< 詩篇 149 >

1 你們要讚美耶和華! 向耶和華唱新歌, 在聖民的會中讚美他!
Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona masìna.
2 願以色列因造他的主歡喜! 願錫安的民因他們的王快樂!
Aoka ny Isiraely hifaly amin’ ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin’ ny Mpanjakany ny zanak’ i Ziona.
3 願他們跳舞讚美他的名, 擊鼓彈琴歌頌他!
Aoka hidera ny anarany amin’ ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga.
4 因為耶和華喜愛他的百姓; 他要用救恩當作謙卑人的妝飾。
Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
5 願聖民因所得的榮耀高興! 願他們在床上歡呼!
Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
6 願他們口中稱讚上帝為高, 手裏有兩刃的刀,
Aoka hisy fanandratana an’ Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,
7 為要報復列邦, 刑罰萬民。
Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,
8 要用鍊子捆他們的君王, 用鐵鐐鎖他們的大臣;
Hamatorany ireo mpanjakany amin’ ny gadra, Sy ny olo-malazany amin’ ny gadra vy.
9 要在他們身上施行所記錄的審判。 他的聖民都有這榮耀。 你們要讚美耶和華!
Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masìna rehetra Izany. Haleloia.

< 詩篇 149 >