< Luke 23 >

1 And having risen, the whole company of them led him to Pilate.
Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,
2 And they began to accuse him, saying, We found this man perverting the nation, and forbidding to give tribute to Caesar, saying himself to be Christ, a king.
dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
3 And Pilate questioned him, saying, Are thou the king of the Jews? And having answered him, he said, Thou say.
Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
4 And Pilate said to the chief priests and the multitudes, I find nothing guilty in this man.
Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity.
5 But they were emphatic, saying, He stirs up the people, teaching throughout all Judea, having begun from Galilee as far as here.
Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
6 And when Pilate heard Galilee, he questioned if the man is a Galilean.
Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
7 And when he perceived that he is from Herod's jurisdiction, he sent him to Herod, who was himself also in Jerusalem in these days.
Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany.
8 Now when Herod saw Jesus, he was exceedingly glad, for he was wanting of a considerable time to see him, because of hearing many things about him, and he hoped to see some sign happening by him.
Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
9 And he interrogated him in considerable words, but he answered him nothing.
Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
10 And the chief priests and the scholars had stood, vehemently accusing him.
Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
11 But Herod having disdained him with his soldiers, and having mocked him, having arraying him in a bright robe, he sent him back to Pilate.
Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato.
12 And both Pilate and Herod became friends with each other on the same day, for they were formerly being at enmity toward themselves.
Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany.
13 And Pilate having called together the chief priests, and the rulers, and the people,
Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
14 said to them, Ye brought this man to me as turning away the people. And behold, I, having examined him before you, found nothing guilty in this man of what ye accuse against him.
dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy.
15 But not even Herod, for I sent you back to him, and lo, nothing having been done by him is worthy of death.
Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
16 Therefore, having scourged I will release him.
koa hofaizako Izy, dia halefako.
17 Now he had need to release one man to them at every feast.
18 But they cried out all together, saying, Take away this man, and release to us Barabbas
Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
19 (a man who was cast into prison because of a certain insurrection that occurred in the city, and for murder).
Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
20 Again therefore Pilate called out wanting to release Jesus,
Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
21 but they shouted, saying, Crucify, crucify him.
Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
22 And he said to them a third time, For what evil did this man do? I have found nothing guilty of death in him. I will therefore, having scourged, release him.
Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
23 But they were relentless with loud voices demanding him to be crucified. And their voices and those of the chief priests prevailed.
Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona.
24 And Pilate decreed their request to happen.
Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
25 And he released the man who had been cast into prison because of insurrection and murder, whom they asked for, but he delivered Jesus to their will.
Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
26 And when they led him away, having taken hold of a certain Simon, a Cyrenian coming from the countryside, they laid the cross on him to bring behind Jesus.
Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy.
27 And a great multitude of the people followed him, and also of women who bewailed and lamented him.
Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
28 But having turning to them, Jesus said, Daughters of Jerusalem, weep not for me, instead weep for yourselves and for your children.
Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
29 Because, behold, the days are coming, during which they will say, Blessed are the barren, and the bellies that gave no birth, and the breasts that did not suckle.
Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
30 Then they will begin to say to the mountains, Fall on us, and to the hills, Cover us.
Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay.
31 Because if they do these things in the green tree, what will happen in the dry?
Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina?
32 And two other men, malefactors, were also led with him to be executed.
Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
33 And when they came to the place called Skull, there they crucified him, and the malefactors, one at the right hand and the other at the left.
Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
34 And Jesus said, Father, forgive them, for they know not what they are doing. And dividing his garments, they cast a lot.
Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
35 And the people had stood watching. And also the rulers with them sneered, saying, He saved others. He should save himself, if this is the Christ, the chosen of God.
Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
36 And the soldiers also mocked him, approaching, and bringing him vinegar,
Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
37 and saying, If thou are the king of the Jews, save thyself.
sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
38 And there was also an inscription over him written in letters, in Greek and Latin and Hebrew: THIS IS THE KING OF THE JEWS.
Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.
39 And one of the malefactors who were hanged railed him, saying, If thou are the Christ, save thyself and us.
Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
40 But the other man having answered, rebuking him, saying, Thou fear not even God, since thou are in the same condemnation?
Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
41 And we indeed justly, for we receive worthy of what we did, but this man did nothing amiss.
Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
42 And he said to Jesus, Remember me, Lord, when thou come into thy kingdom.
Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
43 And Jesus said to him, Truly I say to thee, today thou will be with me in the paradise.
Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
44 And it was about the sixth hour, and darkness occurred over the whole land until the ninth hour.
Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany,
45 And the sun was darkened, and the curtain of the temple was torn in the middle.
satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.
46 And Jesus, having sounded out in a great voice, said, Father, into thy hands I entrust my spirit. And having said these things, he expired.
Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
47 And when the centurion saw that which happened, he glorified God, saying, Certainly this man was righteous.
Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
48 And all the multitudes who came together to this scene, watching that which happened, turned back, beating their breasts.
Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
49 And all his acquaintances, and the women who accompanied him from Galilee, had stood from afar, seeing these things.
Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
50 And behold a man named Joseph, a council member, being a good and righteous man
Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
51 (this man not having consented to their purpose and deed), was from Arimathaea, a city of the Jews, who also himself awaited the kingdom of God.
Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra.
52 This man having gone to Pilate, requested the body of Jesus.
Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
53 And having taken it down, he wrapped it in linen, and laid it in a sepulcher cut in rock, of which no man was yet lain.
Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
54 And the day was Preparation; sabbath was beginning.
Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
55 And having followed closely, the women who were gathered to him out of Galilee, they saw the sepulcher, and how his body was laid.
Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
56 And having returned, they prepared spices and ointments. And they indeed rested on the sabbath according to the commandment.
Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.

< Luke 23 >