+ Genesis 1 >

1 In the beginning God created the heavens and the earth.
Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2 And the earth was waste and void; and darkness was upon the face of the deep: and the Spirit of God moved upon the face of the waters.
Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano.
3 And God said, Let there be light: and there was light.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.
4 And God saw the light, that it was good: and God divided the light from the darkness.
Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’ Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5 And God called the light Day, and the darkness he called Night. And there was evening and there was morning, one day.
Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
6 And God said, Let there be a firmament in the midst of the waters, and let it divide the waters from the waters.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ ny rano izy.
7 And God made the firmament, and divided the waters which were under the firmament from the waters which were above the firmament: and it was so.
Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ ny habakabaka tamin’ ny rano ambonin’ ny habakabaka; dia nisy izany.
8 And God called the firmament Heaven. And there was evening and there was morning, a second day.
Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.
9 And God said, Let the waters under the heavens be gathered together unto one place, and let the dry land appear: and it was so.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ ny lanitra ho eo amin’ ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.
10 And God called the dry land Earth; and the gathering together of the waters called he Seas: and God saw that it was good.
Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
11 And God said, Let the earth put forth grass, herbs yielding seed, [and] fruit-trees bearing fruit after their kind, wherein is the seed thereof, upon the earth: and it was so.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.
12 And the earth brought forth grass, herbs yielding seed after their kind, and trees bearing fruit, wherein is the seed thereof, after their kind: and God saw that it was good.
Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
13 And there was evening and there was morning, a third day.
Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahatelo izany.
14 And God said, Let there be lights in the firmament of heaven to divide the day from the night; and let them be for signs, and for seasons, and for days and years:
Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.
15 and let them be for lights in the firmament of heaven to give light upon the earth: and it was so.
Ary aoka ho fanazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.
16 And God made the two great lights; the greater light to rule the day, and the lesser light to rule the night: [he made] the stars also.
Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.
17 And God set them in the firmament of heaven to give light upon the earth,
Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin’ ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin’ ny tany,
18 and to rule over the day and over the night, and to divide the light from the darkness: and God saw that it was good.
sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
19 And there was evening and there was morning, a fourth day.
Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.
20 And God said, Let the waters swarm with swarms of living creatures, and let birds fly above the earth in the open firmament of heaven.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan’ aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin’ ny tany eny amin’ ny habakabaky ny lanitra.
21 And God created the great sea-monsters, and every living creature that moveth, wherewith the waters swarmed, after their kind, and every winged bird after its kind: and God saw that it was good.
Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan’ aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin’ ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
22 And God blessed them, saying, Be fruitful, and multiply, and fill the waters in the seas, and let birds multiply on the earth.
Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin’ ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ ny tany.
23 And there was evening and there was morning, a fifth day.
Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.
24 And God said, Let the earth bring forth living creatures after their kind, cattle, and creeping things, and beasts of the earth after their kind: and it was so.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan’ aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.
25 And God made the beasts of the earth after their kind, and the cattle after their kind, and everything that creepeth upon the ground after its kind: and God saw that it was good.
Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.
26 And God said, Let us make man in our image, after our likeness: and let them have dominion over the fish of the sea, and over the birds of the heavens, and over the cattle, and over all the earth, and over every creeping thing that creepeth upon the earth.
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany.
27 And God created man in his own image, in the image of God created he him; male and female created he them.
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
28 And God blessed them: and God said unto them, Be fruitful, and multiply, and replenish the earth, and subdue it; and have dominion over the fish of the sea, and over the birds of the heavens, and over every living thing that moveth upon the earth.
Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.
29 And God said, Behold, I have given you every herb yielding seed, which is upon the face of all the earth, and every tree, in which is the fruit of a tree yielding seed; to you it shall be for food:
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
30 and to every beast of the earth, and to every bird of the heavens, and to everything that creepeth upon the earth, wherein there is life, [I have given] every green herb for food: and it was so.
Ary ny amin’ ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
31 And God saw everything that he had made, and, behold, it was very good. And there was evening and there was morning, the sixth day.
Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

+ Genesis 1 >