< 撒迦利亞書 9 >

1 耶和華的默示應驗在哈得拉地大馬士革 -世人和以色列各支派的眼目都仰望耶和華-
Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany ― Fa ny mason’ i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin’ ny firenena rehetra amin’ ny Isiraely ―
2 和靠近的哈馬,並泰爾、西頓; 因為這二城的人大有智慧。
Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy.
3 泰爾為自己修築保障, 積蓄銀子如塵沙, 堆起精金如街上的泥土。
Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe.
4 主必趕出她, 打敗她海上的權利; 她必被火燒滅。
Indro, hofoanan’ ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin’ ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon’ ny afo.
5 亞實基倫看見必懼怕; 迦薩看見甚痛苦; 以革倫因失了盼望蒙羞。 迦薩必不再有君王; 亞實基倫也不再有居民。
Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.
6 私生子必住在亞實突; 我必除滅非利士人的驕傲。
Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan’ ny Filistina.
7 我必除去他口中帶血之肉 和牙齒內可憎之物。 他必作為餘剩的人歸與我們的上帝, 必在猶大像族長; 以革倫人必如耶布斯人。
Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan’ ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an’ Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin’ ny firenen’ i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita.
8 我必在我家的四圍安營, 使敵軍不得任意往來, 暴虐的人也不再經過, 因為我親眼看顧我的家。
Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan’ ny masoko.
9 錫安的民哪,應當大大喜樂; 耶路撒冷的民哪,應當歡呼。 看哪,你的王來到你這裏! 他是公義的,並且施行拯救, 謙謙和和地騎着驢, 就是騎着驢的駒子。
Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
10 我必除滅以法蓮的戰車 和耶路撒冷的戰馬; 爭戰的弓也必除滅。 他必向列國講和平; 他的權柄必從這海管到那海, 從大河管到地極。
Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin’ ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina Ary hatramin’ ny Ony ka hatramin’ ny faran’ ny tany.
11 錫安哪,我因與你立約的血, 將你中間被擄而囚的人從無水的坑中釋放出來。
Ny aminao koa, noho ny ran’ ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.
12 你們被囚而有指望的人都要轉回保障。 我今日說明,我必加倍賜福給你們。
Miverena ho amin’ ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho.
13 我拿猶大作上弦的弓; 我拿以法蓮為張弓的箭。 錫安哪,我要激發你的眾子, 攻擊希臘的眾子,使你如勇士的刀。
Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin’ ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao,
14 耶和華必顯現在他們以上; 他的箭必射出像閃電。 主耶和華必吹角, 乘南方的旋風而行。
Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin’ ny tafio-drivotra any atsimo.
15 萬軍之耶和華必保護他們; 他們必吞滅仇敵,踐踏彈石。 他們必喝血吶喊,猶如飲酒; 他們必像盛滿血的碗, 又像壇的四角滿了血。
Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton’ antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon’ ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron’ ny alitara.
16 當那日,耶和華-他們的上帝 必看他的民如群羊,拯救他們; 因為他們必像冠冕上的寶石, 高舉在他的地以上。
Ary hovonjen’ i Jehovah Andriamaniny ireny amin’ izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin’ ny taniny ireny.
17 他的恩慈何等大! 他的榮美何其盛! 五穀健壯少男; 新酒培養處女。
Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.

< 撒迦利亞書 9 >