< Psalms 70 >

1 For the Chief Musician. By David. A reminder. Hurry, God, to deliver me. Come quickly to help me, LORD.
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
2 Let them be disappointed and confounded who seek my soul. Let those who desire my ruin be turned back in disgrace.
Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy;
3 Let them be turned because of their shame who say, “Aha! Aha!”
Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
4 Let all those who seek you rejoice and be glad in you. Let those who love your salvation continually say, “Let God be exalted!”
Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
5 But I am poor and needy. Come to me quickly, God. You are my help and my deliverer. LORD, do not delay.
Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.

< Psalms 70 >