< Psalmi 141 >

1 Psalam. Davidov. Prizivljem te, Jahve, k meni pohitaj! Slušaj glas moj kojim tebi vapijem!
Salamo nataon’ i Davida.
2 Nek' mi se uzdigne molitva kao kad pred lice tvoje, podizanje mojih ruku nek' bude k'o prinos večernji!
Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako, Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tanako.
3 Na usta mi, Jahve, stražu postavi i stražare na vrata usana mojih!
Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ ny vavako; Ambeno ny varavaran’ ny molotro.
4 Ne daj da mi se srce zlu prikloni, da bezbožno počinim djela opaka; i u društvu zlotvora da ne blagujem poslastica njihovih!
Aza avela hirona ho amin’ ny zava-dratsy ny foko, Hiray raharaha amin’ ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety; Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.
5 Nek' me samo udari pravednik, ljubav je što me kara, al' ulje grešničko neće mi glavu pomazat'; zloći njihovoj oprijet ću se uvijek svojom molitvom.
Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.
6 Kad strovale niz hridinu suce njihove, razumjet će kako blage bjehu riječi moje.
Havarina amin’ ny hantsam-bato ny mpitsara azy, Dia hankasitraka ny teniko ny olona.
7 Kao kad orač ore i para zemlju, tako će im se na rubu Podzemlja kosti rasuti. (Sheol h7585)
Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
8 U te su, Jahve, uprte oči moje, k tebi se utječem, ne daj da mi duša propadne!
Fa Hianao no andrandrain’ ny masoko, Jehovah Tompo ô; Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.
9 Čuvaj me od stupice koju postaviše meni, od zamki zločinaca!
Arovy aho amin’ ny fandrika amandrihany ahy Sy amin’ ny tadivavaran’ ny mpanao ratsy.
10 Nek' u vlastite zamke upadnu zlotvori, a ja neka im umaknem!
Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin’ ny fandriny ihany, Fa izaho kosa handalo fotsiny.

< Psalmi 141 >