< 俄巴底亞書 1 >

1 俄巴底亞得了耶和華的默示。 論以東說: 我從耶和華那裏聽見信息, 並有使者被差往列國去, 說:起來吧, 一同起來與以東爭戰!
Ny fahitan’ i Obadia. Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ i Edoma: Nahare filazana avy tamin’ i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
2 我使你-以東在列國中為最小的, 被人大大藐視。
Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
3 住在山穴中、居所在高處的啊, 你因狂傲自欺, 心裏說:誰能將我拉下地去呢?
Ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin’ ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
4 你雖如大鷹高飛, 在星宿之間搭窩, 我必從那裏拉下你來。 這是耶和華說的。
Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
5 盜賊若來在你那裏, 或強盜夜間而來- 你何竟被剪除- 豈不偷竊直到夠了呢? 摘葡萄的若來到你那裏, 豈不剩下些葡萄呢?
Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
6 以掃的隱密處何竟被搜尋? 他隱藏的寶物何竟被查出?
Endrey ny fitady ny an’ i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
7 與你結盟的都送你上路,直到交界; 與你和好的欺騙你,且勝過你; 與你一同吃飯的設下網羅陷害你; 在你心裏毫無聰明。
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin’ ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
8 耶和華說:到那日, 我豈不從以東除滅智慧人? 從以掃山除滅聰明人?
Moa tsy amin’ izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’ i Esao?
9 提幔哪, 你的勇士必驚惶, 甚至以掃山的人都被殺戮剪除。
Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin’ ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr’ i Esao.
10 因你向兄弟雅各行強暴, 羞愧必遮蓋你, 你也必永遠斷絕。
Noho ny fampahoriana an’ i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
11 當外人擄掠雅各的財物, 外邦人進入他的城門, 為耶路撒冷拈鬮的日子, 你竟站在一旁,像與他們同夥。
Tamin’ ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin’ ny andro namaboan’ ny vahiny ny fananany, Sy nidiran’ ny hafa firenena teo amin’ ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an’ i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin’ ireny koa ianao.
12 你兄弟遭難的日子, 你不當瞪眼看着; 猶大人被滅的日子, 你不當因此歡樂; 他們遭難的日子, 你不當說狂傲的話。
Aza finaritra mijery ny andron’ ny rahalahinao amin’ ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin’ ny taranak’ i Joda amin’ ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin’ ny andro fahoriana
13 我民遭災的日子, 你不當進他們的城門; 他們遭災的日子, 你不當瞪眼看着他們受苦; 他們遭災的日子, 你不當伸手搶他們的財物;
Aza miditra amin’ ny vavahadin’ ny oloko amin’ ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin’ ny andro ahitany loza
14 你不當站在岔路口剪除他們中間逃脫的; 他們遭難的日子, 你不當將他們剩下的人交付仇敵。
Aza mamitsaka eo amin’ ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin’ ny andro fahoriana.
15 耶和華降罰的日子臨近萬國。 你怎樣行,他也必照樣向你行; 你的報應必歸到你頭上。
Fa efa antomotra amin’ ny jentilisa rehetra ny andron’ i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16 你們猶大人在我聖山怎樣喝了苦杯, 萬國也必照樣常常地喝; 且喝且咽,他們就歸於無有。
Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masìna, Dia toy izany koa no hisotroan’ ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
17 在錫安山必有逃脫的人, 那山也必成聖; 雅各家必得原有的產業。
Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masìna izy; Ary ny taranak’ i Jakoba hahalasa ny fananany.
18 雅各家必成為大火; 約瑟家必為火焰; 以掃家必如碎詡; 火必將他燒着吞滅。 以掃家必無餘剩的。 這是耶和華說的。
Ny taranak’ i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’ i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’ i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’ i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
19 南地的人必得以掃山; 高原的人必得非利士地, 也得以法蓮地和撒馬利亞地; 便雅憫人必得基列。
Ny any amin’ ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ny any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’ i Gileada.
20 在迦南人中被擄的以色列眾人 必得地直到撒勒法; 在西法拉中被擄的耶路撒冷人 必得南地的城邑。
Ary ny babo amin’ izao Zanak’ Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ ny tany atsimo.
21 必有拯救者上到錫安山,審判以掃山; 國度就歸耶和華了。
Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ho an’ i Jehovah.

< 俄巴底亞書 1 >