< Ezekiel 5 >

1 “You, son of man, take a sharp sword. You shall take it as a barber’s razor to yourself, and shall cause it to pass over your head and over your beard. Then take balances to weigh and divide the hair.
Ary ianao, ry zanak’ olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan’ ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
2 A third part you shall burn in the fire in the middle of the city, when the days of the siege are fulfilled. You shall take a third part, and strike with the sword around it. A third part you shall scatter to the wind, and I will draw out a sword after them.
Ny ampahatelony dia dory amin’ ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron’ ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin’ ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3 You shall take a small number of these and bind them in the folds of your robe.
Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin’ ny sisin-dambanao.
4 Of these again you shall take, and cast them into the middle of the fire, and burn them in the fire. From it a fire will come out into all the house of Israel.
Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin’ ny taranak’ Isiraely rehetra.
5 “The Lord GOD says: ‘This is Jerusalem. I have set her in the middle of the nations, and countries are around her.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan’ ny jentilisa, ka voahodidin’ ireny tany ireny izy.
6 She has rebelled against my ordinances in doing wickedness more than the nations, and against my statutes more than the countries that are around her; for they have rejected my ordinances, and as for my statutes, they have not walked in them.’
Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7 “Therefore the Lord GOD says: ‘Because you are more turbulent than the nations that are around you, and have not walked in my statutes, neither have kept my ordinances, neither have followed the ordinances of the nations that are around you;
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8 therefore the Lord GOD says: ‘Behold, I, even I, am against you; and I will execute judgments among you in the sight of the nations.
dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ ny firenena.
9 I will do in you that which I have not done, and which I will not do anything like it any more, because of all your abominations.
Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
10 Therefore the fathers will eat the sons within you, and the sons will eat their fathers. I will execute judgments on you; and I will scatter the whole remnant of you to all the winds.
Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra;
11 Therefore as I live,’ says the Lord GOD, ‘surely, because you have defiled my sanctuary with all your detestable things, and with all your abominations, therefore I will also diminish you. My eye will not spare, and I will have no pity.
eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masìna tamin’ ny zava-dratsinao rehetra sy tamin’ ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12 A third part of you will die with the pestilence, and they will be consumed with famine within you. A third part will fall by the sword around you. A third part I will scatter to all the winds, and will draw out a sword after them.
Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ ny areti-mandringana na ho ringan’ ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
13 “‘Thus my anger will be accomplished, and I will cause my wrath toward them to rest, and I will be comforted. They will know that I, the LORD, have spoken in my zeal, when I have accomplished my wrath on them.
Ary ho tanteraka amin’ izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin’ ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
14 “‘Moreover I will make you a desolation and a reproach among the nations that are around you, in the sight of all that pass by.
Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin’ ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason’ izay rehetra mandalo.
15 So it will be a reproach and a taunt, an instruction and an astonishment, to the nations that are around you, when I execute judgments on you in anger and in wrath, and in wrathful rebukes—I, the LORD, have spoken it—
Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin’ ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin’ ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16 when I send on them the evil arrows of famine that are for destruction, which I will send to destroy you. I will increase the famine on you and will break your staff of bread.
raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan’ aina.
17 I will send on you famine and evil animals, and they will bereave you. Pestilence and blood will pass through you. I will bring the sword on you. I, the LORD, have spoken it.’”
Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany

< Ezekiel 5 >