< 2 Kings 13 >

1 In the twenty-third year of Joash the son of Ahaziah, king of Judah, Jehoahaz the son of Jehu began to reign over Israel in Samaria for seventeen years.
Tamin’ ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin’ ny folo taona izy.
2 He did that which was evil in the LORD’s sight, and followed the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin. He did not depart from it.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin’ izany izy.
3 The LORD’s anger burned against Israel, and he delivered them into the hand of Hazael king of Syria, and into the hand of Benhadad the son of Hazael, continually.
Ary ny fahatezeran’ i Jehovah nirehitra tamin’ ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan’ i Hazaela, mpanjakan’ i Syria, sy teo an-tanan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, mandrakariva izy.
4 Jehoahaz begged the LORD, and the LORD listened to him; for he saw the oppression of Israel, how the king of Syria oppressed them.
Ary Joahaza nifona tamin’ i Jehovah, dia nohenoin’ i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian’ ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan’ i Syria.
5 (The LORD gave Israel a savior, so that they went out from under the hand of the Syrians; and the children of Israel lived in their tents as before.
Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin’ ny Isiraely, ka dia afaka tamin’ ny tanan’ ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak’ Isiraely.
6 Nevertheless they did not depart from the sins of the house of Jeroboam, with which he made Israel to sin, but walked in them; and the Asherah also remained in Samaria.)
Kanefa tsy niala tamin’ ny fahotan’ ny taranak’ i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin’ izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.
7 For he did not leave to Jehoahaz of the people any more than fifty horsemen, and ten chariots, and ten thousand footmen; for the king of Syria destroyed them and made them like the dust in threshing.
Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
8 Now the rest of the acts of Jehoahaz, and all that he did, and his might, are not they written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
Ary ny tantaran’ i Joahaza sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
9 Jehoahaz slept with his fathers; and they buried him in Samaria; and Joash his son reigned in his place.
Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
10 In the thirty-seventh year of Joash king of Judah, Jehoash the son of Jehoahaz began to reign over Israel in Samaria for sixteen years.
Tamin’ ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, tamin’ ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin’ ny folo taona izy.
11 He did that which was evil in the LORD’s sight. He did not depart from all the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin; but he walked in them.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy; fa tsy niala tamin’ ny fahotana rehetra izay nataon’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin’ izany ihany izy.
12 Now the rest of the acts of Joash, and all that he did, and his might with which he fought against Amaziah king of Judah, are not they written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
13 Joash slept with his fathers; and Jeroboam sat on his throne. Joash was buried in Samaria with the kings of Israel.
Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
14 Now Elisha became sick with the illness of which he died; and Joash the king of Israel came down to him, and wept over him, and said, “My father, my father, the chariots of Israel and its horsemen!”
Ary Elisa dia nararin’ ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin’ ny tavan’ i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
15 Elisha said to him, “Take bow and arrows;” and he took bow and arrows for himself.
Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
16 He said to the king of Israel, “Put your hand on the bow;” and he put his hand on it. Elisha laid his hands on the king’s hands.
Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin’ ny tanan’ ny mpanjaka.
17 He said, “Open the window eastward;” and he opened it. Then Elisha said, “Shoot!” and he shot. He said, “The LORD’s arrow of victory, even the arrow of victory over Syria; for you will strike the Syrians in Aphek until you have consumed them.”
Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan’ ny famonjen’ i Jehovah, dia zana-tsipìkan’ ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
18 He said, “Take the arrows;” and he took them. He said to the king of Israel, “Strike the ground;” and he struck three times, and stopped.
Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
19 The man of God was angry with him, and said, “You should have struck five or six times. Then you would have struck Syria until you had consumed it, but now you will strike Syria just three times.”
Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
20 Elisha died, and they buried him. Now the bands of the Moabites invaded the land at the coming in of the year.
Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin’ ny Moabita nananika ny tany amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
21 As they were burying a man, behold, they saw a band of raiders; and they threw the man into Elisha’s tomb. As soon as the man touched Elisha’s bones, he revived, and stood up on his feet.
Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan’ i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin’ ny taolan’ i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin’ ny tongony.
22 Hazael king of Syria oppressed Israel all the days of Jehoahaz.
Ary Hazaela, mpanjakan’ i Syria, nampahory ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra nanjakan’ i Joahaza.
23 But the LORD was gracious to them, and had compassion on them, and favored them because of his covenant with Abraham, Isaac, and Jacob, and would not destroy them and he did not cast them from his presence as yet.
Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
24 Hazael king of Syria died; and Benhadad his son reigned in his place.
Ary maty Hazaela, mpanjakan’ i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.
25 Jehoash the son of Jehoahaz took again out of the hand of Benhadad the son of Hazael the cities which he had taken out of the hand of Jehoahaz his father by war. Joash struck him three times, and recovered the cities of Israel.
Ary Joasy, zanak’ i Joahaza, naka indray teo an-tànan’ i Beni-hadada, zanak’ i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain’ i Hazaela teo an-tànan’ i Joahaza, rain’ i Joasy, tamin’ ny ady. Intelo no nandresen’ i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan’ ny Isiraely.

< 2 Kings 13 >