< 尼希米記 7 >
1 城牆修完,我安了門扇,守門的、歌唱的,和利未人都已派定。
Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
2 我就派我的弟兄哈拿尼和營樓的宰官哈拿尼雅管理耶路撒冷;因為哈拿尼雅是忠信的,又敬畏上帝過於眾人。
dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ ny tao an-dapa, hitandrina an’ i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
3 我吩咐他們說:「等到太陽上升才可開耶路撒冷的城門;人尚看守的時候就要關門上閂;也當派耶路撒冷的居民各按班次看守自己房屋對面之處。」
Koa hoy izaho tamin’ ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin’ i Jerosalema mandra-pahafanan’ ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin’ izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin’ ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin’ ny tandrifin’ ny tranony avy.
Ary malalaka sy lehibe ny tanàna, nefa vitsy olona, sady tsy mbola vita ny trano.
5 我的上帝感動我心,招聚貴冑、官長,和百姓,要照家譜計算。我找着第一次上來之人的家譜,其上寫着:
Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao:
6 巴比倫王尼布甲尼撒從前擄去猶大省的人,現在他們的子孫從被擄到之地回耶路撒冷和猶大,各歸本城。
Izao no lehilahy amin’ izany tany izany, izay niakatra avy tamin’ ny fahababoana, dia ireo nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, fa niverina tany Jerosalema sy Joda izy, samy ho any an-tanànany avy,
7 他們是同着所羅巴伯、耶書亞、尼希米、亞撒利雅、拉米、拿哈瑪尼、末底改、必珊、米斯毗列、比革瓦伊、尼宏、巴拿回來的。
dia ny olona izay niaraka tamin’ i Zerobabela sy Jesoa sy Nehemia sy Azaria sy Ramia sy Nahanany sy Mordekay sy Bilsana sy Mispereta sy Bigvay sy Nehoma ary Bana: Ary ny isan’ ny lehilahy tamin’ ny Isiraely dia izao:
8 以色列人民的數目記在下面:巴錄的子孫二千一百七十二名;
Ny taranak’ i Parosy dia roa amby fito-polo amby zato sy roa arivo;
ny taranak’ i Sefatia dia roa amby fito-polo amby telon-jato;
ny taranak’ i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
11 巴哈‧摩押的後裔,就是耶書亞和約押的子孫二千八百一十八名;
ny taranak’ i Pahatamoaba, dia avy tamin’ ny zanak’ i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin’ ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
ny taranak’ i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
ny taranak’ i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
ny taranak’ i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
ny taranak’ i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
ny taranak’ i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
ny taranak’ Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
ny zanak’ i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
ny taranak’ i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;
ny taranak’ i Adina dia dimy amby dimam-polo amby enin-jato;
ny taranak’ i Atera, avy tamin’ i Hezekia, dia valo amby sivi-folo;
ny taranak’ i Hasoma dia valo amby roa-polo amby telon-jato;
ny taranak’ i Bezay dia efatra amby roa-polo amby telon-jato;
ny taranak’ i Harifa dia roa ambin’ ny folo amby zato;
ny taranak’ i Gibeona dia dimy amby sivi-folo.
Ny mponina tany Betlehema sy Netofa dia valo amby valo-polo amby zato;
ny mponina tany Anatota dia valo amby roa-polo amby zato;
ny mponina tany Bet-azmaveta dia roa amby efa-polo;
29 基列‧耶琳人、基非拉人、比錄人共七百四十三名;
ny mponina tany Kiriata-jearima sy Kefira ary Berota dia telo amby efa-polo amby fiton-jato;
ny mponina tany Rama sy Geva dia iraika amby roa-polo amby enin-jato;
ny mponina tany Mikmasy dia roa amby roa-polo amby zato;
ny mponina tany Betela sy Ay dia telo amby roa-polo amby zato;
ny mponina tany amin’ ilay Nebo anankiray dia roa amby dimam-polo;
ny zanak’ ilay Elama anankiray dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
ny zanak’ i Harima dia roa-polo amby telon-jato;
ny zanak’ i Jeriko dia dimy amby efa-polo amby telon-jato;
ny zanak’ i Loda sy Hadida ary Ono dia iraika amby roa-polo amby fiton-jato;
ny zanak’ i Sena dia telo-polo amby sivin-jato sy telo arivo.
Ary ny mpisorona koa dia izao: Ny taranak’ i Jedaia, avy tamin’ ny mpianakavin’ i Jesoa, dia telo amby fito-polo amby sivin-jato;
ny taranak’ Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
ny taranak’ i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
ny taranak’ i Harima dia fito ambin’ ny folo sy arivo.
43 利未人:何達威的後裔,就是耶書亞和甲篾的子孫七十四名。
Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny zanak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak’ i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
45 守門的:沙龍的子孫、亞特的子孫、達們的子孫、亞谷的子孫、哈底大的子孫、朔拜的子孫,共一百三十八名。
Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak’ i Saloma, ny taranak’ i Atera, ny taranak’ i Talmona, ny taranak’ i Akoba, ny taranak’ i Hatita, ny taranak’ i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
46 尼提寧:西哈的子孫、哈蘇巴的子孫、答巴俄的子孫、
Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak’ i Ziha, ny taranak’ i Hasofa, ny taranak’ i Tabaota,
ny taranak’ i Kerosa, ny taranak’ i Sia, ny taranak’ i Padona,
ny taranak’ i Lebana, ny taranak’ i Hagaba, ny taranak’ i Salmay,
ny taranak’ i Hanana, ny taranak’ i Gidela, ny taranak’ i Gahara,
ny taranak’ i Reaia, ny taranak’ i Rezina, ny taranak’ i Nekoda,
ny taranak’ i Gazama, ny taranak’ i Oza, ny taranak’ i Pasea,
ny taranak’ i Besay, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
ny taranak’ i Bakboka, ny taranak’ i Hakafa, ny taranak’ i Harora,
ny taranak’ i Bazlita, ny taranak’ i Mehida, ny taranak’ i Harsa,
ny taranak’ i Barkosa, ny taranak’ i Sisera, ny taranak’ i Tema,
ny taranak’ i Nezia, ny taranak’ i Hatifa.
57 所羅門僕人的後裔,就是瑣太的子孫、瑣斐列的子孫、比路大的子孫、
Ary ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona koa dia izao: Ny taranak’ i Sotahy, ny taranak’ i Sofereta, ny zanak’ i Perida,
ny taranak’ i Jala, ny taranak’ i Darkona, ny taranak’ i Gidela,
59 示法提雅的子孫、哈替的子孫、玻黑列‧哈斯巴音的子孫、亞們的子孫。
ny taranak’ i Sefatia, ny taranak’ i Hatila, ny taranak’ i Pokereta-hazebaima, ny taranak’ i Amona.
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’ i Solomona dia roa amby sivi-folo amby telon-jato.
61 從特米拉、特哈薩、基綠、亞頓、音麥上來的,不能指明他們的宗族譜系是以色列人不是;
Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Kerofa sy Adona ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany, na avy tamin’ ny Isiraely na tsia, izy):
62 他們是第萊雅的子孫、多比雅的子孫、尼哥大的子孫,共六百四十二名。
ny taranak’ i Delaia, ny taranak’ i Tobia, ny taranak’ i Nekoda, roa amby efa-polo amby enin-jato.
63 祭司中,哈巴雅的子孫、哈哥斯的子孫、巴西萊的子孫;因為他們的先祖娶了基列人巴西萊的女兒為妻,所以起名叫巴西萊。
Ary ny avy tamin’ ny mpisorona dia izao: Ny taranak’ i Hobaia, ny taranak’ i Hakoza, ny taranak’ i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.
64 這三家的人在族譜之中尋查自己的譜系,卻尋不着,因此算為不潔,不准供祭司的職任。
Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ ny fisoronana.
65 省長對他們說:「不可吃至聖的物,直到有用烏陵和土明決疑的祭司興起來。」
Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masìna indrindra izy mandra-pitsangan’ izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima.
Ny tontalin’ ny olona rehetra dia enim-polo amby telon-jato amby roa arivo sy efatra alina,
67 此外,還有他們的僕婢七千三百三十七名,又有歌唱的男女二百四十五名。
afa-tsy ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny fito amby telo-polo amby telon-jato sy fito arivo; ary nanana mpihiralahy sy mpihiravavy dimy amby efa-polo amby roan-jato izy;
ny soavaliny dia enina amby telo-polo amby fiton-jato; ny ampondrany dia dimy amby efa-polo amby roan-jato;
ny ramevany dia dimy amby telo-polo amby efa-jato; ny borikiny dia roa-polo amby fiton-jato sy enina arivo.
70 有些族長為工程捐助。省長捐入庫中的金子一千達利克,碗五十個,祭司的禮服五百三十件。
Ary ny sasany tamin’ ny lohan ny fianakaviana dia nahafoy hanaovana ny asa. Ny governora nanome darika volamena arivo sy lovia famafazana dimam-polo sy akanjo-mpisorona telo-polo amby dimam-jato ho ao amin’ ny rakitra.
71 又有族長捐入工程庫的金子二萬達利克,銀子二千二百彌拿。
Ary ny sasany tamin’ ny lohan’ ny fianakaviana dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy roan-jato sy roa arivo ho ao amin’ ny rakitra hanaovana ny asa.
72 其餘百姓所捐的金子二萬達利克,銀子二千彌拿,祭司的禮服六十七件。
Ary izay nomen’ ny olona sisa dia darika volamena roa alina sy mane volafotsy roa arivo ary akanjo-mpisorona fito amby enim-polo.
73 於是祭司、利未人、守門的、歌唱的、民中的一些人、尼提寧,並以色列眾人,各住在自己的城裏。
Ary samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny sasany amin’ ny vahoaka ary ny Netinima, dia ny Isiraely rehetra.