< Job 14 >

1 “Man, who is born of a woman, is of few days, and full of trouble.
Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
2 He grows up like a flower, and is cut down. He also flees like a shadow, and does not continue.
Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.
3 Do you open your eyes on such a one, and bring me into judgment with you?
kanefa amin’ izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin’ ny fitsarana!
4 Who can bring a clean thing out of an unclean? Not one.
Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
5 Seeing his days are determined, the number of his months is with you, and you have appointed his bounds that he cannot pass.
Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan’ ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
6 Look away from him, that he may rest, until he accomplishes, as a hireling, his day.
Dia mihodìna tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin’ ny androny toy ny mpikarama.
7 “For there is hope for a tree if it is cut down, that it will sprout again, that the tender branch of it will not cease.
Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
8 Though its root grows old in the earth, and its stock dies in the ground,
Na dia efa tonga antitra ao amin’ ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin’ ny vovoka ny fotony,
9 yet through the scent of water it will bud, and sprout boughs like a plant.
Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
10 But man dies, and is laid low. Yes, man gives up the spirit, and where is he?
Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
11 As the waters fail from the sea, and the river wastes and dries up,
Ny rano miala eo amin’ ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
12 so man lies down and does not rise. Until the heavens are no more, they will not awake, nor be roused out of their sleep.
Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian’ ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin’ ny torimasony.
13 "Oh that you would hide me in Sheol (Sheol h7585), that you would keep me secret until your wrath is past, that you would appoint me a set time and remember me!
Enga anie ka hanafina ahy any amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr’ andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy (Sheol h7585)
14 If a man dies, will he live again? I would wait all the days of my warfare, until my release should come.
Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan’ ny fahafahako.
15 You would call, and I would answer you. You would have a desire for the work of your hands.
Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ ny tananao Hianao.
16 But now you count my steps. Do not you watch over my sin?
Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
17 My disobedience is sealed up in a bag. You fasten up my iniquity.
Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
18 “But the mountain falling comes to nothing. The rock is removed out of its place.
Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin’ ny fitoerany;
19 The waters wear the stones. The torrents of it wash away the dust of the earth. So you destroy the hope of man.
Lanin’ ny rano ny vato; ary indaosin’ ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan’ ny zanak’ olombelona.
20 You forever prevail against him, and he departs. You change his face, and send him away.
Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
21 His sons come to honor, and he does not know it. They are brought low, but he does not perceive it of them.
Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
22 But his flesh on him has pain, and his soul within him mourns.”
Ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin’ ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.

< Job 14 >