< 箴言 24 >

1 你不要嫉妒惡人, 也不要起意與他們相處;
Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
2 因為,他們的心圖謀強暴, 他們的口談論奸惡。
Fa fandravana no saintsainin’ ny fony, Ary fampahoriana notenenin’ ny molony.
3 房屋因智慧建造, 又因聰明立穩;
Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
4 其中因知識充滿各樣美好寶貴的財物。
Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin’ izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5 智慧人大有能力; 有知識的人力上加力。
Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
6 你去打仗,要憑智謀; 謀士眾多,人便得勝。
Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
7 智慧極高,非愚昧人所能及, 所以在城門內不敢開口。
Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.
8 設計作惡的, 必稱為奸人。
Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9 愚妄人的思念乃是罪惡; 褻慢者為人所憎惡。
Ota ny fikasan’ ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason’ ny olona ny mpaniratsira.
10 你在患難之日若膽怯, 你的力量就微小。
Raha reraka amin’ ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
11 人被拉到死地,你要解救; 人將被殺,你須攔阻。
Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
12 你若說:這事我未曾知道, 那衡量人心的豈不明白嗎? 保守你命的豈不知道嗎? 他豈不按各人所行的報應各人嗎?
Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.
13 我兒,你要吃蜜,因為是好的; 吃蜂房下滴的蜜便覺甘甜。
Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;
14 你心得了智慧,也必覺得如此。 你若找着,至終必有善報; 你的指望也不致斷絕。
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an’ ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15 你這惡人,不要埋伏攻擊義人的家; 不要毀壞他安居之所。
Aza manotrika ao akaikin’ ny tranon’ ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
16 因為,義人雖七次跌倒,仍必興起; 惡人卻被禍患傾倒。
Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.
17 你仇敵跌倒,你不要歡喜; 他傾倒,你心不要快樂;
Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
18 恐怕耶和華看見就不喜悅, 將怒氣從仇敵身上轉過來。
Fandrao hitan’ i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19 不要為作惡的心懷不平, 也不要嫉妒惡人;
Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin’ ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20 因為,惡人終不得善報; 惡人的燈也必熄滅。
Fa tsy hisy fanantenana ho an’ ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron’ ny ratsy fanahy.
21 我兒,你要敬畏耶和華與君王, 不要與反覆無常的人結交,
Anaka, matahora an’ i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin’ izay miovaova;
22 因為他們的災難必忽然而起。 耶和華與君王所施行的毀滅, 誰能知道呢?
Fa ho tampoka no hitrangan’ izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin’ ny androny?
23 以下也是智慧人的箴言: 審判時看人情面是不好的。
Izao koa no tenin’ ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan’ olona amin’ ny fitsarana.
24 對惡人說「你是義人」的, 這人萬民必咒詛,列邦必憎惡。
Izay manao amin’ ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin’ ny olona sady ho halan’ ny firenena;
25 責備惡人的,必得喜悅; 美好的福也必臨到他。
Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
26 應對正直的,猶如與人親嘴。
Izay mahavoa tsara amin’ ny famaliana dia manoroka ny molotra.
27 你要在外頭預備工料, 在田間辦理整齊, 然後建造房屋。
Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
28 不可無故作見證陷害鄰舍, 也不可用嘴欺騙人。
Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ ny molotrao va ianao?
29 不可說:人怎樣待我,我也怎樣待他; 我必照他所行的報復他。
Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
30 我經過懶惰人的田地、 無知人的葡萄園,
Nandalo ny sahan’ ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
31 荊棘長滿了地皮, 刺草遮蓋了田面, 石牆也坍塌了。
Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron’ ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
32 我看見就留心思想; 我看着就領了訓誨。
Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
33 再睡片時,打盹片時, 抱着手躺臥片時,
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;
34 你的貧窮就必如強盜速來, 你的缺乏彷彿拿兵器的人來到。
Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.

< 箴言 24 >