiles are fulfilled.
Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.
25 There will be signs in the sun and moon and stars, and on the earth dismay among the nations, bewildered by the roaring of the sea and the surging of the waves.
Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,
26 Men will faint from fear and anxiety over what is coming upon the earth, for the powers of the heavens will be shaken.
ka ho reraka ny fon’ ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ ny tany; fa ny herin’ ny lanitra dia hohozongozonina.
27 At that time they will see the Son of Man coming in a cloud with power and great glory.
Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
28 When these things begin to happen, stand up and lift up your heads, because your redemption is drawing near.”
Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.
29 Then Jesus told them a parable: “Look at the fig tree and all the trees.
Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra.
30 When they sprout leaves, you can see for yourselves and know that summer is near.
Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona.
31 So also, when you see these things happening, know that the kingdom of God is near.
Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra.
32 Truly I tell you, this generation will not pass away until all these things have happened.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
33 Heaven and earth will pass away, but My words will never pass away.
Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
34 But watch yourselves, or your hearts will be weighed down by dissipation, drunkenness, and the worries of life—and that day will spring upon you suddenly like a snare.
Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
35 For it will come upon all who dwell on the face of all the earth.
Fa hihatra amin’ izay rehetra mitoetra etỳ ambonin’ ny tany rehetra izany.
36 So keep watch at all times, and pray that you may have the strength to escape all that is about to happen and to stand before the Son of Man.”
Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
37 Every day Jesus taught at the temple, but every evening He went out to spend the night on the Mount of Olives.
Ary nony antoandro dia nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Izy; ary nony alina dia nivoaka Izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva.
38 And early in the morning all the people would come to hear Him at the temple.
Ary ny vahoaka rehetra nankeo aminy maraina koa teo an-kianjan’ ny tempoly hihaino Azy.

< Luke 21 >