< Mudre Izreke 4 >

1 Slušajte, djeco, pouku očevu i pazite kako biste spoznali mudrost,
Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2 jer dobar vam nauk dajem: ne prezrite moga naputka.
Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3 I ja sam bio sin u svoga oca i nježan jedinac u svoje matere;
Fa zanak’ ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason’ ineny.
4 i mene je on učio i govorio mi: “Zadrži moje riječi u svojem srcu, poštuj moje zapovijedi i živjet ćeš.
Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5 Steci mudrost, steci razbor, ne smeći ih s uma i ne odstupi od riječi mojih usta.
Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6 Ne ostavljaj je i čuvat će te; ljubi je i obranit će te.
Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7 Početak je mudrosti: steci sebi mudrost i svim svojim imanjem steci razboritost.
Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
8 Veličaj je i uzvisit će te; donijet će ti čast kad je prigrliš.
Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9 Stavit će ti ljupki vijenac na glavu, i obdarit će te krasnom krunom.”
Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10 Poslušaj, sine moj, primi moje riječi i umnožit će se godine tvojeg života.
Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11 Poučih te putu mudrosti, navratih te na prave staze;
Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
12 neće ti se zapletati koraci kad staneš hoditi; potrčiš li, nećeš posrnuti.
Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13 Čvrsto se drži pouke, ne puštaj je, čuvaj je, jer ona ti je život.
Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14 Ne idi stazom opakih i ne stupaj putem zlikovaca.
Aza mankany amin’ ny alehan’ ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin’ ny lalan’ ny ratsy.
15 Ostavi ga, ne hodi njime; kloni ga se i zaobiđi ga.
Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16 Jer oni ne spavaju ako ne učine zla, i san im ne dolazi ako koga ne obore.
Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
17 Jer jedu kruh opačine i piju vino nasilja.
Fa mihinana ny mofon’ ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain’ ny fahalozàna.
18 A pravednička je staza kao svjetlost svanuća, koja je sve jasnija do potpunog dana.
Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
19 A put je opakih kao mrkli mrak: ne znaju o što će se spotaknuti.
Ny alehan’ ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20 Sine moj, pazi na moje riječi, prigni uho svoje mojim besjedama.
Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21 Ne gubi ih nikad iz očiju, pohrani ih usred srca svoga.
Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22 Jer su život onima koji ih nalaze i ozdravljenje svemu tijelu njihovu.
Fa aina ho an’ ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an’ ny nofony rehetra.
23 A svrh svega, čuvaj svoje srce, jer iz njega izvire život.
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
24 Drži daleko od sebe lažna usta i udalji od sebe usne prijevarne.
Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25 Nek' tvoje oči gledaju u lice i neka ti je pogled uvijek prav.
Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26 Pazi na stazu kojom kročiš i neka ti svi putovi budu pouzdani.
Ataovy marina ny alehan’ ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
27 Ne skreći ni desno ni lijevo, drži svoj korak daleko oda zla.
Aza mivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia; Esory amin’ ny ratsy ny tongotrao.

< Mudre Izreke 4 >