< 箴言 12 >

1 喜愛管教的,就是喜愛知識; 恨惡責備的,卻是畜類。
Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
2 善人必蒙耶和華的恩惠; 設詭計的人,耶和華必定他的罪。
Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin’ i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
3 人靠惡行不能堅立; 義人的根必不動搖。
Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
4 才德的婦人是丈夫的冠冕; 貽羞的婦人如同朽爛在她丈夫的骨中。
Ny vehivavy tsara dia satro-boninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lò ao anatin’ ny taolana.
5 義人的思念是公平; 惡人的計謀是詭詐。
Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
6 惡人的言論是埋伏流人的血; 正直人的口必拯救人。
Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
7 惡人傾覆,歸於無有; 義人的家必站得住。
Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
8 人必按自己的智慧被稱讚; 心中乖謬的,必被藐視。
Araka ny fahendren’ ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
9 被人輕賤,卻有僕人, 強如自尊,缺少食物。
Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
10 義人顧惜他牲畜的命; 惡人的憐憫也是殘忍。
Ny marina mitsimbina ny ain’ ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindram-pon’ ny ratsy fanahy;
11 耕種自己田地的,必得飽食; 追隨虛浮的,卻是無知。
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana dia tsy ampy saina.
12 惡人想得壞人的網羅; 義人的根得以結實。
Ny mpanota maniry ny hazan’ ny ratsy fanahy; Fa ny fakan’ ny marina mitrebona.
13 惡人嘴中的過錯是自己的網羅; 但義人必脫離患難。
Amin’ ny fahotan’ ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin’ ny fahoriana.
14 人因口所結的果子,必飽得美福; 人手所做的,必為自己的報應。
Ny vokatry ny vavan’ ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan’ ny tànany hitsingerina aminy.
15 愚妄人所行的,在自己眼中看為正直; 惟智慧人肯聽人的勸教。
Ny lalan’ ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
16 愚妄人的惱怒立時顯露; 通達人能忍辱藏羞。
Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
17 說出真話的,顯明公義; 作假見證的,顯出詭詐。
Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
18 說話浮躁的,如刀刺人; 智慧人的舌頭卻為醫人的良藥。
Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ ny sabatra; Fa ny lelan’ ny marina dia fanasitranana kosa.
19 口吐真言,永遠堅立; 舌說謊話,只存片時。
Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipi-maso monja.
20 圖謀惡事的,心存詭詐; 勸人和睦的,便得喜樂。
Fitaka no ao am-pon’ izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin’ izay misaina fiadanana.
21 義人不遭災害;惡人滿受禍患。
Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza ny ratsy fanahy.
22 說謊言的嘴為耶和華所憎惡; 行事誠實的,為他所喜悅。
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
23 通達人隱藏知識; 愚昧人的心彰顯愚昧。
Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; Fa ny fon’ ny adala mamoaka fahadalana.
24 殷勤人的手必掌權; 懶惰的人必服苦。
Ny tanan’ ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tanana dia hampanompoina.
25 人心憂慮,屈而不伸; 一句良言,使心歡樂。
Ny alahelo ao am-pon’ ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
26 義人引導他的鄰舍; 惡人的道叫人失迷。
Ny marina dia mitari-dalana ny namany; Fa ny alehan’ ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
27 懶惰的人不烤打獵所得的; 殷勤的人卻得寶貴的財物。
Ny kamo tsy mety mihaza; Fa fananana soa ho an’ ny olona ny zoto.
28 在公義的道上有生命; 其路之中並無死亡。
Amin’ ny lalan’ ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no lalan-kalehany.

< 箴言 12 >