< 詩篇 97 >
Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
2 密雲和幽暗在他的四圍; 公義和公平是他寶座的根基。
Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
5 諸山見耶和華的面, 就是全地之主的面,便消化如蠟。
Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan’ i Jehovah, Dia eo anatrehan’ ny Tompon’ ny tany rehetra.
Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
7 願一切事奉雕刻的偶像、 靠虛無之神自誇的,都蒙羞愧。 萬神哪,你們都當拜他。
Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin’ ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan’ i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
8 耶和華啊,錫安聽見你的判斷就歡喜; 猶大的城邑也都快樂。
Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin’ i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
9 因為你-耶和華至高,超乎全地; 你被尊崇,遠超萬神之上。
Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin’ ny tany rehetra; Efa avo ambonin’ ny andriamanitra rehetra Hianao.
10 你們愛耶和華的,都當恨惡罪惡; 他保護聖民的性命, 搭救他們脫離惡人的手。
Hianareo izay tia an’ i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin’ ny olony masìna Izy Ary mamonjy azy amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy.
Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo.
12 你們義人當靠耶和華歡喜, 稱謝他可記念的聖名。
Mifalia amin’ i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masìna.