< Revelation 22 +

1 He showed me a river of water of life, clear as crystal, proceeding out of the throne of God and of the Lamb,
Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry
2 in the middle of its street. On this side of the river and on that was the tree of life, bearing twelve kinds of fruits, yielding its fruit every month. The leaves of the tree were for the healing of the nations.
teo afovoan’ ny lalambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
3 There will be no curse any more. The throne of God and of the Lamb will be in it, and his servants will serve him.
Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
4 They will see his face, and his name will be on their foreheads.
ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin’ ny handriny.
5 There will be no night, and they need no lamp light or sun light; for the Lord God will illuminate them. They will reign for the ages (aiōn g165) of the ages (aiōn g165).
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan’ ny jiro na fahazavan’ ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. (aiōn g165)
6 He said to me, “These words are faithful and true. The Lord God of the spirits of the prophets sent his angel to show to his bondservants the things which must happen soon.”
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin’ ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin’ ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
7 “Behold, I am coming soon! Blessed is he who keeps the words of the prophecy of this book.”
Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity.
8 Now I, John, am the one who heard and saw these things. When I heard and saw, I fell down to worship before the feet of the angel who had shown me these things.
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan’ ny tongotr’ ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
9 He said to me, “You must not do that! I am a fellow bondservant with you and with your brothers, the prophets, and with those who keep the words of this book. Worship God.”
Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman’ ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin’ ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
10 He said to me, “Do not seal up the words of the prophecy of this book, for the time is at hand.
Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity, fa antomotra ny andro.
11 He who acts unjustly, let him act unjustly still. He who is filthy, let him be filthy still. He who is righteous, let him do righteousness still. He who is holy, let him be holy still.”
Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masìna, aoka mbola hihamasina ihany izy.
12 “Behold, I am coming soon! My reward is with me, to repay to each man according to his work.
Indro avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
13 I am the Alpha and the Omega, the First and the Last, the Beginning and the End.
Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
14 Blessed are those who do his commandments, that they may have the right to the tree of life, and may enter in by the gates into the city.
Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna.
15 Outside are the dogs, the sorcerers, the sexually immoral, the murderers, the idolaters, and everyone who loves and practices falsehood.
Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
16 I, Jesus, have sent my angel to testify these things to you for the assemblies. I am the root and the offspring of David, the Bright and Morning Star.”
Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’ i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
17 The Spirit and the bride say, “Come!” He who hears, let him say, “Come!” He who is thirsty, let him come. He who desires, let him take the water of life freely.
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina.
18 I testify to everyone who hears the words of the prophecy of this book: if anyone adds to them, God will add to him the plagues which are written in this book.
Izaho dia manambara amin’ izay rehetra mandre ny tenin’ ny faminaniana amin’ ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ ity boky ity ho azy;
19 If anyone takes away from the words of the book of this prophecy, God will take away his part from the tree of life, and out of the holy city, which are written in this book.
ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masìna, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity.
20 He who testifies these things says, “Yes, I am coming soon.” Amen! Yes, come, Lord Jesus!
Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
21 The grace of the Lord Jesus Christ be with all the saints. Amen.
Ho amin’ ny olona masìna anie ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo. Amena.

< Revelation 22 +