< 尼希米記 4 >

1 參巴拉聽見我們修造城牆就發怒,大大惱恨,嗤笑猶大人,
Ary rehefa ren’ i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
2 對他弟兄和撒馬利亞的軍兵說:「這些軟弱的猶大人做甚麼呢?要保護自己嗎?要獻祭嗎?要一日成功嗎?要從土堆裏拿出火燒的石頭再立牆嗎?」
dia niteny teo anatrehan’ ny namany sy ny miaramilan’ i Samaria hoe: Inona no ataon’ ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ ny lavenona miavosa va ireo?
3 亞捫人多比雅站在旁邊,說:「他們所修造的石牆,就是狐狸上去也必跐倒。」
Ary Tobia Amonita dia teo anilan’ i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboahaolo aza miakatra eo amin’ izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
4 我們的上帝啊,求你垂聽,因為我們被藐視。求你使他們的毀謗歸於他們的頭上,使他們在擄到之地作為掠物。
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ ny tany izay ahababoany izy.
5 不要遮掩他們的罪孽,不要使他們的罪惡從你面前塗抹,因為他們在修造的人眼前惹動你的怒氣。
Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ ireo mandrafitra izy.
6 這樣,我們修造城牆,城牆就都連絡,高至一半,因為百姓專心做工。
Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
7 參巴拉、多比雅、阿拉伯人、亞捫人、亞實突人聽見修造耶路撒冷城牆,着手進行堵塞破裂的地方,就甚發怒。
Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
8 大家同謀要來攻擊耶路撒冷,使城內擾亂。
Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’ i Jerosalema ka hanimba ny asa.
9 然而,我們禱告我們的上帝,又因他們的緣故,就派人看守,晝夜防備。
Dia nivavaka tamin’ Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’ alina noho ny fahatahoranay azy.
10 猶大人說:「灰土尚多,扛抬的人力氣已經衰敗,所以我們不能建造城牆。」
Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.
11 我們的敵人且說:「趁他們不知不見,我們進入他們中間,殺他們,使工作止住。」
Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.
12 那靠近敵人居住的猶大人十次從各處來見我們,說:「你們必要回到我們那裏。」
Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
13 所以我使百姓各按宗族拿刀、拿槍、拿弓站在城牆後邊低窪的空處。
dia nasiako olona teo amin’ ny fitoerana ambany, teo ivelan’ ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka.
14 我察看了,就起來對貴冑、官長,和其餘的人說:「不要怕他們!當記念主是大而可畏的。你們要為弟兄、兒女、妻子、家產爭戰。」
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
15 仇敵聽見我們知道他們的心意,見上帝也破壞他們的計謀,就不來了。我們都回到城牆那裏,各做各的工。
Ary nony ren’ ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan’ Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin’ ny manda izahay rehetra, samy ho amin’ ny asany avy indray.
16 從那日起,我的僕人一半做工,一半拿槍、拿盾牌、拿弓、穿鎧甲,官長都站在猶大眾人的後邊。
Ary hatramin’ izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman’ ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ ny fianakaviana rehetra amin’ ny Joda.
17 修造城牆的,扛抬材料的,都一手做工一手拿兵器。
Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.
18 修造的人都腰間佩刀修造,吹角的人在我旁邊。
Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin’ ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.
19 我對貴冑、官長,和其餘的人說:「這工程浩大,我們在城牆上相離甚遠;
Ary hoy izaho tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin’ ny manda isika ka mifanalavitra.
20 你們聽見角聲在哪裏,就聚集到我們那裏去。我們的上帝必為我們爭戰。」
Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
21 於是,我們做工,一半拿兵器,從天亮直到星宿出現的時候。
Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin’ ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.
22 那時,我又對百姓說:「各人和他的僕人當在耶路撒冷住宿,好在夜間保守我們,白晝做工。」
Ary tamin’ izany andro izany dia hoy koa aho tamin’ ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.
23 這樣,我和弟兄僕人,並跟從我的護兵都不脫衣服,出去打水也帶兵器。
Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.

< 尼希米記 4 >