< 箴言 22 >

1 美名勝過大財; 恩寵強如金銀。
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
2 富戶窮人在世相遇, 都為耶和華所造。
Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
3 通達人見禍藏躲; 愚蒙人前往受害。
Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
4 敬畏耶和華心存謙卑, 就得富有、尊榮、生命為賞賜。
Ny valin’ ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an’ i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
5 乖僻人的路上有荊棘和網羅; 保守自己生命的,必要遠離。
Tsilo sy fandrika no amin’ ny alehan’ ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
6 教養孩童,使他走當行的道, 就是到老他也不偏離。
Zaro amin’ izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’ izany.
7 富戶管轄窮人; 欠債的是債主的僕人。
Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon’ ny mampisambotra.
8 撒罪孽的,必收災禍; 他逞怒的杖也必廢掉。
Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon’ ny fahatezerany.
9 眼目慈善的,就必蒙福, 因他將食物分給窮人。
Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.
10 趕出褻慢人,爭端就消除; 紛爭和羞辱也必止息。
Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
11 喜愛清心的人因他嘴上的恩言, 王必與他為友。
Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan’ ny mpanjaka izy.
12 耶和華的眼目眷顧聰明人, 卻傾敗奸詐人的言語。
Ny mason’ i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin’ ny mpivadika dia foanany.
13 懶惰人說:外頭有獅子; 我在街上就必被殺。
Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin’ ny sasany any an-dalambe aho.
14 淫婦的口為深坑; 耶和華所憎惡的,必陷在其中。
Ny vavan’ ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon’ i Jehovah no ho latsaka ao.
15 愚蒙迷住孩童的心, 用管教的杖可以遠遠趕除。
Miraikitra amin’ ny fon’ ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
16 欺壓貧窮為要利己的, 並送禮與富戶的,都必缺乏。
Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
17 你須側耳聽受智慧人的言語, 留心領會我的知識。
Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
18 你若心中存記, 嘴上咬定,這便為美。
Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin’ ny molotrao.
19 我今日以此特特指教你, 為要使你倚靠耶和華。
Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin’ i Jehovah.
20 謀略和知識的美事, 我豈沒有寫給你嗎?
Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
21 要使你知道真言的實理, 你好將真言回覆那打發你來的人。
Mba hampahafantariko ny fahamarinan’ ny teny mahatoky ianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin’ izay naniraka anao?
22 貧窮人,你不可因他貧窮就搶奪他的物, 也不可在城門口欺壓困苦人;
Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
23 因耶和華必為他辨屈; 搶奪他的,耶和華必奪取那人的命。
Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin’ ny adiny. Ary hanimba ny ain’ izay manimba azy.
24 好生氣的人,不可與他結交; 暴怒的人,不可與他來往;
Aza misakaiza amin’ ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin’ ny olona foizina,
25 恐怕你效法他的行為, 自己就陷在網羅裏。
Fandrao ianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an’ ny ainao.
26 不要與人擊掌, 不要為欠債的作保。
Aza mety ho isan’ ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
27 你若沒有甚麼償還, 何必使人奪去你睡臥的床呢?
Raha tsy manan-kaloa ianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
28 你先祖所立的地界, 你不可挪移。
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin’ ny razanao.
29 你看見辦事殷勤的人嗎? 他必站在君王面前, 必不站在下賤人面前。
Mahita olona mailaka amin’ ny raharahany va ianao? Eo anatrehan’ ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan’ ny olona ambany izy.

< 箴言 22 >