< Mikas 5 >

1 Riv nu Sår i din Hud! De bar opkastet en Vold imod os; med Stokken slår de Israels Hersker på Kinden.
Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin’ ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ ny Isiraely izy.
2 Og du du Betlehems-Efrata, liden til at være blandt Judas Tusinder! Af dig skal udgå mig een til at være Hersker i Israel. Hans Udspring er fra fordum, fra Evigheds Dage.
Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.
3 Derfor giver han dem hen, så længe til hun, som skal føde, føder, og Resten af hans Brødre vender hjem til Israeliterne.
Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
4 Han skal stå og vogte i HERRENs Kraft, i HERREN sin Guds høje Navn. De skal bo trygt, thi nu skal hans Storhed nå Jordens Grænser.
Ary hitsangana Izy hiandry ny ondriny amin’ ny herin’ i Jehovah. Sy amin’ ny voninahitry ny anaran’ i Jehovah Andriamaniny, Ka handry fahizay ireny, Fa izao dia ho lehibe hatrany amin’ ny faran’ ny tany Izy.
5 Og han skal være Fred. Når Assur trænger ind i vort Land, og når han træder ind i vore Borge, stiller vi syv Hyrder imod ham og otte fyrstelige Mænd,
Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
6 som skal vogte Assurs Land med Sværd og Nimrods Land med Klinge. Og han skal fri os fra Assur, når han trænger ind i vort Land, træder ind på vore Enemærker.
Ary handany ny tany Asyria amin’ ny sabatra Sy ny tanin’ i Nimroda ao an-tanànany ireo; Ary Izy hamonjy amin’ ny Asyriana, Raha tonga amin’ ny tanintsika sady manitsaka ato amin’ ny fari-tanintsika ireny.
7 Da bliver Jakobs Rest i de mange Folkeslags Midte som Dug, der kommer fra HERREN, som Regnens Dråber på Græs, der ikke venter på nogen eller bier på Menneskens Børn.
Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny firenena maro Dia ho tahaka ny ando avy amin’ i Jehovah, Sy tahaka ny ranonorana eny amin’ ny ahitra, Izay tsy manantena mpaniraka, Na miandry zanak’ olombelona.
8 Da bliver Jakobs Rest blandt Folkene i de mange Folkeslags Midte som en Løve blandt Skovens Dyr, en Ungløve blandt Fårehjorde, der nedtramper, når den går frem, og sønderriver redningsløst.
Ary izay sisa amin’ i Jakoba ao amin’ ny jentilisa, Ao amin’ ny firenena maro, Dia ho tahaka ny liona amin’ ny biby any an’ ala, Sy ho tahaka ny liona tanora ao amin’ ny andian’ ny ondry aman’ osy: Raha mamaky eo izy, dia manitsakitsaka sy mamiravira, ka tsy misy mahavonjy.
9 Din Hånd skal være over dine Uvenner, alle dine Fjender ryddes bort.
Aoka haingaina amin’ ny rafilahinao ny tananao, Ary aoka ho ringana ny fahavalonao rehetra.
10 På hin Dag, lyder det fra HERREN, udrydder jeg Hestene af dig, dine Stridsvogne gør jeg til intet.
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
11 rydder Byerne bort i dit Land, river alle dine Fæstninger ned,
Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
12 rydder Trolddommen bort af din Hånd, Tegntydere får du ej mer;
Hofoanako tsy hisy amin’ ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
13 jeg rydder dine Billeder bort, Stenstøtterne bort af din Midte og du skal ikke mer tilbede dine Hænders Værk.
Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan’ ny asan’ ny tananao intsony ianao.
14 Jeg udrydder dine Asjerer og lægger dine Afguder øde;
Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
15 i Vrede og Harme tager jeg Hævn over Folk, som ikke vil høre.
Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.

< Mikas 5 >