< 1 Ljetopisa 5 >

1 Sinovi Izraelova prvenca Rubena. On je doista bio prvenac; ali kad je oskvrnuo očevu postelju, njegovo je pravo prvorodstva bilo dano sinovima Izraelova sina Josipa, ali im nije bilo upisano u rodovnik,
Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;
2 jer je Juda nadvladao među braćom, a od njega se rodio knez. Ipak je pravo prvorodstva pripalo Josipu.
fa Joda nisandratra noho ny rahalahiny, ary izy no nihavian’ ny mpanapaka; nefa ny fizokiana kosa dia an’ i Josefa ihany),
3 Sinovi Izraelova prvenca Rubena bili su Henok, Falu, Hesron i Karmi.
ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy.
4 Joelovi sinovi: njegov sin Šemaja, njegov sin Gog, njegov sin Šimej,
Ny zanakalahin’ i Joela dia Semaia, ary Goga no zanakalahin’ i Semaia, Sirney no zanakalahin’ i Goga,
5 njegov sin Mika, njegov sin Reaja, njegov sin Baal,
Mika no zanakalahin’ i simey, Reaia no zanakalahin’ i Mika, Bala no zanakalahin’ i Reaia,
6 njegov sin Beera, koga je odveo u sužanjstvo asirski kralj Tiglat Pileser; on je bio poglavar Rubenova plemena.
Bera no zanakalahin’ i Bala, izay nobaboin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria; izy no loham-pirenen’ ny Robenita.
7 Njegovoj braći, po obiteljima, kad su se zapisali u plemenski rodovnik po naraštajima, bio je poglavar Jeiel, Zaharija,
Ary ny rahalahiny araka ny fokony avy, raha nisaina ny firazanan’ ny fireneny, dia Jeiela lohany sy Zakaria
8 Bela, sin Azazov, sin Šemin, sin Joelov. On je živio u Aroeru i do Neba i Baal Meona.
ary Bela, zanak’ i Azaza, zanak’ i Sema, zanak’ i Joela, izay nonina tao Aroera hatrany Nebo sy Balameona.
9 Prema istoku njegova se zemlja prostirala do ulaza u pustinju, od rijeke Eufrata, jer mu se stoka umnožila u gileadskoj zemlji.
Ary nonina tany atsinanana hatrany akaikin’ ny efitra ka hatramin’ ny ony Eofrata izy; fa ny ombiny aman’ ondriny nihamaro teny amin’ ny tany Gileada.
10 Za Šaulovih vremena vojevali su s Hagrijcima koji su izginuli od njihove ruke; tako su se naselili u njihove šatore po svemu istočnom području od Gileada.
Ary tamin’ ny andron’ i Saoly dia niady tamin’ ny Hagarita izy ka naharesy azy; ary nonina an-day eran’ ny ilany atsinanana rehetra amin’ i Gileada izy.
11 Gadovi su sinovi živjeli blizu njih u bašanskoj zemlji do Salke.
Ary ny taranak’ i Gada nonina tandrifiny, teny amin’ ny tany Basana hatrany Saleka;
12 Poglavar je bio Joel, a drugi Šafan, pa Janaj i Šafat u Bašanu.
Joela no lohany, dia Safama no manarakaraka, dia Janay sy Safata tany Basana.
13 Njihova su braća po svojim rodovima bila: Mihael, Mešulam, Šeba, Joraj, Jakan, Zija, Eber, sedmorica.
Ary ny rahalahiny araka ny fianakaviany avy dia Mikaela sy Mesolama sy Seba sy Joray sy Jakana sy Zia ary Ebera; fito izy.
14 To su bili sinovi Abihajila, sina Hurija, sina Jaroaha, sina Gileada, sina Mihaela, sina Ješišaja, sina Jahdona, sina Buza.
Ireo no zanakalahin’ i Abihaila, zanak’ i Hory, zanak’ i Jaroa, zanak’ i Gileada, zanak’ i Mikaela, zanak’ i Jesisay, zanak’ i Jado, zanak’ i Boza;
15 Ahi, sin Abdiela, Gunijeva sina, bio je poglavar njihova roda.
Ahia, zanak’ i Abdiela, zanak’ i Gony, no lohan’ ny fianakaviany.
16 Živjeli su u Gileadu i u njihovim zaseocima te po svim šaronskim pašnjacima do njihovih krajeva.
Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin’ ny zana-bohiny ary tamin’ ny tany rehetra an-tsisin’ i Sardna manodidina izy.
17 Svi su bili zapisani u plemenski rodovnik za vremena judejskoga kralja Jotama i za vremena izraelskoga kralja Jeroboama.
Ireo rehetra ireo dia nisaina araka ny firazanany tamin’ ny andron’ i Jotama, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely.
18 Rubenovih i Gadovih sinova, i polovine Manašeova plemena, hrabrih junaka koji su nosili štit i mač te zapinjali luk i bili vješti boju, bijaše četrdeset tisuća sedam stotina i šezdeset vojnika.
Ny taranak’ i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, izay isan’ ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
19 Ratovali su protiv Hagrijaca, Iturejaca, Nafišejaca i Nodabejaca.
Ary niady tamin’ ny Hagarita sy tamin’ i Jetora sy Nafisy ary Nodaba izy.
20 U boju su zavapili k Bogu i on ih je uslišao jer su se pouzdali u nj: potpomognuti su protiv neprijatelja te su im predani u ruke Hagrijci sa svim njihovim saveznicima.
Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’ izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’ Andriamanitra teo amin’ ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
21 Zaplijenili su njihovu stoku - pedeset tisuća deva, dvije stotine i pedeset tisuća ovaca i koza i dvije tisuće magaraca - i odveli u ropstvo sto tisuća ljudi.
Ary nobaboiny ny bibiny, dia rameva dimy alina sy ondry aman’ osy dimy alina amby roa hetsy sy boriky roa arivo ary olona iray hetsy;
22 Pobijenih je mnogo palo, jer je taj boj bio od Boga; onda se naseliše na njihovo mjesto do sužanjstva.
fa maro ny faty niampatrampatra, satria avy tamin’ Andriamanitra ny ady. Ary nonina nandimby ireo izy mandra-pahatongan’ ny namaboana azy kosa.
23 Sinovi polovine Manašeova plemena nastanili su se u toj zemlji od Bašana do Baal Hermona i Šenira i do Hermonske gore. I bijahu se umnožili.
Ary ny taranaky ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nonina tamin’ ny tany; ary nihamaro izy hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary hatramin’ ny tendrombohitra Hermona.
24 Ovo su bili poglavari njihovih rodova: Efer, Jiši, Eliel, Azriel, Jeremija, Hodavja i Jahdiel, hrabri junaci i ugledni muževi: poglavari u svojim rodovima.
Ary izao no lohan’ ny fianakaviany: Efera sy Jisy sy Eliala sy Azriela sy Jeremia sy Hodavia ary Jadiela; lehilahy mahery ireo ary malaza sady samy lohan’ ny fianakaviany avy.
25 Ali kad su se iznevjerili Bogu svojih otaca i odali se preljubu s bogovima naroda one zemlje koje je Bog iskorijenio pred njima,
Ary nivadika tamin’ Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’ Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
26 probudio je Izraelov Bog neprijateljstvo asirskoga kralja Pula i neprijateljstvo asirskoga kralja Tiglat Pilesera. Oni su odveli u sužanjstvo Rubenovo i Gadovo pleme i polovinu Manašeova plemena. Doveli su ih u Helah, Habor i Haru i na Gozansku rijeku do današnjega dana.
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an’ i Pola, mpanjakan’ i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan’ i Asyria, ka dia nobaboin’ ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron’ ny ony Gozana ambaraka androany.

< 1 Ljetopisa 5 >