< Numbers 12 >

1 Miriam and Aaron spoke against Moses because of the Cushite woman whom he had married; for he had married a Cushite woman.
Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’ i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy.
2 They said, “Has the LORD indeed spoken only with Moses? Has not he spoken also with us?” And the LORD heard it.
Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’ i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’ i Jehovah izany.
3 Now the man Moses was very humble, more than all the men who were on the surface of the earth.
Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany.
4 The LORD spoke suddenly to Moses, to Aaron, and to Miriam, “You three come out to the Tent of Meeting!” The three of them came out.
Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin’ i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy.
5 The LORD came down in a pillar of cloud, and stood at the door of the Tent, and called Aaron and Miriam; and they both came forward.
Ary andri-rahona no nidinan’ i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran’ ny trano-lay Izy; dia niantso an’ i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy.
6 He said, “Now hear my words. If there is a prophet among you, I, the LORD, will make myself known to him in a vision. I will speak with him in a dream.
Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin’ i Jehovah eo aminareo, dia amin’ ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin’ ny nofy no hitenenako aminy.
7 My servant Moses is not so. He is faithful in all my house.
Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin’ ny tranoko rehetra.
8 With him, I will speak mouth to mouth, even plainly, and not in riddles; and he shall see the LORD’s form. Why then were you not afraid to speak against my servant, against Moses?”
Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
9 The LORD’s anger burned against them; and he departed.
Dia nirehitra ny fahatezeran’ i Jehovah tamin’ izy mianadahy, ka niala Izy.
10 The cloud departed from over the Tent; and behold, Miriam was leprous, as white as snow. Aaron looked at Miriam, and behold, she was leprous.
Ary ny rahona niala tamin’ ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an’ i Miriama, ka indro fa boka izy.
11 Aaron said to Moses, “Oh, my lord, please do not count this sin against us, in which we have done foolishly, and in which we have sinned.
Ary hoy Arona tamin’ i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.
12 Let her not, I pray, be as one dead, of whom the flesh is half consumed when he comes out of his mother’s womb.”
Aza dia avela ho toy ny maty izy, izay lany ny antsasaky ny nofony, raha vao teraka izy.
13 Moses cried to the LORD, saying, “Heal her, God, I beg you!”
Ary Mosesy dia nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy!
14 The LORD said to Moses, “If her father had but spit in her face, should not she be ashamed seven days? Let her be shut up outside of the camp seven days, and after that she shall be brought in again.”
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha nandrora tamin’ ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.
15 Miriam was shut up outside of the camp seven days, and the people did not travel until Miriam was brought in again.
Dia natokana tany ivelan’ ny toby hafitoana Miriama; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama.
16 Afterward the people traveled from Hazeroth, and encamped in the wilderness of Paran.
Ary rehefa afaka izany, dia niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-efitra Parana.

< Numbers 12 >