< 西番雅書 1 >

1 當猶大王亞們的兒子約西亞在位的時候,耶和華的話臨到希西家的玄孫,亞瑪利雅的曾孫,基大利的孫子,古示的兒子西番雅。
Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Zefania, zanak’ i Kosy, zanak’ i Gedalia, zanak’ i Amaria, zanak’ i Hezekia, tamin’ ny andro nanjakan’ i Josia, zanak’ i Amona, mpanjakan’ ny Joda.
2 耶和華說: 我必從地上除滅萬類。
Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ ny tany, hoy Jehovah;
3 我必除滅人和牲畜, 與空中的鳥、海裏的魚, 以及絆腳石和惡人; 我必將人從地上剪除。 這是耶和華說的。
Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ ny tany ny olona, hoy Jehovah.
4 我必伸手攻擊猶大 和耶路撒冷的一切居民, 也必從這地方剪除所剩下的巴力, 並基瑪林的名和祭司,
Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ ity tany ity ny sisa amin’ i Bala, Sy ny anaran’ ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy mbamin’ ny tena mpisorona,
5 與那些在房頂上敬拜天上萬象的, 並那些敬拜耶和華指着他起誓, 又指着瑪勒堪起誓的,
Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’ izay eny amin’ ny lanitra, Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’ i Jehovah Sady mianiana amin’ i Malkama,
6 與那些轉去不跟從耶和華的, 和不尋求耶和華也不訪問他的。
Ary izay nihemotra niala tamin’ i Jehovah, Sy izay tsy nitady an’ i Jehovah na nanontany taminy.
7 你要在主耶和華面前靜默無聲, 因為耶和華的日子快到。 耶和華已經預備祭物, 將他的客分別為聖。
Mangìna eo anatrehan’ i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
8 到了我-耶和華獻祭的日子, 必懲罰首領和王子, 並一切穿外邦衣服的。
Ary raha mby amin’ ny andro hamonoan’ i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’ andriana Mbamin’ izay rehetra mitafy ny fitafin’ ny firenena hafa.
9 到那日,我必懲罰一切跳過門檻、 將強暴和詭詐得來之物充滿主人房屋的。
Ary amin’ izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ ny tompony.
10 耶和華說:當那日, 從魚門必發出悲哀的聲音, 從二城發出哀號的聲音, 從山間發出大破裂的響聲。
Ary amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ ny havoana.
11 瑪革提施的居民哪,你們要哀號, 因為迦南的商民都滅亡了! 凡搬運銀子的都被剪除。
Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy; Fa ringana avokoa ny mpandranto rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy.
12 那時,我必用燈巡查耶路撒冷; 我必懲罰那些如酒在渣滓上澄清的; 他們心裏說: 耶和華必不降福,也不降禍。
Ary amin’ izany andro izany dia hotsiloviko amin’ ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
13 他們的財寶必成為掠物; 他們的房屋必變為荒場。 他們必建造房屋,卻不得住在其內; 栽種葡萄園,卻不得喝所出的酒。
Ka dia ho tonga babo ny fananan’ ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14 耶和華的大日臨近, 臨近而且甚快, 乃是耶和華日子的風聲; 勇士必痛痛地哭號。
Efa antomotra ny andro lehiben’ i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon’ ny andron’ i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
15 那日是忿怒的日子, 是急難困苦的日子, 是荒廢淒涼的日子, 是黑暗幽冥、密雲烏黑的日子,
Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
16 是吹角吶喊的日子, 要攻擊堅固城和高大的城樓。
Andro fahaveloman’ ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ ny zorony.
17 我必使災禍臨到人身上, 使他們行走如同瞎眼的, 因為得罪了我。 他們的血必倒出如灰塵; 他們的肉必拋棄如糞土。
Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin’ i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
18 當耶和華發怒的日子, 他們的金銀不能救他們; 他的忿怒如火必燒滅全地, 毀滅這地的一切居民,而且大大毀滅。
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.

< 西番雅書 1 >