< Ephesians 5 >

1 Be imitators of God, therefore, as beloved children,
Koa amin’ izany dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
2 and walk in love, just as Christ loved us and gave Himself up for us as a fragrant sacrificial offering to God.
ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.
3 But among you, as is proper among the saints, there must not be even a hint of sexual immorality, or of any kind of impurity, or of greed.
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masìna izany,
4 Nor should there be obscenity, foolish talk, or crude joking, which are out of character, but rather thanksgiving.
na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5 For of this you can be sure: No immoral, impure, or greedy person (that is, an idolater), has any inheritance in the kingdom of Christ and of God.
Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
6 Let no one deceive you with empty words, for because of such things the wrath of God is coming on the sons of disobedience.
Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana.
7 Therefore do not be partakers with them.
Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8 For you were once darkness, but now you are light in the Lord. Walk as children of light,
Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9 for the fruit of the light consists in all goodness, righteousness, and truth.
(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
10 Test and prove what pleases the Lord.
mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.
11 Have no fellowship with the fruitless deeds of darkness, but rather expose them.
Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12 For it is shameful even to mention what the disobedient do in secret.
Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13 But everything exposed by the light becomes visible, for everything that is illuminated becomes a light itself.
Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
14 So it is said: “Wake up, O sleeper, rise up from the dead, and Christ will shine on you.”
Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
15 Pay careful attention, then, to how you walk, not as unwise but as wise,
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16 redeeming the time, because the days are evil.
ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 Therefore do not be foolish, but understand what the Lord’s will is.
Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.
18 Do not get drunk on wine, which leads to reckless indiscretion. Instead, be filled with the Spirit.
Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19 Speak to one another with psalms, hymns, and spiritual songs. Sing and make music in your hearts to the Lord,
ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,
20 always giving thanks to God the Father for everything in the name of our Lord Jesus Christ.
misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika,
21 Submit to one another out of reverence for Christ.
sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy,
22 Wives, submit to your husbands as to the Lord.
Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23 For the husband is the head of the wife as Christ is the head of the church, His body, of which He is the Savior.
Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
24 Now as the church submits to Christ, so also wives should submit to their husbands in everything.
Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra.
25 Husbands, love your wives, just as Christ loved the church and gave Himself up for her
Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,
26 to sanctify her, cleansing her by the washing with water through the word,
mba hahamasina azy amin’ ny anadiovany azy amin’ ny rano fanasana amin’ ny teny;
27 and to present her to Himself as a glorious church, without stain or wrinkle or any such blemish, but holy and blameless.
mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy.
28 In the same way, husbands ought to love their wives as their own bodies. He who loves his wife loves himself.
Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29 Indeed, no one ever hated his own body, but he nourishes and cherishes it, just as Christ does the church.
Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’ i Kristy amin’ ny fiangonana;
30 For we are members of His body.
fa momba ny tenany isika.
31 “For this reason a man will leave his father and mother and be united to his wife, and the two will become one flesh.”
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.
32 This mystery is profound, but I am speaking about Christ and the church.
Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’ i Kristy sy ny fiangonana aho.
33 Nevertheless, each one of you also must love his wife as he loves himself, and the wife must respect her husband.
Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.

< Ephesians 5 >